Entona Mandatsa-dranomaso Sy Tifitra Rano Ho An'Ireo Mpamonjy Fetin'ny Asa Tany Istambul

Rakotry ny entona mandatsa-dranomaso Istambul rehefa nihantsian'ny mpanao fihetsiketsehana nanaovana fihaonana teo amin'ny kianja Taksim mari-pamantarana ny tanàna, izay toerana mahazatra fanaovana ny fankalazàna ny Fetin'ny Asa isan-taona. Saingy sakanan'ny governemanta tsy azo hanaovana fihetsiketsehana io toerana io tamin'ity taona ity, satria eo an-dàlam-panamboarana.

Nanjary tany fiadiana ka niteraka fahasimbam-pananana sy nandratra olona am-polony ilay tanàn-dehibe misy mponina 15 tapitrisa noho ny fifandonana nisy teo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro ny filaminanana. Nanafatra mpitandro filaminana efatra fiaramanidina avy any amin'ny tanàna hafa mihitsy ny mpitandro filaminan'i Torkia hanampy azy ireo amin'ny famehezana ireo mpanao fihetsiketsehana tsy mitsaha-mitombo.

Isan'ireo naratra ireo ny mpanao gazety efatra sy mpianatra iray amin'ny ambaratonga ambony izay voadona tamin'ny lohany, tsaboina eny amin'ny tobim-pitsaboana ary atahorana ny ainy. Any amin'ny tobim-pitsaboana  ihany koa ireo mpanao politika mpanohitra izay tratran'ny entona sy voadaroky ny mpitandro filaminana

Istanbul demostrators under teargas on Labor Day celebrations

Rakotry ny entona mandatsa-dranomaso ny mpanao fihetsiketsehana tany Istanbul nandritra ny fankalazana ny Fetin'ny Asa. Sary avy amin'i Burak Kara. Nahazahoana alàlana

Eo an-dàlam-panamboarana efa am-bolana maro izao ny Kianja Taksim, toerana mahazatra fanaovana ny fankalazana ny Fetin'ny Asa ao Istambul mba ho fanamaivanana ny fitohanan'ny fiara manodidina azy. Efa nifampiresaka ireo mpitantana ny tanàna sy ireo fiombonan'ny mpiasa izay manizingizina ny hanaovana ny fankalazana eo amin'ny Taksim ny 30 Aprily 2013 mba hitadiavana toerana hafa nefa tsy nisy vokany izany. Nanome baiko avy hatrany ny mpitantana ny tanàna hanafoanana ny fitateram-bahoaka rehetra eo anelanelan'ny sisintany Aziatika sy Eoropeana mankany amin'ny Kianja Taksim. Tato aoriana kely, nandritra ny valan-dresaka nataon'ny Governoran'i Istambul Mutlu no nandraràny ny hetsika rehetra atao ao Taksim ny 1 May.

Nanome topimaso i Ayla Jean Yackley (@aylajean) mpanao gazety mikasika lanja ara-politikan'ny kianjan'i Taksim ho an'ny governemanta sy ho an'ireo vondrona hafa :

@aylajean: Heverina ho toy ny alikakelin'ny PM Erdogan ny tetikasa Taksim. Manana dikany maro ara-politika, ara-kolontsaina ho an'ireo antokon'olona maro any Torkia ilay kianja.

Ny tsy fisian'ny fitaterana tao amin'ny tanàna misy mponina miisa 15 tapitrisa no nahatonga ny fiainan'ny olona hikiaka fampiatoana ny 1 May. Ireo fiombonan'ny mpiasa, ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana ary ny antoko politika mpanohitra dia manana drafitra samy hafa. Nandeha manokana na mitambatambatra ireo mpanao fihetsiketsehana an'arivony nizotra nankany Besiktas, Sisli ary ny faritr'i Mecidiyekoy, nihodidina an'i Taksim. Vao niposaka ny masoandro tany Istambul dia vaky ny ady voalohany tany Besiktas:

Labor Day rally teargassed in Istanbul, May 1, 2013. Photo tweeted by Deniz Atam, used by permission

Fivoriana fetin'ny asa tao ambany entona mandatsa-dranomaso tany Besiktas, Istanbul, ny 1 May 2013. Sary nobitsihin'i Deniz Atam. Nahazoana alàlana

@aslitunc: Voafehin'ny mpitandro filaminana İstanbul androany, noraràna ny fitateram-bahoaka, nosakanana ny làlana, nampiasaina be ny tsifotra miharo dipoavatra, manenjika ny mpanao fihetsiketsehana ny mpitandro filaminana.

