Notsenain'ny Polisy Tao Jerosalema Tamin-kerisetra Ireo Mpanao Hetsi-panoherana “Rariny Sosialy Israeliana “

Hetsi-panoherana iray nokarakarainà fikambanana telo samy sampana ao amin'ilay hetsika “Israeli social justice (#j14)” – Rariny Sosialy Israeliana – no niseho tao Jerosalema ny alin'ny Sabotsy teo (June 8). Nitaky ny hiverenana amin’ ilay fanapahan-kevitra hanondranana Entona natoraly avy ao Israely izay tsy ahazoana afa-tsy 12.5% amin'ny haba ihany no hiditra amin'ny kitapom-bolam-panjakana. Nitsipaka ilay tetibolan'ny governemanta vaovao koa ireo mpanao hetsi-panoherana, tetibola heverina izay mikasa ny hampiakatra bebe kokoa ny hetra alaina amin'ireo sarangan'olona ambany sy salantsalany, ary mifanindran-dàlana amin'izay ny fampihenana ny vola ho an'ny foto-drafitrasa ho an'ny daholobe izay tena iankinan'ny fiainan'ireo sarangan'olona ireo. Ambony dia ambony ny tahan'ny herisetra nitsenan'ireo polisy ilay hetsika, na dia nilamina sy vitsy mpandray anjara (an-jatony kely teo ireo mpanao hetsi-panoherana) aza ilay izy.

Nandefa bitsika maro fanavaozam-baovao mikasika ilay hetsika ilay mafana fo avy amin'ny antoko ankavia Ben Marmara nanao hoe :

שוטרים מכים נשים בירושלים, יש לכלוא את השוטרים
שוטרים היכו מפגינה וכעת עצרו אותה. #J14
שוטרים ממשיכים לעצור בני אדם ולהעמיס אותם על טנדרים. #J14 יש כבר כמה וכמה עצורות ועצורים בירושלים.
כמו בהפגנה ברמת גן גם היום המשטרה עברה על החוק ומנעה בכוח קיום של הפגנה. אח”כ עצרו מפגינים ומפגינות

Midaroka vehivavy ireo polisy, tokony ho gadraina noho izany.
Marobe ny vehivavy sy lehilahy voatazon'ny polisy ao Jerosalema. #j14 Mbola mitohy ny fisamboran'ny polisy ny olona sy ny fanangonana azy ireo anaty fiaraben'ny polisy .
Toy ny natao tamin'ilay hetsika tao Ramat Gan [manohitra ny fanondranana entona], izao indray, manohy ny fandikàny lalàna sy ny fanakànana an-kerisetra hetsika iray ireo polisy . Avy eo dia misambotra ireo mpihoko.

Yishai Oltchik, ilay mafana fon'ny #j14, monina any Jerosalema, dia   nampakatra ity vaovao farany ity tao amin'ny Facebook :

אז היום אני יכול לציין את הפעם הראשונה שבה שוטר דפק לי בעיטה. תקף אותי, זאת אומרת.

למה? פשוט כי עמדתי עם שלט הפגנה שקורא לקיום דיון בכנסת בנושא ייצוא הגז. לא דיברתי עם השוטר, לא עמדתי קרוב אל השוטר, אפילו לא הראתי סימנים שאני לא מתכוון לשתף פעולה אם הוא יבקש ממני לזוז. אפילו לא הסתכלתי אליו באופן ישיר. אפילו לא צילמתי, שזה דבר שמותר לעשות אבל בדרך כלל מסתיים בתקיפה.
פשוט עמדתי במקום, ואז הוא הגיע, דחף בעוצמה את הבחורה שהחזיקה איתי את השלט (והעיף אותה על גבה), ועל הדרך בעט בי.

