Jolay, 2013

Tantara tamin'ny Jolay, 2013

Mijoro Hiaro Ilay Hazo Oak 600 Taona i Serbia

  28 Jolay 2013

Niteraka fikorontanam-bahoaka ilay drafitr'asa fanafoanana ny saha maitson'i Gezi any Istambul herinandro vitsy lasa izay, efa niatrika ady mitovy amin'izany ny vahoaka Serba. Nisy tetikasa fanamboarana làlambe natao hamonoana ilay hazo oak (chêne) 600 taona tao afovoan'i Serbia, fa taorian'ny andro maro nanaovana hetsika fanoherana dia nilefitra ihany ny governemanta ka nanova ny làlan'ilay tetikasa fanorenana mba hamonjena ilay oak.