Sary Maro : Ny Polisy Nihodidina Ireo Mpanao Hetsi-panoherana Tao Rio, Ireo Mponina Niatrika Ny Baomba Mandatsa-dranomaso, Ary Ireo Bala Fingotra

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny lahatsoratray manokana mikasika ilay pejin'ny Fitroarana Vinaigitra ao Brezila.

Herinandro androany (27/06) izay, no nisian'ilay korontana tao Brezila ny alin'ny 20 Jona 2013, nahitàna ny onjam-panoherana lehibe indrindra teo amin'ny tantaran'ny firenena. Tao Rio de Janeiro, niantomboka taminà diabe am-pilaminana ilay hetsika, niainga tao afovoan-tanàna ka hatreny amin'ny Biraon'ny Ben'ny Tanàna, niely hatreny amin'ny faritra hafa maro manodidina ary niafara tamin'ny fifandonana mahery vaika teo amin'ireo mpanao hetsi-panoherana sy ny polisy [pt].

Araky ny vinavina ofisialy, manodidina ny 300 000 eo ireo olona nandray anjara tamin'ilay Famoriam-bahoaka tao Rio de Janeiro. Tao anatin'izany ilay Breziliana mpaka sary, Calé, no naharay an-tsary ny fampiasàn'ireo polisy tsy ampiheverana ny bala fingotra, sy ny entona mampihevona ary ny baomba mandatsa-danomaso tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana tsy nitondra afa-tsy tanam-polo.

Ity manaraka ity ny vokatr'izany sy ny sary fijoroana vavolombelona, notsongain'i Calé ho an'i Global Voices Online :

Protest in Rio, June 20

Tamin'ny fiantombohan'ilay hetsika, nandihy sy nifety ireo vahoaka teny an-dalàna ho any amin'ny biraon'ilay Ben'ny tanàna, izay nahatonga ilay fotoana hahafinaritra. Sary : Calé, nahazoana alalàna ny famoahana azy

Naka sary ilay hetsi-panoherana tao Rio aho halina ary hitako ny polisy nitoraka baomba mandatsa-dranomaso sy nitifitra bala fingotra hanaparitahana ny vahoaka tsy hijanona eny amin'ireo lalàmbe tao afovoan-tananan'i Rio, tanatinà fanararaotam-pahefana tanteraka.

Protests in Rio end with violence

Andianà olona tia setrasetra no nanomboka niady tamin'ireo mpanohana ny antokon'ny elatra havia, kanefa ela vao nihetsika ny polisy ary tsy nisambotra olona na iray aza. Sary : Calé, nahazoana alalàna ny famoahana azy

Tamin'ny ankapobeny dia tena famoriam-bahoaka am-pilaminana sy am-pifaliana no nisy, nahitàna andian'olona nihira hiram-pifaliana ary nahitàna sokajin-taonan'olona maro nilanja sainam-pirenena sy sora-baventy misy ny fitakiany avy. Nisy ireo trangan-javatra madinidinika, toy ny nisy teo amin'ireo mpanohana ny antokon'ny elatra havia sy ireo tanora tsy nankasitraka ny hitrandrahana na hitsabahan'ny politika amin'ilay diabe.

Man wounded in protest

Lehilahy iray naratra tamin'ilay hetsi-panoherana ary nampian'ny sasany tamin'ireo vahoaka. Sary : Calé, nahazoana alalàna ny famoahana azy.

Nahalasa saina fa ela vao nihetsika ny polisy ary naniraka moto 3 monja hanamarina teny an-toerana, ary angamba mety nanao tatitra. Tsy nisy fisamborana, na dia nisy tamin'ireo naratra aza nanondro ireo tompon'antoka tamin'ilay fanafihana.

Human chain to separate protesters

Nifampitantana ireo mpanao hetsi-panoherana nanoloana ireo polisy hisorohana ny fifandonana, ary niezaka nitazona ny filaminan'ilay hetsi-panoherana. Sary : Calé, nahazoana alalàna ny famoahana azy.

Rehefa tonga soa aman-tsara teo amin'ilay kianja nanoloana ny biraon'ny Ben'ny tanàna ny vahoaka dia nisy mpitandro filaminana marobe niaro ilay tranobe niaraka tamin'ireo polisy nitaingin-tsoavaly nanoloana ny vavahady. Nifampitantana ireo mpitarika ny hetsika nanoloana ireo polisy hisorohana ny fifandonana, ary ho fitandremana ny tsy hanakorontanan'ireo andian'olona tia setrasetra hanakorontana io alina mahafinaritra io.

