Kolombia: Mianatra Amin'ny Vallenato

Ao amin'ireo mpiserasera Twitter Kolombiana, misongadina ny famoahana fehezanteny avy amin'ny hiran'ny Vallenato -hita amin'ny alalan'ny teny ifankafantarana #Elvallenatomeenseñó [es] (nampianatra ahy ny Vallenato)- ka avoitra avy amin'izany ny tononkira tsy lefin'ny fotoana intsony ao amin'ny hira ahitana taratra ny leson'ny fiainana.

Raha eo amin'ny sehatry ny karazan-kira ny Vallenato dia faritan'ny ao amin'ny Wikipedia ho “hiram-bahoaka avy any amin'ny Morontsiraka Kolombiana Mifanolotra amin'i Karaiba […]. Ara-pomban-drazana dia telo ny zavamaneno ihirana azy: ny angorodao, ny Guacharaca ary ny amponga Caja Vallenata. Manana ngadom-peo dimy samihafa ny Vallenato dia ireto avy izany: ny paseo, ny merengue, ny puya, ny son ary ny tambora. Ny Vallenato ihany koa dia lalaovina amin'ny Gitara sy amin'ny zavamaneno tahaka ny Cumbia any amin'ireo cumbiambas [mpitendry cumbiambas] sy amin'ireo tarika milalao miaraka amin'ny millo”.

Mandrafitra ny fototry ny kolontsaina kolombiana ny Vallenato ary azo lazaina fa tena manavaka indrindra ny tantaran'ny firenena.

Namoaka i Alexandra Osorio (@alexaaOsorioo) [es] :

@alexaaOsorioo: #ElVallenatoMeEnseño que si me llego a morir, no la culpen a ella culpen a mi corazón que se enamoro sin conocerla ♪

@alexaaOsorioo: #ElVallenatoMeEnseño (nampianatra ahy ny Vallenato) Fa rehefa maty aho, aza tsiniana izy, tsinio ny foko izay nitia nefa tsy nahalala azy. ♪

Indro koa i Margy Salgado (‏@Mar_FisioUMB) [es] miditra mandray anjara amin'ny hira Vallenato “Parranda, Ron y Mujer” (Lanonana, Toaka ary Vehivavy):

‏@Mar_FisioUMB: #ElVallenatoMeEnseñó yo gozo mi vida y otro que la sufra, porque con lamentos no se gana NADA (Diomedez Diaz)

‏@Mar_FisioUMB: #ElVallenatoMeEnseñó (nampianatra ahy ny Vallenato) Mianoka ny fiainako aho ary mijaly ny hafa, satria raha mitaraindraina ianao tsy mahazo na inona na inona (Diomedez Diaz)

Amin'i Gabriela Nava (@gabyNava12) [es] kosa dia ifikirany fa sarotra ny tsy hitia Vallenato:

Cómo no quererte mi vallenato del alma

“Sarotra tanteraka ny tsy hitia anao ry Vallenato-n'ny fanahiko. Mamadika ny fahoriako ho fifaliana ianao”. Sary zarain'i @gabyNava12 ao amin'ny Twitter.

Ny mpisera ‘David no existe’ (Tsy misy i Davida) (@Tuunicoacosador) [es] mahatsiarova fa iray amin'ny manavaka ireo Vallenatos eo amin'ny tantaran'ity karazana ity ny “Obsesión” (Fahajembena) avy amin'ny vondrona El Binomio de América (Anaran-droan'i Amerika).

@Tuunicoacosador: #ElVallenatoMeEnseño que quisiera que el mundo girara al revés, para hacerme pequeño y volver a nacer, y así no tener que extrañarteee.

@Tuunicoacosador: #ElVallenatoMeEnseño (nampianatra ahy ny Vallenato) fa tiako izao tontolo izao hivadi-piodinana, mba hahatonga ahy ho kely ka ho teraka indray, ary amin'izay tsy ho banga (=diso) anaoooo.

Valentina Montoya (@Valenmontoyaa) [es], mihira ny “La indiferencia” (Tsy firaharahiana):

@Valenmontoyaa#ElVallenatoMeEnseño que esa indiferencia tuya es la que me domina, me hace perder la calma, me hace sentir cosquillas.

@Valenmontoyaa#ElVallenatoMeEnseño (nampianatra ahy ny Vallenato) fa manara-maso ahy ny tsy firaharahianao, mahatonga ahy tsy ho tafatombina, manome ahy lolo.

Miteny koa i Silvestre Dangond (@Dangond_Ochoa) [es]:

@Dangond_Ochoa: #ElVallenatoMeEnseño que no es la plata es el corazón …

@Dangond_Ochoa: #ElVallenatoMeEnseño (nampianatra ahy ny Vallenato) fa tsy resaka vola ity fa resaka fo…

Farany i Dana (@unaejtupida) [es] manonona mpihira tanora sy mpamoron-kira malaza.

@unaejtupida: Silvestre me enseño, Kaleth me enseño, Martín Elías me enseño………………..mejor .

@unaejtupida: nampianatra ahy i Silvestre, nampianatra ahy i Kaleth, nampianatra ahy i Martín Elías………………..tsara indrindra (nampianatra ahy ny Vallenato).

Maro kokoa momba ny Vallenato

Ireto bilaogy manaraka ireto dia natokana ho amin'ny Vallenato:

Azonao tsidihana ihany koa ny lahatsoratra efa navoakan'ny Global Voices mifandraika amin'ny fetiben'ity Vallenato manantantara ankalazaina isan-taona ao Kolombia ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.