Fomba iray hafa hanakanana ireo mpiasa tsy ho tonga any amin'ny toerana alehany ihany koa ny  fanalana ny tetezana manelanelana ilay saika nosy manan-tantara sy Taksim :

Galata Bridge raised to stop protesting workers. Photo by Dilek Zaptçıoğlu on Twitter, used by permission

Tetezan'i Galata natsangana mba hisakanana ireo mpiasa mpanao fihetsiketsehana. Sary avy amin'i  Dilek Zaptçıoğlu tao amin'ny Twitter, nahazoana alàlana

Fa raha mbola manandrana mamonjy an'i Taksim ihany ireo vondrona maro samy hafa, ireo mpitandro filaminana manao andiany vitsy na maromaro  kosa dia manafika ireo mpanao fihetsiketsehana amin'ny làlana rehetra, ny arabe sy ny làlan-kely, amin'ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso sy fitifirana amin'ny rano. Tao anatin'ny adin'ny roa, nanjary tany fiadiana ny sisiny eoropeana amin'ny tanàna. Voan'ny tifitra baomba mandatsa-dranomason'ny mpitandro filaminana ihany koa ny fiara mpamonjy voina sy ireo mpizaha tany :

@oemoral: Bitsihan'ny mpampiasa Twitter mitatitra avy any amin'ny làlana any amin'ny sisin'ny #Besiktas fa toy ny tanin'ady any. Mikorontana na ny olona na ny trano fivarotana, noho ny entona sy ny tifitra rano #MayDay #Istanbul

@ErdiErge: Tsipazan'ny mpitandro filaminana baomba mandatsa-dranomaso ny fiara mpitatitra marary, betsaka ny maratra any #istanbul #laborday #Turkey

@CeylanWrites: Na ny mpizaha tany aza dia voan'ny baomba mandatsa-dranomaso ! notaterin'i  Radikal #istanbul #1mayis

@Ziya Meral: Ny bitsika masiaka tsara indrindra androany avy any Istambul dia ny : ” Omaly lanonan'ny Jazz, androany lanonan'ny Gaz / Entona”

Nitaraina tamin'ny herisetran'ny mpitandro filaminana  hatramin'ny haino aman-jery mahazatra. Fa amin'ny ankapobeny nampiahotra ny gazety ny hitantara ilay zava-niseho nahamenatra tao Istambul tamin'iny tontolo andro iny.  Nampiasa sarinà [tr] mpanao fihetsiketsehana manipy tavoahangy misy solika fandrehitra ireo vondrona mpilaza vaovao akaiky ny governemanta mba hivoizana ilay hevitra hoe : ny mpamonjy ny Fetin'ny Asa no “fototra”.

Ampitovian'ny sasany ao amin'ny Twitter amin'ny tetikadin'ilay mpanao didy jadona taloha tany Afovoany Atsinanana ny ataon'ny Praiminisitra Tiorka Erdogan :

@erdierge: Ny hery setra ataon'ny mpitandro filaminana #istanbul dia mbola ratsy lavitra noho ny #ArabSpring Mbola tsara ny mpitandro filaminan'i Mubarak noho ny an'i Erdogan  #turkey #laborday #1mayis

Nanimba fananan'olona ihany koa ny baomba mandatsa-dranomaso :

Damage caused by teargas canisters to homes. Photo tweeted by @farkindayimm, used by permission.

Fahasimbàna vokatry ny baomba mandatsa-dranomaso any an-tranon'olona. Sary nobitsihan'i  @farkindayimm, nahazoana alàlana.

Nony farany dia niparitaka ireo mpanao fihetsiketsehana rehefa avy niresaka fampitsaharana tamin'ny mpitandro filaminana ny mpitarika ny fiombonan'ny sendikàn'ny mpiasa :

Protesters teargassed in Besiktas. Photo tweeted by @13melek, used by permission

Mpanao fihetsiketsehana voan'ny entona mandatsa-dranomaso tany Besiktas. Sary nobitsihan'i @13melek, nahazahoana alàlana

Haingana ny fanamelohan'ny Fiombonan'ny Firaisan'ny Mpiasa maneran-tany ny herisetran'ny mpitandro tany Istambul.

Nody tany an-tranony ny rehetra hijery andianà tantara ao amin'ny TV Tiorka sy hanao ny asa mahazatra azy ireo rehefa hariva taorian'ny tontolo andron'ny herisetra nahatonga ratra sy tsy fandraisana andraikitra ary fanehoankevitra mahatezitra nataon'ireo manampahefan'ny governemanta sy ny mpanao gazety tahaka azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.