Fanampiana An-davitrisany Taorian'ny Horohorontany Tao Japana No Tsy Tonga Tany Amin'Ireo Tra-boina

Gazety lehibe iray ao Japana no namoaka fa yen an-davitrisany natokana ho amin'ny fanampiana ireo olona tra-boina tamin'ilay horohoron-tany mahery vaika izay nitarika ilay tsunami nahazo ny faritra Avatra atsinanan'i Japana ny taona 2011 no nampiasaina taminà tetikasa izay tsy nahazoan'ireo tra-boina ireo tombontsoa mihitsy.

Ny Asahi Shimbun dia nanambara fa natokana hanampiana ireo very trano sy very asa tamin'ilay Horohorontany Lehibe Tao Japana Atsinanana na “Great East Japan Earthquake” ny yen 200 miliara (roa miliara amin'ny dolara Amerikana) izay tetibolan'ny governemanta, ny antsasa-manila mahery tamin'izany no nampiasaina ho an'ireo prefektiora 38 hafa ankoatr'ireo sivy izay tena voa mafy tao amin'ny faritr'i Tohoku.

Nampiasaina ilay tetibola natokana ho an'ny asa maika, ho an'ireo ekipa miasa manisa soka-dranomasina, fampisehoana iraisampirenena “manga” mampihomehy iray, ary fanentanana irey ho fampahafantarana ny prefektioran'i Yamaguchi narahanà maskoty iray manana volo miloko maintso antsoina hoe Choruru.

Nahatonga resabe teo amin'ireo mpampiasa tambajotra sosialy izany familiana làlana ny vola tokony ho an'ny fanarenana izany.

Mpampiasa Twitter iray @2_happy no naneho ny heviny tamim-pahadisoam-panantenana :

@2_happy:こんなレベルの低い役所や役人ばかりの日本ってまともな国って言えるんでしょうか。復興予算 雇用も1千億円流用

@2_happy : Biraom-panjakana sy ireo manampahefana ve no mahavita manao zava-doza toy izany amin'ity firenena ity. Afaka ny antsoina hoe mpanao ny tsara hatrany ihany ve ity firenentsika ity? | Iray miliara natokana ho an'ny fanarenana no voahodinkodina

Ilay tonian-dahatsoratry ny cyclingtime.com, vohikala natokana ho an'ireo mpitia bisikileta, dia namely ireo “mpangala-bola” tompon'andraikitra amin'ny fampiasam-bola tsy ara-dalàna tao amin'ny Twitter. Niverimberina nalefa in-200 ilay fanehoan-kevitra :

@cyclochabumaro:被災地以外の38都道府県で雇われた約6万5千人のうち被災者は僅か3%、被災者以外が97%。これで復興の手助けとは笑わせる。困った人たちへの金を横取りする為に同情と仲間のふりをする金の亡者どもが多すぎる「復興予算 雇用も1千億円流用

@cyclochabumaro: Olona maherin'ny 65.000 no voaray hiasa avy amin'ny prefektiora 38 samihafa mba hanao ny asa fanarenana, ary 3% amin'izy ireo ihany no mponina avy ao amin'ny toerana nitrangan'ny loza. 97% avy any an-toeran-kafa. Azafady. manadala ahy ve ianareo izany, natao hanampiana ny tra-doza anie io e. Maro be ireo mpangala-bola no manao izay hinoan'ny olona fa mitsetra sy manampy ny mpiray monina aminy izy ireo.

Shingo Nishinari (@shingo_ghetto), mpanao rap fanta-daza amin'ny fanakianany mpanao politika, no nilaza hoe :

@shingo_ghetto:復興予算流用これ以上許せない…情けない…各省庁の震災のためというこじつけ…ココロない団体や業者への流用…再建のためにココロから願う

@shingo_ghetto : Mandiso fanantenana. Fanondinkodinam-bola tsy azo leferina. Ministera sy sampan-draharaha mamorona fialàna olana mba hahazoam-bola. Fikambanana sy vondrona tsy mifadi-trovana milefa miaraka amin'ny vola. Maniry mafy aho ny hisian'ny tena fanarenana marina.

money image

An-davitrisany ny Tetibola Fanorenana voahodinkodina taminà tetikasa tsy misy ifandraisany amin'izany. Sary nataon'i Keiko Tanaka

Tsy vao izao no nisy tetibola natokana ho an'ny loza voajanahary ho an'ny ” Great East Japan Earthquake” nampiasaina taminà tetikasa tsy misy ifandraisany amin'izany. Kahoku Shimpo, gazetim-paritra ao amin'ny faritr'i Sendai afovoan'i Japana, no nanoratra tamim-pahadisoam-panantenana ny Jona 2011 fa nandray [ja] mpahay mari-trano nasionaly ny governemanta fa tsy mpahay mari-trano avy amin'ny faritra mba hanorina trano fonenana vonjy maika ho an'ireo tra-boina tamin'ny horohoron-tany.