איך הגבתי? קראתי אליו בהפתעה “למה?” ואחרי שניה הרמתי ידיים באוויר (שלא יגיד שאני תוקף אותו) וצעקתי שהשוטר תוקף אותי. הוא כנראה החליט שזה מספיק ועזב אותי לנפשי.
הלכתי לקצין המשטרה הקרוב ואמרתי לו ששוטר בעט בי ללא סיבה; הוא חייך והמשיך ללכת.

ומכל מה שהיה שם, הכאב של הבעיטה, הזעם והעלבון על כך שהותקפתי ללא סיבה (ומי שמכיר אותי יודע שאני לא אדם אלים), מה שהכי מכעיס אותי זו הידיעה שזה לא משהו מיוחד. זה לא יוצא דופן.
פשוט הגיע תורי הפעם, ועוד יש לי מזל שהשוטר הסתפק רק בבעיטה אחת — כי בדרך כלל זה לא נפסק אחרי מכה אחת בודדת.
ראיתי עוד לפחות עוד עשרה אנשים נדחפים בעוצמה ו/או חוטפים מכות ‘בקטנה’ משוטרים, ועוד מעצר אלים אחד או שניים שיצא לי לראות.

 

Afaka ny nanamarika ny fotoana voalohany nandakàn'ny polisy ahy teo amin'ny fiainako aho androany. Nitadoraka ahy, ny tena marina. Nahoana? Satria nijoro nitazona sorabavety miantso ireo Knesset [Parlemanta Israeliana] aho ny mba hanaovan'izy fakan-kevitra manokana mikasika ilay raharaha fanondranana entona …. tsy niresaka tamin'ilay polisy aho… tsy nijery azy mivantana. Tsy naka sary azy akory aza, izay zavatra ara-dalàna kanefa matetika mifarana amin'ny daroka [avy amin'ireo polisy]. Nijoro teo fotsiny aho ary dia tonga avy any izy, nanosika tamin-kerisetra ilay vehivavy niara-nitazona tamiko ilay sorabavety (nampitrosona azy tamin'ny lamosiny), no sady nandaka ahy…. Nolazaiko tamin'ilay manampahefan'ny polisy tsy lavitra teo fa nodakanà polisy tsy amin'antony akory aho; nihomehezany fotsiny aho ary dia notohizany ihany ny diany.

Ny zavatra tena mahatezitra ahy mafy dia ny nahalalako fa hay tsy zava-baovao amin'izy ireo intsony ny tahaka izany. Anjarako fotsiny izany tamin'iny andro iny, ary mbola nanam-bitana aza aho izany fa daka iray ihany dia noheverin'ilay polisy fa ampy ahy — satria matetika tsy mijanona amin'ny daka iray izy ireo. Tsy latsaky ny 10 ny olona efa hitako voatosika sy voadakan'ny polisy, ary iray na roa no fisamborana tamin-kerisetra.

Orly Bar-Lev, ilay mafana fon'ny #14 monina any Tel Aviv-based dia nampakatra ity sary manaraka ity tao amin'ny Facebook ary nanoratra hoe :

Right to left: "Bibi [nickname for Netanyahu] - stop the economic terrorism!  Orly with a sign in the center: "Export of gas = suicide for the state" and "No to the cut in child stipends" [one of the proposed austerity measures that will greatly harm the lower class]

Ankavanana mankao an-kavia : “Bibi [solonanaran'i Netanyahu] – Atsaharo ny fampihorohoroana ara-toekarena!
Orly eo afovoany : “Fanondranana entona = famonoan-tenan'ny fanjakana” ary “Tsia ho an'ny fampihenana ny volan-jaza” [iray amin'ireo fepetram-pitsitsiana kasaina ho raisina izay tena hahavoa mafy ireo sarangan'olona ambany]

מאות אזרחים נורמטיביים, שוחרי שלום, לא אלימים ומודאגים שבאו למחות על הגזירות הכלכליות, המצב הכלכלי וכנגד ייצוא הגז, נתקלו היום בירושלים בהתנהלות משטרית אלימה וקשה, חסרת כל פרופורציה.
פרשים??? להכות נשים??? מפגין שנדרס על ידי שוטר על אופנוע???
מה נסגר אתכם?
מי נתן את ההוראה לעצור את ההפגנה באלימות ולדכא את זכות המחאה? מי נתן את ההוראה למנוע מצעדת מחאה דמוקרטית להגיע לביתו של ראש הממשלה?
מי אחראי לטירוף הזה?

