Lalao Video: Zaytoun, ankizy Mpialokaloka Syriana-Palestiniana

Nalaina avy amin'ny lahatsoratr'i Syria Untold ary nadikan'ny Global Voices teny Arabo.

Zaytoun, ankizy mpialokaloka Syriana-Palestiniana, no mpilalao fototra amin'ilay lalao video noforonin'ireo vondrona mpikatroka Syriana, Palestiniana ary Espaniola.

Amin'ny alalan'ireo sakatsakana handalovan'i Zaytoun, sy ny safidy ataony ary ireo olona tafahaona aminy, natao hahafantarana bebe kokoa ny tantaran'i Palestina sy Syria ary ny zavatra iainan'ny vahoakany ankehitriny ireo mpilalao ny lalao video.  Manana habaka ity tetikasa ity, izay misy tahiry fanangonana vaovao momba ireo toby fialokalofana Palestiniana isan-karazany ao Syria sy Libanona, ny tantaran'ny revolisiona Syriana ary vaovao momba ny zon'olombelona ao amin'ny faritra. Mangataka ny fandraisan'anjaran'ny tsirairay ny mpamorona mba hameno ny tahiry.

Ity lahatsary maharitra dimy minitra ity no ahitana fanazavana momba ny tetikasa:

Mizara amintsika ny tantaran'i Zaytoun ny lalao video, ankizy lahy kely mpialokaloka, izay voatery nandositra taorian'ny faharavan'ny trano fonenany ao amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana Yarmouk sy ny famonoana ireo namany Syriana maro nataon'ny fitondrana Syriana. Hiara-hiaina aminy ny diany ivelan'ny toby ny mpilalao, ireo namana hihaona aminy sy ireo sedra holalovany. Amin'ny alalan'ny tahirin-kevitra sy sarintany ahitana ny toetry ny lalana, ny tanàndehibe, ny arabe sy ny hopitaly ao Syria no hanapahany hevitra ny amin'izay dingana manaraka holalovany sy ny fomba hifandraisany amin'ireo olona hihaona aminy. Miankina aminy ny fahatongavana aminà toerana iray, noho izany, mila mamaly fanontaniana mikasika ny tantaran'i Syria sy Palestina izy.

 

Zaytoun and his little Syrian brother

Zaytoun sy ny rahalahiny Syriana. Loharano: Habaka “Zaytoun, avy amin'ny sisintany sy ny sisa”

Ny tantaran'i Zaytoun dia tantaran'ireo Palestiniana marobe voatery nandao ny taniny taorian'ny fibodoan'ny Isiraelita ny taniny ka nipetraka tao Syria, misy an'i Yarmouk sy ireo toby hafa zary lasa fonenan'izy ireo. Tamin'ny fiandohan'ny revolisiona, nanjary toerana fandraisana ireo olona nitsoaka ny faritr'i Damaskosy i Yarmouk, faritra nisian'ny famoretana nataon'ny fitondrana tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana, sy fisamborana, fampijaliana ary famonoana ireo mpikatroka i Damaskosy. Teraka tao amin'ny toby ny firaisankina miaraka amin'ny revolisiona sy ireo izay nijaly noho ny fanenjehana, niafara tamin'ny fidarohan'ny mpitandro ny filaminan'ny fitondrana baomba ny toby anefa izany.

Mikasika an'i Mokha, mpanao sary Syriana-Palestiniana, nampihavana ireo Palestiniana marobe tamin'ny fiaviany Syriana ny revolisiona Syriana.

“Tsy Palestiniana ihany izahay, fa Syriana ihany koa, ory izahay raha ory ny Syriana. Nandritra ny taona maro, nanontany aho hoe nahoana no mbola tsy mitsangana hanohitra ireo mpanao didy jadona mpampahory ny Syriana, rehefa nataon'izy ireo anefa izany ankehitriny, mahatsiaro afa-po amin'ireo oloko Syriana aho, toy ny fahafaham-poko amin'ireo oloko Palestiniana.”

zaytoun-poster-2

Zaytoun sy ny rahalahiny Syriana. Loharano: Habaka “Zaytoun, avy amin'ny sisintany sy ny sisa”

Toy izao kosa ny fijerin'ilay mpaka sary Syriana, Huss:

“Zava-dehibe ny mahafantatra fa miara-mandroso ny tolona ataon'ny Palestiniana sy ny Syriana ary samy ara-dalàna avokoa. Niaritra fampijaliana izy roa tonta ireo ka mitolona ho amin'ny fahalalahana, ny rariny ary ny fahamendrehana. Mariky ny tsy fahalalàna na fahateren-tsaina ny fanohanana ny zon'ireo Palestiniana hanana fizakan-tena kanefa manamarina ireo heloka bevava vitan'i Assad.”

Araka ny filazan'i Sara Carrasco avy eo Espaina kosa:

Manohana ny zon'ny olona tsirairay hanapa-kevitra sy hahaleo-tena amin'ny endriny rehetra aho. Miaina amban'ny ziogan'ny fitondrana voakasika mivantana amin'ireo tombotsoan'ny mpanjanaka sy ny mpanao didy jadona mpampahory ny Syriana sy ny Palestiniana. Miahiahy ny amin'ny tsy fahampian'ny fahalalana amin'ny tolona ataon'ireo mpifanolobodi-rindrina amintsika ihany koa aho. Mba hahafantarana ny tolona ataonay manokana ao Espaina sy Eoropa, mila mahafantatra ireo tolona miseho manerantany isika. Disoin'ireo fampahalalam-baovao aty aminay ny endriky ny firenena Arabo, Afovoany atsinanana ary Afrika Avaratra, ka zava-dehibe ny manangana sehatra itambarana sy tetikasa hametrahana ny marina.”

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.