Brezila: Maizina Hoavy, Sarimbavy Lasibatry ny Fanondranana Olona

Ity lahatsoratr'i Andrea Dipp, avy ao amin'ny Agência Pública (izay mpiara-miasa amin'ny Global Voices ), ity dia navoaka ho tahaka ny lahatsoratra fanadihadiana momba ireo “travestis” (sarimbavy) avy ao Fortaleza, ary nanana ny lohateny hoe “VOU BOMBAR PARA COBRAR MAIS NA COPA” (“HANABONTSIN-TENA AHO HAHAZOAM-BOLA MANDRITRA NY MONDIALY” ) tamin'izany ary anisan'ny dosie manokana #CopaPública miresaka momba ny mondialy 2014. Hozaraina telo ny lahatsoratra eto amin'ny Global Voices. Ity ny fizarana faharoa.

Ny fizarana voalohany dia azo vakiana ato: “Brezila: Silicone sy trosa ho an'ny travestis (sarimbavy), ho fiomanana amin'ny mondialy”

Lívia Xerez mpandrindra ny sampana miady amin'ny fanondranan'olona eo anivon'ny sekretaria jeneralin'ny fitsarana sy ny mahaolom-pirenena eo anivon'ny fanjakan'i Ceará no nanambara fa na dia eo aza ny filazan'ny sarimbavy, manamafy fa safidy manokana no andehanany, dia mbola azo heverina fa fanondranan'olona ny toe-draharaha. Raha raisina ho fenitra ny fifanarahan'ny ONU miady amin'ny fikambanan-jiolahy iraisam-pirenena, nosoniavin'ny governemanta tamin'ny 2004, dia hoy ny fanazavany :

Por mais que elas não denunciem ou achem que estão indo porque querem, o protocolo de Palermo define o tráfico de pessoas como ‘o recrutamento, o transporte, a transferência, o alojamento ou o acolhimento de pessoas, recorrendo à ameaça ou uso da força ou a outras formas de coação, ao rapto, à fraude, ao engano, ao abuso de autoridade ou à situação de vulnerabilidade ou à entrega ou aceitação de pagamentos ou benefícios para obter o consentimento de uma pessoa que tenha autoridade sobre outra para fins de exploração’. Neste caso, elas seriam as vítimas e os aliciadores os criminosos.

Na dia tsy misy aza ny olona torian'izy ireo na mieritreritra izy ireo fa araka ny faniriany ny fandehanan-dry zareo, ny fifanarahan'i Palerme no mamaritra ny fanondranana olona ao amin'ny ‘fandraisana, fitaterana, famindrana, fampiatranoana olona norahonana na nampiasana hery na endrika fanerena hafa, tamin'ny alalan'ny fakana an-keriny, famitahana, fihoara-pahefana na fanararaotana fahalemena, na fanomezana na fanekena handray vola na tombontsoa hafa nikendrena hahazoana ny faneken'ny olona iray mitana ny fahefana, noho ny antony fitadiavam-bola’. Eto amin'ity tranga ity, sady lasibatra ry zareo no tompon'andraikitra, tompon-keloka. .

Mbola maro ny hevi-draikitra sy ny tahotra avy amin'ireo lasibatra, hanondroana ireo tompon'andraikitra. Manohy i Livia :

Elas são ludibriadas com promessas de uma vida nova, por vezes luxuosa, de ganhar mais dinheiro e por isso não conseguimos chegar. Muitas também têm medo, talvez por sermos um aparelho oficial, de que serão criminalizadas, quando na verdade elas são as vítimas. Por isso ainda não conseguimos provas de que isso têm aumentado por conta da Copa, apesar de termos fortes suspeitas.

Voafitaky ny fampanantenana fiainana vaovao ry zareo, (fiainana) indraindray aza tsara dia tsara, hahazo vola betsaka kokoa, ary izay no iray amin'ny antony sarotra ny manakatra azy ireo. Maro amin'izy ireo ihany koa no matahotra, angamba noho izahay misolo tena fikambanana ara-panjakana, fandrao lazaina fa anisan'ny jiolahy ry zareo, nefa ny tena marina ry zareo no lasibatra. Izany ihany koa no mahatonga anay tsy mahangona ny porofon'ny fitomboan'isan'ny tranga noho ny mondialy, na dia miahiahy fatratra [izany fitomboana izany] aza izahay.

