Pavel Durov, Tsy Hiditra Am-Ponja Ny Mpamorona Ny Tambajotra Sosialy #1 Any Rosia (Hatreto Aloha)

Toa tahàka ny afaka miverina any Rosia tsy misy didy famonjàna mandindondindona azy i Pavel Durov. Tahàka ny marina aloha izany hatramin'izao, raha nanakatona ny fanadihadina [ru] ireo mpitsongodia ao St. Petersburg mikasika ny filazàna ho nahatafidiran'i Durov tamin'ny lozam-pifamoivoizana tamin'ny 5 Aprily izay naharatràna polisy iray, ratra madinika. Na dia efa hita tamin'ny farany aza hoe i Durov mihitsy no nitondra ilay fiara, dia milaza indray ny mpanao fanadihadiana amin'izao fotoana izao fa tsy vitan'izy ireo ny mahita porofo hoe sain-dratsy tao an-tsainy no nentiny nanao ilay loza. Arak'izany, nahenan’ [ru] izy ireo ny heloka famonoan'olona ho lasa hadisoana teo am-pamiliana, ary nalefan'izy ireo tany amin'ny sampan'ny polisy eo an-toerana ny raharaha mba handraisana fanapahan-kevitra mikasika ny famaizana sahaza ho amin'izany.

Pavel Durov, screenshot from YouTube clip, 20 February 2013.

Pavel Durov, saripika avy amin'ny rakitsary YouTube, 20 Febroary 2013.

Nipetraka tany ivelan'i Rosia i Durov—”Zuckerberg-n’ i Rosia” sy mpamorona ny tambajotra sosialy Vkontakte malaza indrindra ao amin'ny firenena — hatramin'ny lozam-piarakodia, izay heverina hoe hisorohana ny fiantsoan'ny mpanao fanadihadiana azy ho tonga any amin'izy ireo hametrahana fanontaniana. Mahagaga anefa (araka ny hita tamin'ny vaovao androany) fa vao roa andro lasa izay ny polisy no nanitatra ho volana iray manontolo [ru] ny fanadihadiana ataon'izy mikasika ilay tranganà loza fandonana sy fandosirana, vokatry ny fahataperan'ny fotoana noho ny tsy fisian'ny vesatra fanamelohana. Lasa niroso kokoa ny polisy ary namekatra ny toeran'i Durov ho olo-meloka na dia nataon'izy ireo hoe vavolombelona fotsiny aza izy talohan'ny androany, na dia teo aza ny fampihenàna goavana ny heloka avy amin'ny “fampiasan-kery hanoherana ny solontenan'ny fanjakana” ho lasa “fandikan-dalana fandàvana ny tenin'ny mpahay lalàna.”

Inona no nahatonga an'ity fiovàn-kevitra tampoka hita tamin'ny toetran'ny mpanao fanadihadiana ity? Mety nisy olona avy ao amin'ny governemanta ve niditra ka “nampody ny alikany”? Sa kosa i Durov nifanaraka tany an-tsisiny, ary mety midika ve ity niafaran'ny heloka misy azy ity fa nisy fifanarahana mety nataony tamin'ny manam-pahefana tao Kremlin, izay naneho hetsika firotorotoana mitombo [ru] tamin'ny fanaovana fanaraha-maso tamin'ny Vkontakte nony taty aoriana? Mety hoe miezaka ny tsy hiditra amin'ny lesoka politika misy eo amin'ny laza iraisam-pirenen'i Rosia i Mosko, taorian'ny fifindra-monina any Frantsa nataon'i Sergey Guriev, ilay mpahay ara-toekarena malaza?

Nitazona ny maha-tsy voarohirohy azy tamin'ilay loza ny 5 Aprily i Durov sy ny mpitondra teniny. Tamin'ny faramparan'ny Aprily, nandefa tantara ny tambajotrm-pahitalavitra Dozhd fa tena nifindra monina tanteraka any Etazonia izy mba hanomboka tambajotra vaovao, ho valin'ny fividianan'ny United Capital Partners ny 48%-n'ny Vkontakte. Nanda ny honohono [ru] i Durov ary nanamafy fa tsy nandeha niondrana izany.

Satria moa izany efa afaka ny fampitahorana mikasika ny mety ho famonjàna, dia anjaran'i Durov izany izao no miverina ary manaporofo fa tsy niala tanteraka tao Rosia izy. Rehefa miverina izy, na izany aza, iza no hilaza fa tsy ho atao lasibatra indray izy?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.