#BarHeaven Sy Ny Olana Mikasika Ireo Olona Tsy Hita Popoka Tao Meksiko

Miezaka ny mikaroka amin'ny fomba rehetra ny havany ny fianakavian'ireo olona 11 tsy hita popoka ta Meksiko, tsy ampy taona ny sasany, izay nanjavona tao amin'ny trano fisotroana iray antsoina hoe Heaven ny andron'ny 26 May 2013. Mifanandrify indrindra amin'ny nananganana ny overnemanta ‘task-force’ iray hitadiavana ireo olona 26.000 nanjavona tao Meksiko ireo fanjavonana ireo.

Tsy latsaky ny 11 ireo olona tsy hita popoka tao Meksiko ny andron'ny 26 May 2013 ; araky ny voalazan'ny vavolombelona iray tsy nanao sonia ny fanambarana ny zavatra hitany ary tsy mbola vitan'ny manam-pahefana mihitsy ny nifandray taminy, 11 ireo olona no nisy naka an-keriny tao natin'ilay trano fisotroana. Trano fisotroana any Zona Rosa eo akaiky eo, toerana iray fantatra amin'ny fanekeny ny vondrom-piarahamonin'ireo LGBT sy ireo soban-kolontsaina toy ny  urban tribes, miasa eo ambanin'ny anarana hoe “Bicentenario” (Bicentenaire) ihany koa io trano fisotroana io.

Araky ny voalazan'ilay gazety mpiseho isan'andro La Jornada [es] dia efa nosazian'ny lalàna io trano fisotroana “Heaven” io hatramin'ny taona 2011 :

El 11 de septiembre de 2011 el Instituto de Verificación Administrativa del Distrito Federal (InveaDF) suspendió actividades en el bar Heaven que operaba como after ya que se encontraron en el interior al menos 30 personas, entre ellos varios menores de edad, por lo que se le pidió colaboración a la Procuraduría capitalina, quien inició una investigación en el lugar por corrupción de menores.

Aquel día integrantes de la policía de investigación detuvieron por lo menos a cinco personas que se identificaron como empleados del establecimiento.

Desde entonces, en la verificación se determinó que el lugar no contaba con las medidas de Protección Civil necesarias para ofrecer servicios como establecimiento mercantil y ni algún tipo de permiso.

Asimismo, en el lugar se encontró a Ernesto Espinoza Lobo, quien se ostentó como dueño del establecimiento. Hoy este sujeto se encuentra prófugo de la justicia, tras los hechos suscitados el domingo 26 de mayo, cuando al menos 11 jóvenes desaparecieron de dicho antro.

Ny 11 Septambra 2011, no nampiato ny asan'io trano fisotroana “Heaven” io ny Vondrona Mpanara-maso ny fanarahan-dalàna tao Meksiko (InveaDF) izay mbola niasa ihany taorian'izay (mivoha aorian'ny ora fiasàna) dia nahitàna olona tsy latsaky ny 30 tao anatiny, tao anatin'izany ireo zaza tsy ampy taona. Nampanantsoina ny tao amin'ny Biraon'ny Fampanoavana  tao an-tanàna mba handray ny andraikiny, ary dia nanomboka ny fanadihadiana mikasika ny voalaza fa kolikoly atao amin'ireo zaza tsy ampy taona hita tao an-toerana.

Nisambotra olona dimy farafahakeliny ny polisy tamin'io andro io, olona izay fantatra fa mpiasa ao amin'io trano fisotroana io ihany.

Nanomboka teo, ilay fanamarinana no nahitàna fa tsy misy fiarovana ny sivily araka ny lalàna mifehy ny fanokafany fivarotana akory ilay toerana ary tsy manana fahazahoan-dalàna mihitsy.

Ary dia teo ilay rangahy antsoina hoe Ernesto Espinioza Lobo, nitonona ho tompony, tamin'io fotoana io. Karohina izao io rangahy io taorian'ireny tranga niseho ny Alahady 26 May ireny, izay zatovo efa ho 11 teo ihany koa no nanjavona tao amin'io toerana io.

Ary, ilay gazety Milenio [es] koa dia nampahafantatra fa matetika no ahitàna fanondranana zava-mahadomelina ihany koa ao amin'io trano fisotroana “Heaven” io :

El Heaven era ubicado, por policías del sector Zona Rosa, como punto de conflicto, incluso como narcotiendita, versión que fue confirmada luego del cateo realizado al antro el pasado jueves, donde la Policía de Investigación encontró 12 pastillas psicotrópicas y 42 gramos de mariguana.

De acuerdo con efectivos policiacos de la zona, en noviembre pasado fue detenida una persona en la entrada del Heaven, ubicado en la calle Lancaster 27, colonia Juárez, delegación Cuauhtémoc, por narcomenudista.

Fantatry ny polisy avy ao Zona Rosa ihany koa amin'ny fisian'ny ady lava ao aminy ilay (trano fisotroana) Heaven, eny fa na dia ny maha fivarotana zava-mahadomelina azy koa aza, resaka izay nohamarinin’ ilay fikarohina nataon'ny polisy tao an-toerana ny Alakamisy teo, nahitàna fonosana rongony 12 ary marijuana 42 grama.