Ary Ilay Gazety Hokkaido dia nanoratra matoan-dahatsoratra [ja] mihitsy ny volana Oktobra 2012 nanakiana ilay vola yen 3.4 miliara natokana ho amin'ny vonjy taitra izay nampiasaina taminà fanamboaran-dàlana tany amin'ny faritra atsimo andrefan'ilay nosy Okinawa, izay tsy voakasik'ilay horohorontany akory. Mpampiasa Twitter iray inakamon_jiji (@Inakamon_jiji), izay midika hoe lahy antitra eny ambanivohitra, dia naneho ny heviny tamin'ilay matoan-dahatsoratry ny gazety Hokkaido :

@Inakamon_jiji: 「復興予算流用 許されない官僚の背信」 http://bit.ly/RO986X と論ずるが、そもそもの原因は政治家の統治能力の欠如。「増税の前にやるべきことがある」の本質は、このことに尽きる。

@Inakamon_jiji : “Fanodinkodinana ny vola ho an'ny fanarenana, mpitàna birao tsy azo amindràna fo” hoy ilay gazety. Ny tena izy amin'io resaka io dia hoe tsy mahavita azy ny fanjakana amin'ny fitantanana ny firenena. Mivandravandra be fa mila manao zavatra ry zareo mialoha ny hampakarany ny hetra.

Taorian'ilay horohorontany, kiana mivaivay no nahazo ireo masoivohom-pifandraisana sy filazam-baovaom-bahoaka izay voatondro ho nanamaivana ilay raharaha fanodikodinam-bola mba hamatsiana fanentanana hampakarana ny moralin'ny mponina izay nampiasàna olo-malaza tao amin'ny fahitalavitra . Ny taona 2012, ilay bilaogera popo nanoratra [ja] mikasika ny fandaniam-bola be mikararàna tamin'ireo fahitalavitra novatsiana tamin'ny fanaovana fafy kantrana ny vola fanampiana. Nanondro lahatsoratra iray navoakan'ny gazetiboky mpiseho isan-kerinandro Post Seven izay namoaka izany tantara izany tamin'ny Aogositra 2012 [ja] moa ilay bilaogera.

記事によれば、復興予算のうち、30億円を超えるお金が、TVなどの「復興支援CM」に消えたという。被災地の漁業組合など地場産業は、政府からの援助金はなく、資金難で倒産に追い込まれたものも少なくないという。
そういう急迫した財政難の折に、復興予算のおこぼれでTV局などの大手メデイアが、潤ったという。これが事実なら、即刻、東京キー局などのマスメデイアは解体すべきだろう。

Araka ny voalaza, amin'ireo vola rehetra natokana ho an'ny fanarenana, maherin'ny yen telo miliara no vola nampiasaina taminà dokambarotra fanentanana ho fanohanana ny asa fanarenana.  Zara raha nahazo fanampiana avy amin'ny governemanta ny fikambanan'ny mpanjono tra-boina ary ny sasany aza voatery nanajanona ny fandraharahàny mihitsy noho ny tsy fisian'ny famatsiam-bola. Raha toa ka tena mitatitra ny marina tokoa io lahatsoratra io, dia heveriko  fa tokony hakatona izao ankehitriny izao ireny foibenà fahitalavitra ireny !

Nitarika fampiakaram-peo nanakiana ilay ampamoaka farany mikasika ny fanodikodinam-bola navoakan'i Asahi Shimbun. Hamaliana ilay fanadihadiana, vinavinain'ny governemanta ny hitaky amin'ny governemantam-paritra sy ireo fikambanana maro ny hanajanonana ny fampiasàna ny vola natokana ho amin'ny fanarenana ary hamerina ireo vola mbola tsy nokitihany any amin'ny governemanta foibe, araka ny voalazan'ilay gazety. Eo an-dalam-panadihadiana izany ankehitriny ny Ministeran’ ny vola.

Tao amin'ilay blogroll esteru.com[ja], mpanoratra iray tsy mitonona anarana no nanakiana ilay drafitra hoe tara loatra. Mpampiasa tsy mitonona anarana maro no niady hevitra tamin'izany, ireto manaraka ireto ny lahatsorany, fanakianana ilay fifanarahana raha toa ka hadisoan'ny fitantanan'ny antokon'ny fitondrana teo aloha “Democratic Party Japan (DPJ) izany na ny ” Liberal Democratic Party (LDP) amin'izao fotoana :

52 名前:はちまき名無しさん 投稿日:2013年06月04日 09:23
民主党があれだけぐちゃぐちゃに組み立てたシステムなんだから
半年は時間必要だったろうしむしろ早い対応じゃない?

