Tiorkia: “Hazo Iray No Maty, Firenena Iray Manontolo No Mitsangana”

Nivadika ho herisetra ny raharaha tany Istanbul rehefa nanaparitaka ny mpanohitra izay nanao izany ampilaminana ny mpitandro ny filaminana ny Zoma 31 May teo. Efa ho dimy andro lasa no nanombohan'ny fitokonana andalam-be ampilaminana nahitàna vondron'olona maro niaraka nanohitra ny drafitry ny governemanta hanavaozana ny tanan-dehibe amin'ny fanalàna ireo hazo maniry ao amin'ilay hany faritra maitso any Istanbul: ny Gezi Park. Ny herisetra nampiharin'ny mpitandro ny filaminana — entona mandatsa-dranomaso, tifitra rano, totohondry sy kibay — mba hanaparitahana ireo mpanohitra hiala eo amin'ny kianja no niteraka fanoheram-bahoaka, vantany vao nameno ny tambajotra sosialy ny sarin'ireo olona, ka isan'ireny ireo ankizy sy antitra niaro tena tamin'ny entona mandatsa-dranomaso.

Ny Sabotsy maraina, olona an'arivony no nanomboka nitanjozotra nankeny akaikin'ny Kianja Taksim ho fanohanana. Nanaraka avy eo ireo tatitra momba ny famoriana olona goavana ho fanohanana tany amin'ny tanàna Tiorka hafa toa an'i Ankara renivohitra, sy tany Izmir. Izay nanomboka tamina fitorevahana am-pilaminana mba hiarovana ilay kianja tsy ho avadika lasa toeram-pivarotana lehiba no niova ho fihetsehana goavana mitaky ny fialan'ny Praiminisitr'i Tiorkia Recep Tayyip Erdogan, tahaka izay nosoratan'i Zeynep Dagli tany aloha tany :

Izay niantomboka tamina olon-tsotra nanohitra ny fanorenana toerana fivarotana eo amin'ilay hany kianja sisa mba ananantsika, no nanjary nivadika feo mahery fanoherana ny governemanta izay tsy mahay mihaino ny vahoakany. Niteny Erdogan “Nanapa-kevitra aho dia izay no izy” izay nampiakatra ny tosidrà efa nikotrika ela tany anatin'ny tsirairay. Nitifitra entona mandatsa-dranomaso tsy ankijanona nandritra ny ora maro ireo mpiray tanindrazana aminy ny mpitandro ny filaminana nefa ireo olona ireo ihany no nanome sakafo ireo mpitandro ny filaminana tsy ampy torimaso ho setrin'izany. Izay tena manaitra dia ny fampiraisam-peo sy hery asehon'ny taranaka tanora izay lazaina fa tsy manao politika: sionita, shias, armeniana, avy amin'ny Havia, nationalista, jiosy, dia iray feo daholo manohitra ny governemanta izay manjary be marenina. Miray feo ny tanora satria tsy mba nahatsapa velively ho samihafa izy ireo.

Raha toa miha-betsaka ny vahoaka nifamory teny amin'ny Kianja Gezi sy teny amin'ny kianja Taksim teo akaiky, antso maro hanairana ny saina avy amin'ny media iraisam-pirenena no nalefa tamin'ny media sosialy satria nofoanana / nampanginina ny fanangonam-baovao anatiny. Zeynep Dagli manohy fa:

AOTRA ny fandrakofantsika avy eto an-toerana. Ny Facebook sy ny twitter irery ihany no loharanom-baovaontsika. Ary na izy ireo aza dia voahelingelin'ny mpampikasaotsaoka manodidina ny kianja. Nampanginin'ny governemanta ny media eto an-toerana. Najanony ny fandaharan'ny CNN, AlJazeera, BBC amin'ny fantsona niomerika eto an-toerana.

Andro vitsivitsy monja izay io fanapahana goavana ataon'ny Fanjakana io no efa noresahan'i Emma Sinclair-Webb avy amin'ny Human Rights Watch (HRW) :

Iray amin'ireo olana goavana mikasika ny zon'olombelona any Tiorkia ny tsy fandeferana mikasika ny fahafahana maneho hevitra. Tsy mitsahatra ny manenjika mpanao gazety ho manala baraka azy ireo mpanao politika. Ireo mpanoratra sy mpanonta indrindra indrindra no tsy marisika hanome alàlana ny fanakianana ny governemanta noho ny tahotra sao hanohintohina ny tombontsoa hafa manokan'ny lehibeny.