Araka ny voalazan'ny polisy ao amin'ilay faritra, ny volana Novambra tamin'ny taon-dasa dia nisy lehilahy iray voasambotra nohon'ny fivarotany rongony nanoloana ilay (bar) Heaven ao amin'ny lalàmbe faha 27 ao Lancaster Juarez tsy manalavitra ny tanànan'i Cuauhtémoc.

Familiares de desaparecidos de Bar Heaven. Foto compartida por  Georgina Cantu @georgyz007 en Twitter.

Fianakavian'ny iray amin'ireo tsy hita popoka tao amin'ilay Bar Heaven. Sary nozarain'i Georgina Cantu @georgyz007 tao amin'ny Twitter.

Vetivety mihitsy ny fanehoan-kevitr'ireo mpisera anaty aterneto tao amin'ny Twitter.

Eduardo Yribarren (@eyribarren) [es] dia nanainga ny Ben'ny tanànan'i Meksiko, Miguel Ángel Mancera, mba hiaiky ny fisian'ny famonoana olona voaomana ao amin'ilay tanàna :

@eyribarren: Reconocer que en DF ya hay los “levantones” típicos del crimen organizado @ManceraMiguelMX #BarHeaven

@eyribarren : Lazao ny marina fa misy ny famonoana olona “levantones” (fakàna an-keriny) nomanina ato amin'ny Tananàn'i Meksiko  @ManceraMiguelMX #BarHeaven

“Levantones” (fakàna an-keriny) no voambolana Meksikana ilazàna ny fakàna an-keriny ataon'ireo avy amin'ny fikambanana mpanao heloka voaomana.

Alejandra Villegas (@ala_brun) [es] dia nametra-panontaniana toy izao mikasika ny fanambarana ofisialin'ny zava-nisy tsy nahitàna popoka ireo olona 11 ireo :

@ala_brun: Más desaparecidos #BarHeaven ¿qué nos van a decir ahora las autoridades?

@ala_brun: Maro (olona) tsy hita #BarHeaven Inona izao no ambaran'ny manam-pahefana amintsika?

Susana Pedroza (@spedroza_12) [es], mpisolovava dia nihevitra toy izao mikasika ny fomba fiatrehan'ny biraon'ny Lehiben'ny Fampanoavana ao Meksika ilay raharaha :

@spedroza_12: Terrible la actuación de PGJDF en la investigación del caso de los jóvenes desaparecidos. Terrible.

@spedroza_12: Ratsy be ny fikirakiràn'i PGJDF ilay raharaha fanjavonana tanora. Ratsy.

Indrisy, olona maro no mbola tsy maintsy karohan'ny fitondrana ao Meksika. Ny volana Febroary 2013, niaiky ampahi-bemaso ny sekreteran'ny Governemanta fa efa maherin'ny 26.000 ireo olona tsy hita. Ilay gazety El Universal [es] dia isan'ny filazam-baovao namoaka izany resaka izany :

La Secretaría de Gobernación (Segob) ratificó que cuenta con el registro de 26 mil 121 personas desaparecidas, entre diciembre de 2006 y noviembre de 2012, durante la última administración del PAN.

Ny sekreteran'ny Governemanta (Segob) dia nanamarika fa 26.121 ny olona voalaza fa tsy hita popoka teo anelanelan'ny volana Desambra 2006 ka hatramin'ny Novambra 2012 nandritry ny fitondran'ny PAN [National Action Party] farany teo.

Ny 27 May, ny sekreteran'ny Governemanta, miaraka amin'ny biraon'ny Lehiben'ny Fampanoavana ao Meksika, dia nanao fanambaràna ampahi-bemaso  [es] mikasika ny fananganana Vondrona iray ho an'ireo Tsy Hita Popoka mba hiatrehana ireny resaka ireny :

Al inicio del evento, el Subprocurador de Derechos Humanos, Ricardo García Cervantes, señaló que la Unidad estará integrada por un primer grupo de 12 agentes del Ministerio Público Federal con el apoyo de un equipo permanente de la Policía Federal.

Tamin'ny fiantombohan'ilay hetsika, nanamarika ilay Lefitry ny Fampanoavana momba ny Zon'Olombelona, Ricardo García Cervantes, fa olona 12 avy ao amin'ny biraon'ny Lehiben'ny Fampanoavana ao Meksika no isan'ireo tompon'andraikitra ao amin'ilay vondrona izay miara-miasa sy tohanan'ny polisy federaly.

Roa ambiny folo ireo mpanao fanadihadiana hikaroka ireo olona 26000 tsy hita popoka, izay neken'ny manam-pahefana tamin'ny fomba ofisialy ny fanjavonany, izany rehetra izany dia ao anatin'ny ady atao amin'ny famonoana voaomana.

Azo sainina izany izao fa ny anaran'ireo rehetra tsy ampy taona nanjavona tao an-tananàn'i Meksiko, malaza amin'ny fiatsoana azy hoe #BarHeaven [es](bara heaven), no hanampy ireo anarana ao anatin'ilay lisitr'ireo olona 26000 (ray aman-dreny, zanaka lahy sy vavy , rahalahy sy rahavavy) tsy nody an-tranony.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.