Maraoka : Qandisha, ilay “Magazwine” Manelingelina

Monina any Casablanca i Fedoua Miski ary namoaka gazety-boky an-tserasera vaovao ho an'ny vehivavy, Maraokana na tsia, antsoina hoe Qandisha, herintaona sy tapany lasa izay. Tamin'ny faha-32 ny taonany, raha novolavolaina ho dokotera ny tenany, dia ny fanoloran-tena hiaro ny zon'ny vehivavy no nanosika azy ho amin'ny fanaovan-gazetim-pikatrohana. Tafatafa nifanaovana tamin'ny mpanorina ilay “Magazwine” (tandroviny tokoa io voambolana io) izay manelingelina ao Maraoka ao, nandritra ny fandalovany tao Montpellier tamin'ny fihaonana 4M fahatelon‘ny Media ankilany sy andanin'ny Méditerranée, nokarakarain'ny CFI (Canal France International) sy Montpellier.

 

Fedoua Miski magazine qandisha

Fedoua Miski, mpanorina ny “magazwine” Qandisha – Saripikan'ny mpanoratra

 

Global Voices : Fanontaniana mahazatra, Nahoana no nanangana io gazety-boky an-tserasera ho an'ny vehivavy io ianao ?

Fedoua Miski : Mba hitondra zavatra hafa. Maro ny gazety-boky ao Maraoka, fa io no gazety-boky voalohany ho an'ny vehivavy tsy ahitana resaka haibika-lamaody-karakara sakafo mahazatra. Gazety-boky ifarimbonana ihany koa io. Ny mpanoratra dia ny mpamaky anay. Ny fahatsapana fa anisan'ny ao amin'ilay gazety no tena zava-dehibe. Amin'ny alalan'ny lohahevitra resahina no mihamiharihary ny maha-mpikatroka ny tena. Ny soatoavina manerantany, ny fanajana ny zon'olombelona, ny fahalalahan'ny tsirairay. Raha avaingana kokoa, tiana ny hanosehana ny vehivavy rehetra te-hiady hevitra sy haneho hevitra amin'ny vaovao malaza, na politika izany na sosialy : handrisihana ny fandraisana anjara fitenenan'ny vehivavy. Any amin'ny firenena Arabo-miozolomana misy anay, tsy dia zatra mandra fitenenana loatra ny vehivavy.

GV : Inona ohatra ny lahatsoratra be mpamaky indrindra ao amin'ny Qandisha ?

F.M. : Ny fijoroana vavolombelon'ny tanora vavy iray izay raràn'ny tompontranony tsy hahazo hampiditra namana lehilahy ao an-tokantranony ao Agadir. Tsy navela niditra tao tamin'ny efi-tranony intsony miaraka amin'ny namany (lehilahy) izy. Nanohana sy nandrisika azy izahay hitory, ka nataony izany ary niteraka adihevitra momba ny fahaiza-miaina sy ny fahalalahan'ny tsirairay.  Tsy manam-pahalalahana ny vehivavy maraokana eny ankalamanjàna, fa tsy manana izany ihany koa izy ao an-tranony. Samy nanana ny heviny ny mpamaky. Nisy ny lehilahy sy ny vehivavy nandrisika azy hampanaja ny zony, ny hafa kosa nanolo-kevitra azy hanoa ny fitsipiky ny fiarahamonina.

GV : Iza no mamaky anareo ?

F.M. : Vitsy ny gazety-boky na gazety-boky an-tserasera ho an'ny vehivavy eto Maraoka no afa-mirehareha fa manana mpamaky boky lehilahy maro tahaka anay. Satria ny lohahevitra banjininay dia miresaka tranga ara-piarahamonina sy politika. Nangina kokoa ny lehilahy raha niompana tamin'ny resaka lamaody, ny hatsara-tarehy ary ny fikarakarana ny atao an-dakozia izahay, raha izany manko tsy nampaninona azy ireo. Fa mandritra izany fotoana izany ihany koa dia maro ny lehilahy ny manohana anay, na dia eto Maraoka ihany aza. Atsaharo ny finoana fa ny lehilahy Maraokana dia mpifikitra amin'ny fanjakazakan-dehilahy, maro ny manohana ny fanafahana ny vehivavy (hahaleotena). Raha ao amin'ny antontanisanay dia hitanay fa ao Casablanca no tena be mpamaky anay indrindra, ary ny faharoa manaraka azy dia ny ao Paris… Efa nisy ny lahatsoratray no noraisin'ny Courrier International, na ny Rue 89. Efa manana mpandray anjara Frantsay (vavy), Toniziana (vavy) ary alzeriana (vavy) izahay amin'izao fotoana izao. Tena hahafinaritra kokoa raha misy ny vehivavy avy any an-kafa manoratra ( amin'ny teny frantsay na amin'ny teny arabo) aty aminay.

GV : Efa nandalovana olana ve ianareo noho ny fikatrohana nataonareo sy ny lahatsoratrareo ?

F.M. : Nisy nijirika indroa izany ny tranonkalanay, ho famaizana noho ny lahatsoratra miresaka fivavahana na fananahana. Nisy nijirika izy vao nivoaka ny fijoroana vavolombelon'ny pelaka tanora iray monina ao Maraoka. Nisy ny fanehoa-kevitr'ireo tsy nanonona anarana, nisy ny fanandrahonana saingy efa nahazatra izany. Tsy ampy fandresen-dahatra ry zareo, nahatsiaro voahozongozona tamin'ny heviny.

GV: Inona ny dikan'ny anarany hoe Qandisha ? 

F.M : Anaran-demonivavy amin'ny angano ao an-toerana izany. Vehivavy noharatsiratsiana satria nanelingelina. Efa fantatra fa hoharatsiratsiana izahay, noho izany, noraisina io anaran-devoly vavy io. Nolazain'ny angano fa nahalasa adala ny lehilahy io velivavy io. Raha ny marina, mety ho sipa tena manja na tena matanjaka izy. Natao izay naha-irery azy dia noharatsiratsiana izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.