Vladimir Putin: Tompon'ny Peratra (Super Bowl)

Nangalatra ny peratr'i Robert Kraft tompon'ny Super Bowl antsoina hoe New England Patriots ve i Vladimir Putin tamin'ny 2005? Maro ny bilaogera Rosiana nanao io fanontaniana io, rehefa niteny i Kraft tamin'ny 4 Jona 2013, tao amin'ny tafatafa hita ao amin'ny New York Post fa tsy nanolotra ny peratra ho fanomezana izy ny tena marina. Ny fanambaran'i Kraft (izay lazain'ny mpitondra tenin'ny Patriots taty aoriana ho vazivazy) dia mifanohitra tamin'ny fanambarana nataony ampahibemaso tamin'ny 2005, vantany vao vita ny fihaonany tamin'i Putin, rehefa niteny izy fa “karazana sariohatry” ny “fanajana sy fiondrehana” ny nanomezany ny peratra mitentina $25.000 ho an'ny filohan'i Rosia. (Eny fa na dia tamin'ny taona 2005 ihany aza dia efa nisy gazety nitatitra [ru] fa tsy nihevitra ny hanolotra ny peratra ho an'i Putin aza izy.)

Hamburglar Putin, with the Stanley Cup & Super Bowl ring. This image was created by Kevin Rothrock, using "Halloween's Lost Camera 06" by Andy Pixel, 31 October 2009, CC 2.0.

Mpangalatra Hamborzoà Putin, miaraka amin'ny amboara Stanley sy ny peratry ny Super Bowl. Sary noforonin'i Kevin Rothrock, nampiasa ny “Halloween's Lost Camera 06″ avy amin'i Andy Pixel, 31 Oktobra 2009, CC 2.0.

Na inona na inona tena fikasan'i Kraft valo taona lasa izay, dia hita fa miatrika ity fanontaniana manohintohina ity mamantatra na nangalatra na tsia ny peratry ny fiadiana ho tompondakan'ilay Amerikana mpanapitrisa tompona ekipana football i Putin. Nahazo rabiraby tao amin'ny RuNet ny valintenin'i [ru] Peskov :

Если этот джентльмен испытывает действительно такую мучительную боль от утраты произошедшего, кажется, в 2005 году, в связи с актом доверия, то президент будет готов отправить ему какое-нибудь другое кольцо, которое сможет купить за свои деньги.

Raha mandalo izao fialan'aina noho ny fahaverezana nitranga tamin'ny 2005 izao ilay gentleman [Kraft], dia efa mikarakara asa tsara hamerenana aminy karazana peratra hafa ny Filoha, fa afa-mividy amin'ny volany manokana ihany izy.

Andrei Illarionov, iray amin'ny mpanolo-tsaina ara-toekarena an'i Putin sady mpikambana zokiolona ao amin'ny laboratoaran-kevitra ao Washington, ny Cato Institute, namahavaha ny fanehoan-kevitr'i Peskov ao amin'ny blaoginy [ru], mandresy lahatra fa mimpanga an'i Putin ry zareo amin'ny hala-peratra. Mandeha ny lojikan'i Illarionov: raha voatahiry ao amin'ny fitehirizam-boky ofisialin'i Kremlin ny peratry ny Super Bowl, dia azo lazaina fa karazana fanomezana ho an'ny filohan'i Rosia izany, ary dia fanana-panjakana. Raha manolo-kevitra i Peskov ny hamerina amam-bola amin'i Kraft ny sandan'ny peratra, ary tokony avy amin'ny tetibola federaly ny vola andoavana izany. Te-hilaza i Peskov fa afa-mividy peratra solony i Putin, saingy, manolo-kevitra fa nipetraka ho fananan'i Putin manokana ilay sokitra. Namehy ny lahatsorany i Illarionov amin'izao lisitry ny ahiahy manaraka izao:

Почему же Песков вынужден говорить о покупке нового кольца?
Потому ли, что оригинальный перстень невозможно вернуть?
А почему невозможно?
Потому что перстня с бриллиантами в президентской библиотеке больше нет?
А был ли он там?
Куда же он делся?
И где этот перстень сейчас?
И почему нельзя просто вернуть злополучный перстень его хозяину?

Fa maninona i Peskov no mila niresaka momba ny fividianana peratra vaovao?
Satria tsy azo averina ilay peratra tena izy?
Fa maninona no tsy azo atao?
Satria tsy ao amin'ny Tranombokin'ny prezidansa intsony ilay peratra diamondra?
Teo foana ve iny?
Fa lasa nanjavona aiza?
Ary aiza ilay peratra izao?
Ary fa maninona no tsy azo tanterahina ny mamerina amin'ny tompony iny peratra mampalahelo iny e?

Ao amin'ny fanehoan-kevitra manala voly [ru] hafa momba iny tantara iny, niezaka ny hanazava amin'ny Rosiana ny dikan'ny peratry ny Super Bowl an'i Kraft ny bilaogy “Cult Magazine”, ka mametraka ao an-tsaina fa lalao manavahiny ho an'ny tsy-Amerikana ny NFL amin'ny ankapobeny. Ny Hockey kosa, etsy ankilan'izany, dia malaza tokoa any Rosia, ary ny amboaran'ny NHL, ny Amboara Stanley, aza no loka malaza kokoa ho an'ny maro amin'ny Rosiana. Ary ny loka mitovy amin'ny Amboara Stanley ao amin'ny amboara football NFL dia ny Amboara Vince Lombardi (izay zavatra goavana sy sarotra angalarina ihany koa), mampiasa fampitahana tsy mamely manao izay tena ampihomehezana indrindra ny Cult Magazine:

Еще раз – это награда Национальной Футбольной Лиги, которая вручается победителям Чемпионата Мира по американскому футболу, и награда очень престижная. Представьте, человек решил похвастаться кубком Стенли, а президент вдруг решил, что это подарок и ушёл с ним.

Averina indray, io no amboaran'ny National Football League omena ny tompondakan'ny amboara erantany amin'ny Football amerikana, ary tena malaza tokoa io amboara io. Eritrereto anie fa misy olona milaza tena ho nahazo ny amboara Stanley, ary nanapa-kevitra tampoka ny filoha fa fanomezana ho azy iny, ary dia nentiny nody ilay izy.

Raha tsy isalasalana ho lohateny tsy hahaliana itsony ity tantara ity ao anatin'ny herinandro vitsivitsy (na andro vitsivitsy) , izy toe-javatra ity no iray amin'ny manamarika ireo tantara tsy hita isa mampanahirana ny endrik'i Kremlin eo imason'ny sarambambem-bahoaka manerantany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.