Nametra-pialàna Ilay Biby Famantarana Ny Halemem-panahy Any Singapore

Singa, ilay liona maha-te ho tia any Singapore ary avy eo biby famantarana ny fahasoavana nanomboka tamin'ny 1982, dia nametra-pialàna. Raha nitaraina noho ny “fiaraha-monina miharatsy sy mahasosotra” izy, nahatsapa ny liona fa fotoana tokony hitsaharana izao. Raha ny fantatra dia nanao taratasy fametraham-pialana tamin'ny Hetsi-Pahasoavana ao Singapore mihitsy i Singa, ary niparitaka tamin'ny aterineto izany:

Mino aho fa fotoanany izao. Efa 30 taona mahery izao no nanaovako ireny rehetra ireny – voalohany indrindra, amin'ny maha-liona maha-te ho tia, ary vao haingana kely, amin'ny maha-famantarana ny fahasoavana. Efa reraky ny miatrika fiaraha-monina miha-ratsy sy mahasosotra aho.

Singa, the former kindness mascot of Singapore

Singa, ilay biby famantarana ny fahasoavana tany Singapore teo aloha

Mahagaga fa nilaza zavatra momba ny fanehoan-kevitra masiaka tsy mitonona anarana tao amin'ny aterineto i Singa:

Teny farany alohan'ny handehanako. Aleo isika ho tompon'andraikitra amin'ny fihetsika ataontsika. Afaka misehatra amin'ny aterineto isika ary miteny ratsy ny hafa, saingy aleo tsy hieritreritra hoe “tsy misy dikany” izany satria tsy misy anarana io. Afaka havelantsika ny hatezerantsika sy ny fankahalantsika hamolavola ny karazan'olona sy fiaraha-monina tiantsika, na afaka manapa-kevitra ny ho maha-te ho tia koa isika, na dia sosotra aza.

Ireo fihetsika any Singapore dia miovaova, ny andaniny mikasika ny fanaovana dokambarotra, ny ankilany midera izany ho fanentanana tsara voatra. Ny sasany nitsikera izany ho toy ny fandefasana hafatra amin'ireo ankizikely hoe làlana tsara ny fisintahana rehefa sendra ny sarotra.

Misaotra an'i Singa i Mervyn Sek tamin'ireo telopolo taona nolaniany tamin'ny asa:

Misaotra Singa, tamin'ireo 30 taona lany tamin'ny fanompoana. Mety ho afaka nanome fitiavana sy hatsaram-panahy bebe kokoa izahay, saingy indrisy fa noraisinay ho toy ny fanomezana maimaimpoana ianao sy ny asa vitanao nandritra ireo taona maro ireo. Tena sahirana aho mieritreritra fa ny fandehananao dia mety miteraka fahabangana goavana eo amin'ny fiaraha-moninay, ka ho sarotra ho an'ny tsirairay ny hameno azy.

Mae dia manaiky ny hanalàna ilay biby famantarana:

Sao dia fanaovana dokambarotra mba hiverenenan'i Singa ary io? Tsia, tsy ilaintsika ho biby famantaram-pahasoavana i Singa. Fotoana izao tokony hijanonany ary koa hahatsiarovana azy am-pitiavana ho toy ny fitaovan'ireo taona 80. Aza miverina aminay tahaka ny liona “naverina ateraka”/”niova marika”/”niova bika”

Namaly tamin'ny fanoratana esoeso tao anaty taratasy fametraham-pialàna ny Heart Truths (Fahamarinan'ny Fo):

Hitanareo, mila maka aina maharitra aho, indrindra indrindra lavitry ny governemanta. Fantatrareo ve inona no atao hoe “endrika tsotra”? Hosoka izany, hosoka! Izany hoe, hosoka aho. Hitanareo, nandritra ny 30 taona no nanaovako izany. Eny ivelany, toy ny biby famantaranareo ny fahasoavana aho. Nefa ny marina, “napetraka fotsiny aho ho toy ny mpitondra vintana” ho an'ny “fikambanana manokana iray” – PAP (antokom-pitondràn'i Singapore nanomboka  tamin'ny taona 1950). Nanantena izy ireo fa raha nandehandeha teny foana aho ary nahatsara fanahy anareo, na mety hoe nahatsara fanahy azy taminareo, na koa manao anareo ho tsara fanahy aminy, dia hahatsapa ianareo fa ho foana avokoa ireo olana izay noforoniny.

Mino ny Blogfather fa nahomby ny hafatra tao amin'ilay fametraham-pialàna:

Teo ampialana, nanamarina ny faharetan'ny hafany i Singa, tamin'ny filaharany tamintsika. Ary rehefa lasa iray amintsika izy, dia nanjary isika ilay fiaraha-monina miharatsy sy mahasosotra lazainy, satria tampoka teo dia nisintaka taminy isika. Kay, mbola fanina aho amin'ny fifanoheran'ny zava-misy.

Eat.Pray.Live.Debate dia naneho hevitra mikasika ny hevitr'i Singa momba ireo tsikera tsy misy anarana:

Ny soso-kevitro dia, isika tsy maintsy, araka izay azo atao, mampitsahatra ny tsy fanononana anarana amin'ny aterineto, indrindra ho an'ny sehatra fitafàna malalaka izay itoeran'ny adi-hevitra. Tsy maintsy mandray andraikitra ny vahoaka mikasika izay lazainy. Ny tsy fanononana anarana dia ahafahan'ny olona milaza izay tiany, tsy misy fandinihana akory.

Nanakana ny mpamaky mba tsy ho voafitaky ny dokam-barotra mitondra “hatsaram-panahy” amin'ny tontolon'ny aterineto i Ravi Philemon:

… Aza manaraka an'io. Karazana dokam-barotra hitondrana fanangolena amin'ny media sosialy fotsiny io. Halako ny hoe na i Singa aza dia tsy maintsy nampiasa ny fahadisoam-panantenana mba hitondrana “halemem-panahy” amin'ny tontolon'ny aterineto.

Ao amin'ny twitter, manitrikitrika i @MiraculousFight fa tsy niala tamin'ny andraikiny i Singa:

@MiraculousFight @tpvote Maro ny zavatra mety hahatonga ny olona tsy haneho hatsaram-panahy, tsy voatery midika akory izany fa tsy nahomby i Singa

Mba hanaporofoana fa i Singapore dia firenen'ny hatsaram-panahy, nisy ny Andron'ny Halemem-panahy ny 31 May. Mandrisika ny tenifototra #kindnessdaysg ireo mpikarakara.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.