Ny Fomba Fampiasàn'Ireo Mpitarika Ao Azia Atsimo Atsinana Ny Twitter

Sambany niditra ho mpikambana tao amin'ny Twitter ny Filohan'i Indonezia Susilo Bambang Yudhoyono na i SBY ny 13 Aprily lasa teo kanefa izy izao no malaza indrindra amin'ireo mpitondra any Atsimo Atsinanan'i Azia, raha resaka fanarahana ny Twitter. Hatramin'ny fotoana nanoratana an'ity lahatsoratra ity, dia efa 2.4 tapitrisa ireo mpanaraka azy ao. Etsy ankilany, ilay Praministra Maleziana Najib Razak, izay efa mpampiasa Twitter hatramin'ny taona 2008, dia mbola mitana ny lazany be ihany any amin'ny fireneny, 1.6 tapitrisa ireo mpanaraka azy. Ny filoha Filipiana Noynoy Aquino koa dia tena mahafatra-po ao amin'ny Twitter ary mahatratra 1.5 tapitrisa ny mpanaraka azy ao.

I @SBYudhoyono avy ao Indonesia dia niditra ho mpikambana tao amin'ny tontolon'ny Twitter tamin'ny fampakarana ireto voanteny 140 ireto :

@SBYudhoyono: Halo Indonesia. Saya bergabung ke dunia twitter untuk ikut berbagi sapa, pandangan dan inspirasi. Salam kenal. *SBY*

@SBYudhoyono: manahoana, ry vahoakan'i Indonezia. Niditra ato amin'ny Twitter aho hifanakalo vaovao, fomba fijery ary fientanam-po. Faly mihaona aminareo.

sbyNandefa bitsika ny amin'ny votoatin'ny lahateniny tao amin'ny Oniversite momba ny Teknolojia ao Nanyang ao Singapore koa izy mikasika ny zava-bita sy ny lahara-pahamehan'ny fitondrana tantanany.

@SBYudhoyono: 15. Tsy manavao ihany izahay fa manova ihany koa– “reformasi” to “transformasi”.

@SBYudhoyono: 16. Ankehitriny isika efa toekarena mahatratra an-davitrisa, toekarena lehibe indrindra sy kilasiana ho salantsalany aty aminny faritra Azia Atsimo Atsinanana; nisy fisondrotana 6.3%, faharoa manaraka an'i Shina.

Mbola nanome soso-kevitra ho an'ireo ny firenena nandalo ny  “Lohataona Arabo” ihany koa izy :

@SBYudhoyono: 31. Tsy sarotra amin'ny Silamo ao Indonezia ny miaina ny demokrasia sy ny fivoarana. Angamba hanome lesona manan-danja ho an'ny firenena nandalo ny  “Lohataona Arabo” io.

Enricko Lukman dia miarahaba ny fidiràn'ny SBY tao amin'ny Twitter :

Mahafinaritra ny mahita fa miha-mampiasa bebe kokoa ny teknilojia ireo olona ambony. Mampifandray kokoa azy ireo amin'ny mponina izany ary afaka andefasany vaovao lehibe sy hafatra amin'ny fotoana izay itrangàny. Mino aho fa hanaraka izany fironana izany ny mpitondra Indoneziana hifandimby eo – hiaino sy hiresaka amin'ireo mpisera anaty aterineto.

Tsy vao i SBY irery ihany no Indoneziana politisiana nanokatra kaonty Twitter ka nanosika ani Akhlis hanontany izay antony nanaovan'i SBY izany :

Tsy hitako izay ho lazaina, fa tena tsy toetrany mihitsy izany.

Ka ny tena mampanontany tena ahy dia izao :nahoana no amin'izao fotoana izao ? Tsy tara loatra ve ny faharisihana amin'ny fidiràna amin'ny filazam-baovao sosialy ? Na dia hoe noho ny antony ara-politika aza, efa tavela lavitra any aoriana. Maro ireo politisiana no efa nanomboka nanao izany talohan'ny taona 2013.

