SARIPIKA: Zavakanto An-Tanandehiben'i Budapest Tokana Aman-Tany

Ny renivohitr'i Hongria, izay efa malaza amin'ny tantara, ny zavakanto ary ny rafitranony, no hita mamelona ny sangan'asa an-tanandehibe tokana aman-tany mampiavaka azy andro maromaro izao. Mipongatra isan'andro ao amin'ny tambajotra sosialy tahaka ny Twiter sy ny instagram ireo sary sy fanehoan-kevitra hita amin'ny alalan'ny teny ifankafantarana #streetart (kanto an-dalambe) momba an'i Budapest, indrindra fa efa hoavy ny vanim-potoanan'ny hafanana, vanim-potoanan'ny fizahan-tany.

Maro ireo efa nandre momba ilay artista mpanao mari-tanàna frantsay Invadera izay mifototra indrindra amin'ny endrika lohalambo (fr:arcade) tany amin'ny fiafaran'ny taona 1990 ny maro amin'ny sangan'asany ary namela marika ho an'ny artista mpanao mari-tanàna an-tanàn-dehibe manerana an'i Eoropa. Avy eo ny endrika ara-javakanto tsy mahazatra nataony, street art [zavakanto an-dalambe], dia voalanjalanja teo amin'ny fikatrohana anaty akata sy ny zavakanto malaza.

Nanao sarintany ny tanàna lehibe manerantany izay lalaina sy mamelona ny endrika vaovaon'ity zavakanto ity ihany koa ilay artista. Mandritra izany fotoana izany, Invader, nahazo anarana avy amin'ny lalao lohalambo (arcade) tany amin'ny faraparan'ny taompolo 1970 izay aingam-panahy avy aminy, dia ahitana ihany koa an'i Budapest ao amin'izany sarintaony izany izay ahitana soratra lehibe ho toy ny marika fa, nandritra ny taona vitsivitsy monja taorian'ny faharavan'ny vondrona (eoropeana) tatsinanana, dia teraka ny Alternative Budapest vaovao, feno lalao, tanora tia manohitohitra.

Ao anatin'izany fotoana izany ny kanto andalambe, izay mifandray mivantana, vetivety sy akaiky ny mpijery azy, no toa lasa malaza ao amin'ity tanàna Eoropeana tatsinanana manan-tantara ity. Isaky ny zoron'ny tanàna dia ahitana sary tahaka ireto:

Mural in Budapest playground; photo courtesy of Alternative Budapest.

Rindrin'ny tokotanim-pilalaovana voaloko ao Budapest; sary hatsarapon'i Alternative Budapest.

A balcony in a Budapest neighborhood; photo courtesy of Alternative Budapest.

Lavarangana ambony ao amin'ny manodidina an'i Budapest; sary avy amin'ny Alternative Budapest.

Creative Budapest window art; photo courtesy of Alternative Budapest.

zavakanto iray hita amin'ny varavarakelin'i Budapest; sary hatsarampon'i Alternative Budapest.

Ankilan'ny hafatra avy amin'ny mpisera Facebook ahitana ireny sary ireny, hita ho toa mandoka tsara ho amin'ny tsindrilentan-kanton'i Budapest ihany koa ny mpisera Twitter sy Instagram.

Nanoratra ny mpisera Instagram Irelative_strang, izay fantatra ihany koa ho Janos Bako (@JanosBako) ao amin'ny Twitter:

@JanosBako: Nature taking back the city #streetart #Budapest pic.twitter.com/h7G50Vt2cz

Miverina ao an-tanàna ny natiora

nilaza ny heviny ny mpisera Twitter hafa sy mpahaibika avy ao London, Steve Jude (@steve_jude):

@steve_jude: #budapest art of a totally different kind #streetart @ Bakáts tér http://instagram.com/p/a6Scp-ycyI/

Zavakanton'i Budapest amin'ny endriny hafa tanteraka #kantoandalambe

Ny izay mampaningana an'i Budapest mihoatra noho ny tanàndehibe hafa ny fahitana zavakanto an-dalambe mivoatra, saingy mahatsapa izany ve ny Hongroà. Ireny toera-pisotrosotroana, antsoina hoe “rom kocsma“, na “toera-pisotroana efa rava”, ireny ny tena marina dia toera-pisotrosotroana natsangana avy amin'ny fanorenana rava na nilaozana, ka natao endrika an-tanandehibe isan-karazany maro. Tao anatin'ny taona vitsivitsy ireny toera-pisotrosotroana ireny dia saiky nanenika ny faritr'i Pesta ao amin'ny tanàna ary lasa iray amin'ny zavakanto an-tanandehibe mahafinaritra indrindra ka manintona ny mpizahatany.

A "ruin pub" in Budapest; photo courtesy of Alternative Budapest.

“Toera-pisotrosotroana rava” iray ao Budapest; sary hatarapon'i Alternative Budapest.

Raha mizotra mankany amin'ity faritra hafahafa ity ny mpitsangatsangana avy ao Eoropa antitra mitady zava-baovao, mampientanentana ary ambonin'izany rehetra izany dia ahafahana miala voly tsara sy ifaneraserana, dia heverina ho maro zavatra atolotra amin'izany i Budapest.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.