Everiko fa ny LDP no mailaka kokoa nanao io fanodinkodinana ny volan'ny fanarenana io, raha tsy hijery afa-tsy ny fisafotofoton'ny nananganana ny DPJ tampotampoka teo isika. Ary tena azoko antoka mihitsy fa mbola mila tapa-taona ny LDP [taorian'ny nahalany azy ireo ny volana Desambra 2012] hamaliana ny fanontaniana mikasika io  fanodinkodinam-bola io.

148 名前:はちまき名無しさん 投稿日:2013年06月04日 13:57なんで、自民党を叩いてるのがいるのか、まったくわからん。政治、法律の構造をわかってないからだと思うが。自民党が豪腕を発揮した話だろ? たぶん法律的な手続きを踏んでるから違法性はないと思うけど、普通に考えたら基金にまでいった金を返還させんのは無理だろ。で、その基金を作ったのは自民党かい?

Tsy azoko mihitsy hoe maninona ny olona sasany no manome tsiny ny LDP. Mihevitra aza aho fa tsy mahalala ny mikasika ny rafitra ara-politika akory izy ireo. Mahita àry aho fa fanehoan'ny LDP ny fahaiza-manaony io resaka fampiasam-bola io. Ny tiako hambara dia Saino tsara :tsy ny LDP no nametraka io tetibola io voalohany. Mazava be fa sarotra ny mamerina vola, indrindra raha ara-dalàna an-taratasy mazava izany.

151 名前:はちまき名無しさん 投稿日:2013年06月04日 14:20
民主党がと言っている人は復興予算を使うときに制定した復興基本法がどのようにできたかを理解しているの?この法は民主が閣議決定したときは被災地限定で使えるようにすると一文が入っていたが自民公明民主の三党で地域以外にも使えるように議員立法したのがそもそものこの流用ができるようになった第一歩だというのに。
だから悪いのは民主党だけじゃなく自民も公明も悪いでしょ

Ary dia endrikendrehan-dry zareo amin'izany ny DPJ ? sahiko ny miloka fa tsy misy zava-pantany ny fandehan'ny Lalàna Fototra Mifehy ny Fanarenana. Tamin'ny fotoana nandraisan'ny DPJ ilay volavolan-dalàna, misy fehezanteny iray ao; tokony ampiasaina irery ihany amin'ny faritra tra-doza ilay tetibola. Kanefa nony tonga teo ilay solombavam-bahoaka “Diet ” avy amin'ny antoko DPJ-LDP-Komei , dia nanapa-kevitra izy ireo fa tsy tokony ho voafetra ny fampiasana io tetibola io. Noho izany tokony izy rehetra no homentsika tsiny.

153 名前:はちまき名無しさん 投稿日:2013年06月04日 14:26
>148
2年前から問題点は指摘されてたから、政府が官庁に対して横やりを入れなかったのは、政府の悪いところだから、怒られるとすればそこ。この問題は政党の問題ではないのは確かだな。ばらまき自体は、官庁がやってることだから、そっちは政権に関係なく、まともにチェックすらしてない官庁が悪い。

[valinteny ho an'i 148] Efa ho roa taona izao no voakiana foana ny fitondrana tamin'ny fanodinkodinany vola fanampiana ho an'ny loza voajanahary. Araky ny hevitro, ny governemanta mihitsy no tokony homena tsiny amin'ny tsy fandraisany andraikitra manoloana ireo sampan-draharaha miandraikitra ny fampiasana izany vola izany. Tsy resaka fiandaniana izany. Ny fandaniana toy izany dia andraikitry ny governemanta. Tsy raharahan'antoko izany. Ny sampan-draharaha ao amin'ny governemanta no mpanaotao foana mandany vola tsy misy fanaraha-maso tahaka izany.

Tao amin'ny Twitter, i Nakano Takashi, izay nikarakara tetikasa iray tao an-tanànan'i Minamisoma, Fukushima mba hanohanana ireo tra-boina tamin'ilay horohorontany, dia nilaza fa tsy raharahan'antoko izany :

@wildft:増税をしてまで捻出された復興予算の被災地外への流用は、2兆円、1.2兆円、1千億円。この使途は、ゆるキャラ、ご当地アイドル、国道、農道、林道、ウミガメ、グルメ等。これらは全て、各地方自治体から申請されたもの。もはや、誰もが無実ではなく。

@wildft : Ireny tetibola azo tamin'ny fiakaran'ny hetra ireny, kanefa tsy nampiasaina araka ny tokony ho izy ; 2 miliara dolara, 1.2 miliara dolara, yen 10 miliara nampiasaina ho fanohanana an'i “yuru chara” ilay maskoôtim-paritra, nampahafantarana ny tanàna, nanamboarana ny làlam-pirenena, nanisàna sokatra, famokisan-tena. Izay tanàna rehetra nampiasàna ilay vola rehetra. Raha aravona izany, tomponandraikitra daholo isika rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.