Juan Cole manohy io hevitra io ihany :

Ny fomban-drazana ara-politika  Tiorka dia niavaka manokana amin'ny tsy fandeferana amin'ireo tsy mitovy hevitra aminy, ary mampalahelo fa ny AKP [antokon'ny maro an'isa eo amin'ny fitondrana] dia manohy ny fomban-drazana fampanginana  ny kabary politika tsy lanin'ny vavoniny. Sokajian'ny Reporters without Borders ho any amin'ny faha 154 ny firenena raha resaka fanehoan-kevitra malalaka, ary 76 ireo mpanao gazetiny no any amponja, ary “farafaha-ratsiny 61 amin'ireo nigadra ireo dia vokatry ny asany mivantana avokoa”. Tena gaga ny mpitazana nahita fa ireo gazety nivoaka ny marainan'ny Sabotsy tao Tiorkia dia mangina tsy miloa-bava mikasika ireo hetsi-panoherana. Norahonana hanakombona ny vavany mikasika ireny tranga ireny ireo tonian-dahatsoratra.

Ho an'ireo hazo ireo irery “ihany” ve io?

Na dia somary notohanan'ny olona ihany aza ny governemantan'i Erdogan, ireo drafitra mikasika ny fanamboarana ny tanàna no lasa tena fototr'olana. Ny ohatra vao haingana dia ny fanokanana tamin'ny 29 May 2013, nataon'ny Praiminisitra Erdogan ihany, ny tetezana fahatelo eo amin'ny Elodranon'i Bosphore. Hitarika fanesorana hazo hatramin'ny 350 000 ka hatramin'ny 2 tapitrisa io (samy manana ny isa omeny ny loharanom-baovao tsirairay avy). Nandritra ny fety, notndroin'i Erdogan tamin'ireto teniny ireto ny fandraisany andraikitra mikasika ny fibodoana an'i Gezi: “Tsy dia misy dikany loatra ny zavatra ataonareo (mpanohitra). Efa nandray fanapahan-kevitra izahay… Tazoninay hoarahana izany fanapahan-kevitra izany.” Ny fahitan'ny maro azy io dia toy ny fanamparam-pehefana sy kiantranoantrano toy ny fisinahan'ny fanjakana – amin'ny anaran'ny “fanavaozana” ny Kianja Gezi izay ny vinantolahin'i Erdogan no mivoy azy.

Sary iray  izay tena nozaraina betsaka tamin'ny tambajotra sosialy no mamintina ny fihetseham-po ankapoben'ireo mpanao fihetsiketsehana:

Taksim

Sary nivezivezy teny anaty tambajotra sosialy manomboka amin'ny hoe  “Tsy mikasika ny Kianja fotsiny ity” ary nifarana tamin'ny “Mahakasika ny demokrasia ity”

“Taksim daholo na aiza na aiza,  Fanoherana daholo na aiza na aiza“.

Nifangaro voraka be ihany ny toe-draharaha nanomboka ny Sabotsy 1 jona vao nangiran-dratsy. Tsy nanakana ireo olona avy amin'ny lafy politika sy sosialy rehetra misy tsy hanohy ny fifamoriana teo amin'ny kianjan'i Taksim sy teny rehetra teny tao Istanbul sy any Tiorkia ny herisetra famoretana :

@myriamonde: ahitàna fifangaroana mahagaga ankehitriny ireo mpanohitra. miainga avy amin'ireo tiorka fatra-mpandala ny fitiavan-tanindrazana ka hatramin'ny kiorda, olona tena faran'izay tsy mpanao politika, mpitia baolina kitra… Mankafy!

@stevenacook: Tsy IST [Istanbul] irery ihany ity. Antsoina koa hihetsika i Adana, Izmir, Ankara, Eskisehir, Anatalya, Izmit, Bursa, Fethiye, Samsun, Yozgat, sy ny sisa #Turkey

@TCilterkaan28: Ny firaisan-kinan'ny firenena Tiorka Filazam-baovao ao Tiorkia Ireo Mpitsabo Taksim koa ho an'ireo kianjam-bahoaka? #occupyturkeypic.twitter.com/8AEAeb078o

@sciencewitch: Nosoratan'ny olona eny amin'ny tànany ny karazan-dràny sao sanatria misy ny tampoka #occupygezi #direngeziparkı pic.twitter.com/5CEocyrhUI (via @beyinbilir )

A widely circulated image shows the actor playing Suleyman the Magnificent taking to the streets on June 1, 2013.

