Maty Tao Anatin'Ilay Lozam-piarakodia ‘Mampiahiahy’ Ny Mpikambana iray Ao Amin'ny Parlemanta Any Zimbaboe

Maty tao anatin'ilay lozam-piarakodia, izay nantsoin'ny maro fa tranga iray mampiahiahy, ny mpikambana iray mpanao tsikera ao amin'ny Parlemanta avy ao Zimbaboe, izay nanao fanadihadiana ny fifandraisana misy eo amin'ny antokom-pitondràna sy ny Orinasa mpitrandraka diamondra any amin'ny firenena.

Edward Chindori-Chininga dia namoy ny ainy ny 19 Jona 2013, taorian'ilay lozam-piarakodia izay tsy nahafahan'ilay fiara nentiny nijanona intsony ka nidona taminà hazo. Chindori-Chininga, mpikambana tao amin'ny komitin'ny parlemanta misahana ny fitrandrahana sy ny angovo ary Ministra teo aloha, dia teo an-dalàm-panaraha-maso ilay voalaza fa halatra diamondra mitranga any an-toerana araky ny voalazan'ireo mpiara miasa aminy ao amin'ny Vondrona Nasionaly Afrikana Tarihan'i Robert Mugabe (Antokon'ny Tia tanindrazana).

Tamin'ny herinandro lasa iny, namoaka tatitra mampiseho amin'ny antsipiriany ny fandraisan'anjaran'ireo mpiasan'ny Orinasa ZANU PF sy ny mpiara-miasa aminy amin'ny tontolon'ny fitrandrahana diamondra amin'ilay raharaha i Chindori-Chininga.

Maro ireo mponina ao Zimbaboe no miahiahy ihany nohon'ny hamaroan'ireo lozam-piarakodia mampiahiahy nisy tao Zimbaboe ahitàna mpanao politika ambony. Nanomboka tamin'ny taona 1980, taona izay nahazoana ny fahaleovan-tena, dia efa maro ireo mpanao politika namoy ny ainy taminà lozam-piarakodia, namela fanontaniana maro tsy hay valina mikasika ireny lozam-piarakodia mampiahiahy ireny.

Alan Martin, Talem-pikarohana miaraka amin'ny Fiaraha-miasa amin'ny Afrika sy Kanada, Vondrona Iraisam-pirenena manara-maso ny Diamondra izay manana ny foibeny ao Kanada, dia nanamafy fa nilaza taminy i Chindori-Chininga fa “fantany fa olona kendrena izy”.

Izany no nandrisika ireo mponina ao Zimbaboe hisafidy ireo vohikalam-pampielezam-baovao sosialy hanehoana ny hatezerany sy ny ahiahiny amin'ilay tranga heverina fa vono olona ara-politika hafa indray eo amin'ny tantara mifamahofahon'ny Zanu PF.

Edward Chindori-Chininga's car after the accident. Photo source: Baba Jukwa Facebook page.

Ilay fiarakodia taorian'ilay loza nahazo an'i Edward Chindori-Chininga. Loharanon-tsary : Pejy Facebook-n'i Baba Jukwa .

Nandrakitra ny fiahiahian'ny mpamaky iray ilay mpanao gazety Lance Guma, raha nanoratra tamin'ny Facebook izy:

Raha NIALA NY ARABE ILAY FIARA ARY NIDONA TAMIN'NY HAZO, nankaiza ny  “airbag” ???? ary maninona ny pare-brise no tsy misy simba ???????????????????????”

Naneho ny heviny mikasika ilay lozam-piarakodia nahazo an'i Hon Edward Takaruza Chindori-Chininga ireo mpamaky ny pejy Facebook an'ny Radio Nehanda.

Baba Jukwa, Pejy Facebook malaza iray tsy fantatra anarana izay mahafantatra ny tetika politikan'ny Zanu PF, no voalohany nampitandrina fa misy mikasa hamono an'Itompokolahy Mpikambana tao amin'ny Parlemanta teo aloha. Nolazainy an-kolaka fa noheverin'ny ao amin'ny Zanu PF fa i Chindori-Chininga no tao ambadiky ny  Baba Jukwa. Taorian'ny nahafatesany, nanoratra Baba Jukwa hoe :

Nataon'ilay mafia “Mashonaland Central” tokoa ny zavatra nampitandremako herinandro vitsy lasa izay. Nilaza mivantana i Chindori Chininga fa hiditra ho mpikambana ao amin'ny antoko Vapanduki (mpihoko) izy raha toa ka tsy mitsahatra ny fandrahonana ataon'izy ireo aminy, ary mampanontany tena ahy koa ny tsy nihenoany ny teniko tamin'ny nampitandremako azy ny amin'ny loza manambana azy.

Doesntmatter Tongogara dia nino fa nokendaina izy:

Tsy mba loza tsy nahy iny nitranga iny, miray hevitra amin'i BJ [Baba Jukwa] mihitsy aho amin'ny filazany fa nokendaina izy ary nifatratra tany amin'i ilay hazo avy eo ilay fiara. Marary be ho an'i Edward Takaruza Chindori-Chininga hajaina ny foko. Niresaka taminy tao amin'ny facebook aho ary nampitandrina azy fa mety hahafaty azy io toerana maha Filoha mpanara-maso azy io raha manohy ny asany amim-pahamarinana izy. Mafia ny Zanupf, tsy tian'izy ireo ny ho voampanga na amin'inona na amin'inona, indrindra amin'ny resaka Diamondra. Mandria am-piadanana Edward Takaruza Chindori Chininga.

Nilaza ny ministra David Coltart (@DavidColtart) tao amin'ny Twitter :

@DavidColtart : Nalahelo aho nandre ny fahafatesan'i Edward Chindori Chininga anio hariva. Parlemantera mahery fo, ary nahafinaritra be ny famelabelarany mikasika ny kolikoly eo amin'ny sehatry ny fitrandrahana.

Nqaba Matshazi (@nqabamatshazi), mpanao gazety, dia nilaza :

@nqabamatshazi : Nisy filazana fa maty tanatinà lozam-piarakodia ilay mpikambana amin'ny parlemanta ao Zimbaboe, Edward Chindori Chininga. Andro vitsy monja taorian'ny namoahany tatitra iray mikasika ny goragora misy eo amin'ny vola miditra amin'ny fitrandrahana diamondra.

Noho izao taom-pifidianana izao ao Zimbaboe, nanamarika ny mpanao gazety Nqobile Bhebhe (@nqobilebhebhe) :

@nqobilebhebhe : Fotoana fahafatesan'ireo mpanao politika anaty lozam-piarakodia & ny sasany voasambotra noho ny fiampangana namboamboarina no diavintsika izao.

Sal Amanda (@Zimbird) dia nilaza :

@Zimbird : Nilaza i Chindori-Chininga tamin'ny fiandohan'ity volana ity fa efa fantany fa “olona kendrena” izy. Hmm Lozam-piarakodia 2 tao anatin'ny volana vitsivitsy nisesy, ilay faharoa tena nampalahelo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.