Protests in Rio, June 2013

Ilay mpanao bodybuilding, Gabriel Campos, nanoroka ny soavalin'ny mpitandron'ny filaminana, ho toy ny fihantsiana. Sary : Calé, nahazoana alalàna ny famoahana azy.

Nahavita nitazona ny filaminana ireo mpanao fihetsiketsehana nanoloana ny biraon'ny Ben'ny tanàna, hatramin'ny fooaa nanombohan'ilay mpanao bodybuilding iray 29 taona antsoina hoe Gabriel Campos, izay tadiavin'ny polisy fatratra hatramin'izao, nanompa ireo mpitandro ny filaminana teo ambony soavaly, na dia efa nangatahan'ny vahoaka aza ny hialàny teo. Efa nangatahan'ireo mpanao fihetsiketsehana aza ireo mpitandro ny filaminana hisambotra io lehilahy io alohan'ny tsy hihitaran'ny raharaha.

Protests in Rio end with violent police reaction

Nampiasain'ireo mpanao fihetsiketsehana ho toy ny fiarovana ireny takelaka vita amin'ny hazo ireny sady nitora-bato an'ireo polisy. Sary : Calé, nahazoana alalàna ny fampiasana azy

Ko satria tsy nisy ny valinteny, dia nandray an-tànana ny fitakiana ny rariny ireo mpanao hetsi-panoherana, ary dia vaky ny ady. Izay indrindra no fialan-tsiny nandrasan'ireo polisy. Raha jerena amin'ny maso tsy miangatra dia ny polisy no nanomboka tamin'ny fitorahana baomba mandasa-dranomaso sy fitifirana bala fingotra.

Protests in Rio end with violent police reaction

Ny tahotry ny olona tamin'ny fitsoahana ireo polisy. Sary : Calé, nahazoana alalàna ny famoahana azy.

Tsy nisy resaka mihitsy hoe hiditra ao amin'ny biraon'ny Ben'ny tanàna, tezitra fotsiny ny vahoaka ka namaly ny polisy taminà hazo sy vato. Ny zava-nitranga taorian'izay dia ny fanararaotam-pahefana mbola tsy nisy toy izany teo amin'ny tantara : mpitandro filaminana manokana toy ny Choque sy Bope no nanadio ny lalamben'i Rio, ny làlana mankany amin'ny tanànan'ireo Bohemian ao Lapa, any amin'ny 2,5 km. Vokatr'izany, toeram-pivarotana maro sy tranobe maro no simba sy voaroba teny amin'ny lalàmben'i Presidente Vargas Avenue.

Protests in Rio end with violent police reaction

Mandalo ny polisy, may ny fako, voaroba ny tranobe maro teny amin'ny lalamben'i Presidente Vargas Avenue. Sary : Calé, nahazoana alalàna ny fampiasana azy

Na dia efa tapitra aza ilay fihetsiketsehana dia mbola torahan'ny polisy amin'ny baomba mandatsa-dranomaso ihany ireo olona an-dalana hody am-pilaminana ho any an-tranony, efa lavitry ny biraon'ny ben'ny tanàna. Tsy misy intsony ny fanavahana hoe mpanakorontana sa olona andeha hody no mifanena amin'izy ireo. Koa satria moa nihidy avokoa ny lalamby rehetra, dia nandeha tongotra daholo ny olona niala ny faritra misy ilay korontana.

Protests in Rio end with violent police reaction

Mpivarotra an-dalambe iray no tsakoahana taorian'ny nifohany entona mandatsa-dranomaso, satria ny polisy koa dia efa tsy mahita intsony izay tafihany, mamely amin'ny bala fingotra sy entona mandatsa-dranomaso amin'ny olona tsy nanao na inona na inona akory. Sary : Calé, nahazoana alalàna ny famoahana azy

Tao amin'ilay fiantsonana tao Carioca, andian'olona maro no niandry ny fisokafan'ny vavahady, rehefa nizotra nankany amin'ny lalàmben'ny Avenida Rio Branco ireo polisy. Mifanandrify amin'ny lalana natokana ho an'ny mpandeha tongotra io fiantsonana io, ary raha iny efa tsy taza-maso iny intsony ireo polisy dia nisy olona iray nihikiaka mafy hoe “Kanosa, zanak'…”, avy hatrany dia niverina ireo polisy nitoraka entona mandatsa-dranomaso tamin'ireo vahoaka teo.