Noho izany, tsy afaka ny hodian'ireo politisiana avy ao Indonezia tsy hita ny filazam-baovao sosialy satria ao no manovo vaovao ny ankamaroan'ny Indoneziana. Ary koa, i Indonezia dia isan'ireo mpanjifa lehibe indrindra ny Facebook sy Twitter manerantany.  Manazava misimisy kokoa i Wayne Palmer :

Fanombohan-javatra somary vaovao ho an'i Indonezia ny fampiasàna ny filazam-baovao sosialy hanangonana ny hevitry ny vahoaka. Maro mihitsy aza ireo Politisiana no niaiky ny fahafahan'izy io mampiely vaovao sy manefy ny fijerin'ny vahoaka.

Manasarotra ny raharahan'ireo sangany ara-politika ao Indonezia ny hamoràn'ny fahafahana maneho hevitra malalaka ao amin'ny filazam-baovao sosialy, izay ny ankamaroany, ankoatry ny zavatra hafa, dia malaza ratsy  amin'ny fomba fiatrehany ny fitarainan'ny monina – manomboka any amin'ny fiarovan-tena ka hatrany tosi-bohon-tanana. Na dia izany aza anefa, amin'ireo tombotsoa sy fandrika entin'ny filazam-baovao sosialy, dia nisy ihany ny fitsipi-dalao novàny teo amin'ny sehatra ara-politika Indoneziana ho an'ireo izay mitodika any amin'ny fahefana ny masony.

Kanefa na dia teo aza ny maha-be mpanjohy azy, tokony hianatra hifandray amin'ireo mpifidy azy ihany i SBY ao amin'ny Twitter. Araky ny voalazan'ireo manam-pahaizana manokana amin'ny serasera, dia zara raha mamaly ireo mpanaraka azy ao amin'ny Twitter i SBY.

najibRaha toa i SBY ka mila torohevitra ny amin'ny fomba fampiasàna mahomby ny Twitter eo amin'ny lafiny politika, dia afaka maka lesona amin'ilay Maleziana @NajibRazak izy. Toa an'i SBY, niompana tamin'ny fanambarana ho an'ny vahoaka avy ao amin'ny biraony ihany ny bitsika voalohany  nalefan'i Najib, kanefa tamin'ny taona 2011 izy dia nanomboka nifandray tamin'ireo mpanara-dia azy. Nampiasainy mihitsy aza ny Twitter hanasàny ireo mpanara-dia azy hanaraka ny fandefasana mivantana ny baolina kitran'ny tarika ankafiziny indrindra. Nikarakara hatraminà fihaonana maro ihany koa izy. Ary rehefa nanao fampisehoana tao Malezia i Psy ilay mpihira Koreana malaza an'ilay hira hoe ‘Gangnam Style’, dia nanazava tao amin'ny Twitter izy hoe tsy misy volam-panjakana nampiasaina mihitsy tamin'ny fampisehoana.

@NajibRazak : Ho fanamafisana, tsy nisy volam-panjakana nampiasaina tamin'ilay fampisehoana nataon'i Psy iny. Ary tsy nokaramaina tamin'ny fijerena izany ihany koa nu olona.

Nofaritan'i Najib ho ‘fifidianana voalohany ho an'ny filazam-baovao sosialy ihany koa ilay  Fifidianana Solombavambahoaka” tamin'ny volana lasa teo tao Malezia, izay fomba iray nahalalàny ny maha zava-dehibe ny Aterineto amin'ny fanefena ny fomba fijerin'ny mpifidy. Nibata ny fandresena indray ny antokon'i Najib na dia teo aza ny filàzana fa nisy ny hala-bato. Nahitàna ireto manaraka ireto ny bitsika nalefan'i Najib vao haingana :

@NajibRazak : Vao henoko fa niditra hopitaly ao Afrika Atsimo i Nelson Mandela. Azoko antoko fa miray hevitra amiko daholo ny Maleziana hirary azy ho salama haingana.

@NajibRazak : Hanao fanadihadiana mikasika ilay loza nahatsiravina teo amin'ny tetezan'i Penang ny manampahefana. Andeha hifantoka amin'ny asa famonjena sy hivavaka ho an'ireo tra-doza & ny fianakaviany.