Sary iray niely be maneho ilay mpisehatra iray milalao ny Suleyman le Magnifique, nidina teny andalam-be ny 1 Jona 2013

Taloha kelin'ny mitatao vovonana, nitodika tamin'ny firenena ny Praiminisitra Erdogan nilaza fa “Tiorkia dia demokrasia parlemantera mihodina tsara”, nanondro ny fikorontanana mitranga amin'io fotoana io ho “fihantsiana henjana”  sady manameloka mafy ireo fihetsiketsehana toy ny “fankahalàna ny demokrasia” :

MahirZeynalov: Erdogan Praiminisitr'i Tiorkia :ireo fahasahiana /ezaka rehetra  ivelan'ny fifidianana dia tsy araky ny demokrasia avokoa, tsy ara-drariny. #occupyturkey

Erdogan Praiminisitr'i Tiorkia : ireo izay manana olana amin'ny governemanta, afaka mifanatrika aminay izy amin'ny alalan'ny fandatsaham-bato. #occupyturkey

Niteraka hatezerana sy esoeso teny anaty aterineto io lahateny io:

@YesimKitchen: @MahirZeynalov tsy misy mampihomehy amin'io???

@ianbrealey: @MahirZeynalov Oadray. Tsy mahazo n'inon'inona izy, tsy marina ve. Ho anà tetezamita am-pilaminana ao anaty demaokrasia iray dia tokony hampiditra ao anaty politikany ny avy amin'ny fanoherana izy.

@fhenriques: @MahirZeynalov Araka izany, mino ny didyjadon'ny maro an'isa izy fa tsy ny demokrasia izay misolo tena ny tsirairay.

@MaliciaRogue: Ny fandraisan'ny Praiminisitr'i Tiorkia ny atao hoe demokrasia dia toy ny Lalao Olaimpika: fifidianana iray andro izay karakaraina isaky ny 4 taona #occupygezi #Taksim

 

Tatitra honohon'ny nampiasàna ny “kasinga volom-boasary“, fitaovam-piadiana simika iray nampiasaina nandritra ny ady tany Vietnam, no nivoaka nandritra io andro io, ary nahitsy taty aoriana kely. Fanampin'izany, nisy koa vaovao tsy marim-pototra mikasika ny sakana ataon'ny governemanta na fanapahana ny aterineto sy ny serasera GSM manerana ny firenena. Karazana loharanom-baovao maro no nitatitra fa tsy lavorary ny fifadraisana 3G tamin'ny Taksim, izay nambara nony avy eo fa hoe vokatry ny fiangonana be loatra fa tsy noho ny fanakanana izay ataon'ny fanjakana akory. Ireo mpikatroka mahery fò avy amin'ny Telecomix koa nandà sy nanitsy fa tsy voabahana ny aterineto. Mifandrindra ny firaisankina, na eo aza ny fahatapahan'ny fifandraisana :

@Bcdmir: #occupygezi Nahita ireo mpitsabo aho, ireo mpianatra ho mpitsabo, ireo mpivarotra fanafody nizara ny findainy mba hanampiana ireo olona maratra

@sciencewitch: Nitatitra olona tany amin'ny Taksim tsy nisy sarany ireo fiarakaretsaka. Manome sarom-bava maimaimpoana ireo mpivarotra fanafody. Ny misy dia governemanta manohitra ny vahoakany. #occupygezi

Mba hanarahana ny fizotran'ny zava-mitranga, tadiavo ny tenifototra  #occupygezi, #Taksim, #OccupyTaksim, #OccupyTurkey, #Turkey ao amin'ny Twitter. Ny bilaogy kiritika #OccupyGezi Tumblr no misy fanavaozana ara-potoana miaraka amin'ny sary, ary nanangana vovonana iaraha-miasa sy amin'ny fiteny maro samihafa mikasika ny tranga ny Turkish Indymedia . Mandritra izany fotoana izany dia fanangonan-tsonia iray no nalefan'i Avaaz mangataka an'i Erdogan mba hanome didy hanajanona ny herisetran'ireo mpitandro ny filaminana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.