Protests in Rio end with violent police reaction

Teo amin'ny lalamben'i Avenida Rio Branco, ilay andianà mpitandro ny filaminana avy ao amin'ny Choque, nanadio ny lalambe.Sary : Calé, nahazoana alalàna ny famoahana azy

Vetivety no namohan'ireo mpiasan'ny fiarandalamby vavahady kely iray hidiran'ireo vahoaka tao, kanefa niafara taminà famoronana fandrika nahasempotra entona ny vahoaka izany. Tao ambany tao, maro ireo naloiloy ary nitsirara.

Police violence in Rio protests. Photo: Calé.

Olona teny amin'ny fiantsonana tao Carioca , nijery ireo polisy nandalo teo amin'ny lalamben'i Avenida Rio Branco ary nanangana ny tànan'izy ireo ho mariky ny filaminana. Sary : Calé, nahazoana alalàna ny famoahana azy

Maro tamin'ireo olona no nandao ilay diabe raha vao nahatsikaritra korontana kely ka nanapa-kevitra ny hisotrosotro labiera tany amin'ny manodidina an'i Lapa, toerana lavitra sy milamina araky ny eritreritr'izy ireo. Kanefa vetivety dia tonga hatreny ihany koa ny polisy ary tratra tao anatin'ny trano fisakafoanana sy ny bara izy ireo satria efa nanerana ny lalambe ny korontana. Raha iny nanomboka nivazavaza tamin'ny polisy iny ny olona dia notorahan'izy ireo tsy ampiheverana tamin'ny entona mandatsa-dranomaso  ihany koa ireo olona tanaty tranobe.

Police violence in Rio protests. Photo: Calé.

Notorahan'ny polisy entona mandatsa-dranomaso ireo mpanao hetsi-panoherana nilamina niandry ny fisokafan'ny tby fandraisana fiarandalamby. Nosokafan'ny mpiasan'ny lalamby ilay vavahady kely mba hahafahan'ny olona miditra ao hialoka, kanefa lasa toy ny fandrika nahasempotra azy ireo indray izany. Maro ireo naloiloy sy niankarapoka tao ambany tao. Sary : Calé, nahazoana alalàna ny famoahana azy

Eny, nisy ireo jiolahim-boto namotika sy nandoro zavatra tao anatin'ilay diabe, kanefa ny ankamaroan'ireny dia efa nitranga teny amin'ny lalamben'i Presidente Vargas Avenue, nanakaiky ny biraon'ny Ben'ny tanàna. Koa maninona ny polisy no manalehibe ny toerana iasàny sy manambana ny basiny amin'ny olona tsy manan-tsiny? Anaty fivoriana sy anaty filazam-baovao sosialy, ny tahotra ny amin'ny fandraisana anjara amin'ny hetsika hafa no resaky ny olona izao, ary misy mihitsy no tsy te-hanohy intsony. Fomba fiteny iray no tonga ato an-tsaiko hanazavàna ny fihetsiky ny mpitandro  filaminana : Fampihorohorona ataon'ny Fanjakana.

Police violence in Rio protests. Photo: Calé.

Mandalo ny polisy, may ny fako, manomboka mandroba ireo tranobe teny amin'ny lalamben'i Presidente Vargas Avenue ny olona . Sary : Calé, nahazoana alalàna ny fampiasana azy

Ny sary rehetra nampiasaina tato amin'ity lahatsoratra ity dia nahazoana alalàna avy amin'i Calé avokoa, izay ankoatry ny asany maha-mpivarotra sary azy, dia mampiroborobo tetikasa Artistika sy ny asa fanoratàna manerana izao tontolo izao. Afaka jerena ao amin'ny Buscadores (Seekers) ny ampahany amin'ny sary nalainy, ampirantiana ao amin'ny Ateliê da Imagem [br] ao Rio de Janeiro. Efa naseho taminà fampirantiana manokana tao Danemark, Rosia, Arzantina ary Bolivia ilay Seekers ary tafiditra ao amin'ny fampirantiana niraisana tao Etazonia sy Irlandy.

Protests in Rio end with violent police reaction

Mpanao fihetsiketsehana nangataka filaminana nandritra ilay fifandonana. Sary : Calé, nahazoana alalàna ny famoahana azy

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny lahatsoratray manokana mikasika ilay pejin'ny Fitroarana Vinaigitra ao Brezila.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.