Raha Nipoahana Baomba i Kabul, Nanangana Birao Kosa Ny Taliban Tao Doha

Nampisahotaka ny Faritra Andrefan'ny tanànan'i Kabul, Afganistana ilay fipoahana baomba  ny 18 Jona teo, izay nahafatesàna olona telo farafahakeliny ary naharatràna olona mihoatran'ny roampolo. Izany dia nitranga taorian'ilay fikaonan-doha iraisam-pirenena (ISAF) izay nanaovan'ny miaramila famindram-pahefàna ofisialy tamin'ireo Hery fiarovana avy any amin'ny distrika Atsinanana sy Avaratra ambiny amin'ireo Hery fiarovana Nasionaly ao Afganistana. Raha mbola variana tamin'ilay vaovao mikasika ny fipoahana ny mponina Afgana, ny Talibana kosa nanokana ireo Ivon-toerana vaovao tao Qatar.

Araka ny tatitr'i Al Jazeera dia i Mohammed Mohaqiq, mpitondra fivavahana Afgana, politisiana ary mpikambana ao amin'ny “Filan-kevitra avo momba ny Fandriampahalemanano nokendrena tamin'iny fipoahana iny. Teo an-dalàna ho any amin'ny parlemanta ny fiarany tamin'ny fotoana nisian'ny fipoahana. Tsy nahavoa azy izany, fa kosa nanimba ny iray tamin'ireo fiarany ary nandratra mpiambina efatra fara-fahakeliny.

Taorian'ny fipoahana dia nanao fanambaràna tamin'ny mponina tao Afgana i Mohaqiq fa efa nahazo fandrahonana izy talohan'iny ary efa tsy tokony hivoaka ny faritra misy azy mihitsy, kanefa tsy maintsy nandeha tany amin'ny parlemanta noho ny raharaha maika tao amin'ny governemanta. Vetivety dia niparitaka tao amin'ireo fampielezam-baovao sosialy samihafa izany vaovao izany, ary nisarika fanehoan-kevitra maro avy amin'ireo mponina tao Afgana. Mosharraf Zaidi (@mosharrafzaidi) dia nandefa Bitsika :

Ustaaz Mohaqiq izay iray amin'ireo mpitarika tsara fanahy indrindra, sy malefaka fantatro. Ho ela velona & hitombo fahasalama anie izy. Tsy handresy na oviana na oviana ireo fahavalon'i Afganistana.

Pakistana koa dia isan'ny nanameloka iny fipoahana iny. Ny mpitondra tenin'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny (@PakSpokesperson) dia nandefa bitsika toy izao :

Helohin’ i Pakistana tanteraka ny fampihorohoroana natao tamin'i Haji Mohammad Mohaqiq

Nanamarika andro iray lehibe teo amin'ny tantaran'i Afgana ny 18 Jona 2013, ankoatra ny famindram-pahefàn'ny Hery fiarovana Iraisam-pirenena tamin'ny hery Nasionaly, dia teo koa ny fanokafana Birao iray tao Doha, ao Qatar, izay niresahan'ireo solontenan'ny governemanta Taliban sy governemanta ao Qatar tamin'ireo mpanao gazety.

Screen shot 2013-06-20 at 12.11.29 AM

Takelaka nanamarika ny fisokafan'ilay Biraon'ny  Emirat Silamon'Afganistana izay nanaingo ny rindrin'ny foibe Doha tao Taliban. (Sary avy amin'ilay fanadihadiana nataon'i Al Jazeera)

Lina Rozbih-Haidari, mpanolotra vaovao Ashna ao ami'ny fahitalavitra “Voice of America Ashna”, dia nampakatra ny sarin'ireo solontenan'i Taliban tany amin'ny lanonana fanokafana ny biraon'izy ireo tao Doha tao amin'ny pejy facebook, izay nanehoan'ireo mponina an-jatony ao Afgana ny fahatezerany, nanameloka ny fanekena ny Taliban tamin'ny alalan'iny fanokafana birao. Lila Ali dia nanoratra hoe  [fa] :

چه دنیایی بی انصافی! برای آدمکش ها اینقدر قدر داده می شود

Tena tsy rariny mihitsy izao Tontolo misy izao! Hajaina be toy ireny inona ireny ny mpamono olona.