Antony iray mahabetsaka ny fanondranana olona ihany koa ny fahavitsian'ny asa azon'ny sarimbavy idirana, hoy ny fanazavan'i Lídia [mpitaiza ao amin'ny Barraca da Amizade, Bar finamanana]:

Nós temos uma parceria com o programa Vira Vida do SESI, que dá cursos profissionalizantes para elas mas, no fim das contas, quantas empresas contratam travestis? Nós trabalhamos com muitos garotos que nem eram travestis, eram apenas homossexuais, mas foram colocados para fora de casa e apareceu uma cafetina que ofereceu dinheiro caso eles se montassem. Para a juventude não existem políticas públicas em Fortaleza como existem para crianças e adolescentes – que ainda assim são escassas. As travestis têm o discurso da emancipação, como se a prostituição fizesse parte da própria identidade de ser travesti. Mas nem todas estariam ali se tivessem outras opções.

Manana fiaraha-miasa amin'ny fandaharan'asa Vira Vida na manova fiainana an'ny SESI (Sampan-draharaha Sosialin'ny Indostria) izahay, izay manolotra ho azy ireo fizaran'asa, saingy, aleo tsy mamita-tena, iza ny orinasa mandray sarimbavy ? Miara-miasa amin'ny tanora maro tsy travestis (sarimbavy) izahay, fa pelaka, voaroaka avy any an-tranony ry zareo dia mipoitra avy any ny makorely (tompon-trano iasan'ny mpivaro-tena) manome vola azy ireo raha manaiky ny hodidiana ry zareo. Tsy misy ny politika ho an'ny tanora ao Fortaleza raha misy izany ho an'ny ankizy sy ny vatombatony – saingy tsy ampy ireo. Mpanao kabarim-pivelarana hatrany ny sarimbavy (travestis), tahaka ireny hoe mahaizy ny travesti mihitsy ny fivarotan-tena. Saingy tsy ho tavela teo ny rehetra raha nanan-tsafidy ry zareo.

Projeto ViraVida SESI oferece cursos profissionalizantes para criança, adolescentes e travestis/ Vira Vida SESI/Facebook

Ny tetikasa Vira Vida (Manova fiainana) ao amin'ny SESI, iray amin'ny mpiara-miombon'antoka amin'ny fikambanana Barraca da Amizade (Bar fianamanana) izay manolotra fampianaran'asa ho an'ny travestis/ Vira Vida SESI/Facebook

Marcela [novaina ny fanampin'anarana], 22 taona, dia tafiditra soa aman-tsara ao amin'ny lasitra nofariparitan'i Lídia. Taorian'ny fianarana asa sy ny fitadiavan'asa maro nataony dia tavela teny amoron-dalana izy. Tamin'izahay tafahoana taminy tao amin'ny tsenam-barotra iray tao São Paulo mba hiresadresaka, dia nanintona ny mason-dehilahy rehetra nandalo teo ny vatan'ilay cearense (Naoty: avy any Cearà), [vatana] novidiana noho ny rafitra nofariparitan'i Carla e Luana. “Tonga teto São Paulo aho tamin'ny volana avrily tamin'ny herintaona. Telo volana no nandoavako ny fandidiana, avy eo aho mbola nanampy, naloako tao anatin'ny iray volana, ary 20 andro no nandoavako ny solo-nono (prothèse des seins)” hoy ny reharehan'ilay travesti.

Miasa izy manomboka amin'ny folo ora maraina ka hatramin'ny sivy ora alina ka indray mandeha no mahazo fiatoana hisakafo, ao amin'ny fandefasana sarimihetsika vetaveta iray ao afovoan-tanàna :

Chego a tirar oito mil reais por mês mas trabalho muito e não saio nem uso drogas. Todo o meu dinheiro vai para a minha mãe e para o banco porque quero comprar uma casa.

Mahazo hatramin'ny 8000 réais (3000 euros) isam-bolana aho saingy miasa mafy ary tsy mivoaka mihitsy sady tsy mandray rongony. Ny vola rehetra azoko dia omeko ny reniko sy ny banky satria te-hividy trano aho.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.