@NajibRazak : Ny fandrosoana miaraka no fanalahidin'ny  fifandirana momba ny Ranomasina ao Atsimon'i Shina. Ny fifampizaràna ny firoboroboana fa tsy ny fampiasàna izany ho zava-mampisaraka antsika no vahaolnana tsaratsara kokoa.

@NajibRazak : Raha toa ianao ka manana hevitra na tolo-kevitra amin'ny tetibola 2014, mandefasa mailaka any amin'ny Ministeran'ny Vola. Ny tanjona dia ny hanainga ny Maleziana rehetra hanampy amin'ny fanangànana firenena vanona (#BetterNation)

@NajibRazak : Ao anatin'ny fanahin'ny firaisankina, dia nambarako nandritra ny faran'ny herinandro fa hisy komity parlemantera iraisanà antoko roa samy hafa hanara-maso Vaomieram-Pifidianana

Mazava be i Najib izao no mitarika amin'ireo mpampiasa Twitter ao Malezia  kanefa nisy ireo tatitra nilaza fa efa ho ny antsasaky ny olona tarihany no  mampiasa kaonty Twitter tsy tena izy avokoa .

pnoyToa an'i Najib, Ilay Filipiana @noynoyaquino koa dia nampiasa be tokoa ny filazam-baovao sosialy mba handresena tamin'ny fifidianana. Ny fidiran'i Aquino tanaty aterineto dia nanampy be azy tokoa handresy tamin'ilay fifidianana Filoham-pirenena ny taona 2010. Taorian'ny fifidianana, dia mbola nitazona ny faharisihany tao amin'ny filazam-baovao sosialy ihany izy. Ankehitriny, manana kaonty Twitter sy Facebook maro izy izay iandraiketan'ny mpikambana telo avy ao amin'ny kabinetrany. Efa nisy mihitsy aza resaka nandeha tamin'ilay famalian'Ingahy Aquino mivantana ilay fanakianana tao amin'ny Facebook izay nampiseho fa asehon'ny ekipan'ny filoha fa mampiasa tsara ny tambajotra sosialy izy ireo hanatsaràna ny fijerin'ny olona ny governemanta.

Kanefa tsy ny mpitondra rehetra ao Azia Atsimo Atsinanana no nahomby tamin'ny fampiasàna ny Twitter. Ilay Praiministra Yingluck Shinawatra avy ao Thailand na i @PouYingluck izao dia voatery nanafoana ny kaonty Twitter-ny ny taona 2011 taorian'ny nampiasàn'ny mpijirika azy io. Afaka ny nampakatra ity hafatra manaraka ity ilay mpijirika :

Tsy vitanao na ny miaro ny kaonty Twitter-nao aza. Ahoana no fomba hiarovanao ny firenena ? Eritrereto izany ry rahalahy sy anabaviko isany..

Fotoana ve izao mba hiovàn'ny firenentsika ho amin'ny tsara tsara kokoa fa tsy hoe haneho sary miaro ny fandraharàna, ny tombotsoa maro sy ny fianakaviana?

Amin'ny ankapobeny izany, ny Twitter sy ny filazam-baovao sosialy hafa dia tena nanampy betsaka tokoa ireo mpitondra ao Azia Atsimo Atsinanana izay nilà ny firesahana mivantana tamin'ny vahoakany. Afaka nanatsara ny fijerin'ny olona azy ireo ho toy ny mpitondra mandàla sy miaina amin'ny teknolojia izay mety hahasarika ny vahoaka tanora ny filazam-baovao sosialy.

Ny fitomboan'ny finday misy aterineto any amin'ny faritra sy maneran-tany koa dia midika ny fitomboan'ny fifandraisan'ny governemanta sy ny mpitondra amin'ny mponina amin'ny alalan'ny finday sy ny tablety. Mety hanaitra ireo mpandàa ny nentim-paharazana sy ireo politisiana antitra  ‘hiresaka’ amin'ireo mpanara-dia azy ary hamaly ny hafatr'izy ireo aminny alàlan'ireo fitaovana virtoaly izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.