Amir Emal dia nanambara hoe [fa] :

افراد که از طالبان پیشتیبانی میکنند یکبار تصاویر از مرگ افغان های بیچاره که در این حملات طالبان ازبین رفتن سر خم کرده و عدالت کنید و ببینید که ایا قتل اولاد وطن و قتل غریب و بیچاره وطن قابل قبول است ؟ ایا قابل انسانیت است ؟ ایا جذ اساسات اسلامی است؟؟ ایا وقتیکه از گروه طالبان پیشتیبانی میکنی ایا از دین خبر داری ؟ ایا به وطن و مردم خود محبت داری ؟ خون در رگهایت جریان دارد ؟ خود را انسان میدانی ؟ اگر جواب منطقی داری خوب پس مهربانی

Ireo manohana ny Taliban dia tokony hijery ilay sary ahitàna ireo maty tamin'ny fanafihan'ny Taliban ary hanapa-kevitra hoe hanaiky sa tsia ireny famonoana ny mpiray tanindrazana mahantra sady tsy manan-tsiny ireny. Fanajàna ny zon'olombelona ve izany ? Araka ny foto-pisainan'i Silamo ve ? Rehefa manohana an'i Talibana ianareo, ao an-tsainareo ve ny antokom-pivavahanareo ? Inona ny rà mikoriana anatinareo ? Moa ve Silamo ianareo ? Mba hazavao aminay, raha manana fanazavana lojika ny amin'izany ianareo.

Matahotra ny amin'ny hoavin'i Afganistana,  i Abd Bassir ZoMar dia nanindry ny hoe [fa] :

 خانم روزبه من از نگرانی که افکارت را مشغول ساخته آگاهم… بعد از ایجاد دفتر آنها بیشتر قدرت سیاسی بدست آوردند و همچنان فرصتی خوبی را برای بدست آوردن کمک مالی از کشور های عربی بدست آوردند… افغانستان حالا دو دولت دارد…(جمهوری اسلامی افغانستان) و (امارات اسلام)… یک نمونه از کذشته !!! بسیار جای تاسف است و باز هم مردم این رهبران مصلحت گراه را نشناختند که خون صدها هزار انسان را ریختانده اند و امروز نیز همه با این کار سکوت اختیار کردند

Ramatoa Rozbih, azoko ny zavatra mampiahiahy ny sainao. Taorian'ny nametrahan'izy ireo ny biraony, dia nahazo hery misimisy kokoa ny politikany ary mety hahazo tombony amin'ny fahazoany fanampiana ara-bola avy amin'ny Firenena Arabo. Manana governemanta roa ankehitriny ny Afganistana : Ny Repoblika Silamo ao Afganistana ary ny “Emirat” Silamo ao Afganistana….. mariky ny lasa. Mampalahelo ny tsy haneken'ny olona fa nisy ràn'olona an-jatony nandrika noho i Taliban. Anio indray, dia mbola mangina ny olona…

Fanehoan-kevitra feno fahatezerana iray avy amin'i Zakir SakhiZada no mivaky toy izao  [fa] :

اينرا نبايد دفترگفت بلكه باغ وحش گفت قطر دريك اقدام بي سابقه براي خدمت به افغانستان تعدادي از حيوانات وحشي را ازافغانستان جمع نموده ويك باغوحش براي بازديد جهانيان ازين حيوانات كمياب افتتاح نموده

Tsy tokony antsoina hoe ‘Birao’ io, fa ‘Valan-javaboahary’. Nanao asa lehibe tao Afganistana i Qatar tamin'ny fanokafana Valan-javaboahary izay mampivondrona biby tsy fahita firy mba haseho izao tontolo izao.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ilay tetikasan'ireo Mpiofana GV avy ao Azia Afovoany ao amin'ny Oniversiten'i Etazonia mikasika ny Azia Afovoany ao Bishkek, Kyrgyzstan.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.