Notsenain'ireo polisy tamin-kerisetra sy hery tsy mifandanja ireo olon-tsotra an'arivony nanara-dalàna sy nilamina nanao hetsika hanoherany ireo fepetram-pitsitsiana kasaina ho raisina, raharaha ara-toekarena ary ny fanondranana entona. Polisy mitaingin-tsoavaly??? Midaroka vehivavy??? Mpanao hetsi-panoherana iray nitsahanà polisy tamin'ny moto??? Fa inona no olanareo e?
Iza no nanome alàlana anareo hampiato an-terisetra ilay hetsika sy hanitsakitsaka ny zo hanao fihetsiketsehana? Iza no nanome baiko anareo hampiato famoroam-bahoaka amin'ny fomba demaokratika  hiazo ny tranon'ny Praiministra? Iza no tomponandraikitra amin'izany hadalàna izany?

Namerina nampakatra ilay vaovao farany nalefan'i Orly i Andrea Radu ary nanampy hoe :

בדמוקרטיה היחידה במזרח התיכון מכים דורסים ועוצרים מפגינים שלוים כי ניסו לממש את זכותם הדמוקרטית להפגין #J14 #1984

Ny hany mba demokrasia aty Afovoany Atsinanana, itsahana ireo mpihoko, darohana ary samborina satria niezaka hampiasa ny zony ara-demokratika mba hanao hetsi-panoherana.

Policemen riding horses surround #j14 protesters near the Prime Minister's residence in Jerusalem Photo: #j14 activist Gali Fialkow

Polisy mitaingina soavaly mihodidina ireo mpihokon'ny #j14 nanoloana ny trano fonenan'Ingahy Praiministra tao Jerosalema
Sary : Gali Fialkow mafana fon'ny #j14

Tsy dia nahoraka tamin'ny filazam-baovao loatra iny hetsika iny sy ny herisetra nataon'ireo polisy ary filazam-baovao maro sy mafana fo maro no nitaraina ny amin'ny fanaovana tatitra vilana. Naminag izay nandray anjara tamin'ilay hetsika dia nandefa bitsika toy izao :

בטמקא אומרים שאתמול השוטרים השתמשו ‘בכוח סביר’. וואללה, כי אני ראיתי מפגינה שהוטחה על גרם מדרגות והתגלגלה בהן למטה, שוטר שדרס מפגין עם האופנוע שלו ושוטר שנגח במפגין עם קסדה. וכל זה עוד לפני שצעדנו 100 מ’. #j14

Ynet [vohikalam-baovao Israeliana lehibe iray, izay an'i Yedhioth Aharonot, mifandray akaiky amin'i Yair Lapid, Minisitry ny Vola ] dia milaza fa “nampiasa hery ara-drariny” ireo polisy. Marina ve ? satria mantsy nahita mpihoko natosika avy eny amin'ny tohatra nikodiadia hatraty ambany aho, nahita polisy nanitsaka mpihoko iray tamin'ny moto ary polisy iray nanao aro-loha nanome “coup de tete” mpihoko iray. Ary izany rehetra izany aza raha mbola vao namindra teo amin'ny 100 metatra teo monja izahay .

Tao amin'ny Facebook, Barak Cohen, ilay antsoin'ny maro hoe “mpisolovavan'ny #j14 “,  dia nizara ity lahatsary ity izay mampiseho polisy mitaritarika mpanao hetsi-panoherana iray :

Nizara lahatsary iray hafa tao amin'ny YouTube ihany koa izy izay mampiseho polisy iray nisambotra azy noho izy nijoro teo amin'ny sisin-dàlana :

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.