TPP: Loza Goavana Mananontanona Ny Aterineto Erantany Hatramin'ny ACTA?

Niarahan'i Maira Sutton sy Katitza Rodriguez avy ao amin'ny Electronic Frontier Foundation nanoratra ity lahatsoratra ity. Hita eto ny lahatsoratra niandohana.

Hivory indray any Lima, Però ny 15-24 May i Etazonia sy ireo governamanta folo manodidina ny faritr'i Pasifika mba handinika ilay fifanarahana ara-barotra Fiaraha-miombon'antoka manerana an'i Pasifika (Trans-Pacific Partnership  (TPP)). Loza vaovao faran'izay ratsy indrindra mananontanona ny aterineto ny TPP  hatramin'ny nisian'ny ACTA (Anti-Counterfeiting Trade Agreement). Koa satria fivoriana miafina hatrany am-boalohan'ny dingana, dia nitady ny hahalala bebe kokoa ny momba ilay fifanarahana mifototra amin'ny drafitra niparitak’  [PDF]  ilay fifanarahana tamin'ny Febroary 2011 ireo mpanisika hevitra. Mifototra amin'izay lahatsoratra izay, nivoaka ny antontan-kevitra hafa, ary ny endrika tsy maha-demokratika ilay dingana manontolo, manana ny rariny mihitsy isika ny ho taitra mikasika ny fampiharana ny zon'ny mpamorona voarakitra ao amin'ity fifanarahana ara-barotra iraisam-pirenena ity.

Tahaka ny nanafatra ny sasany amin'ireo lafiratsin'ny lalàna Amerikana momba ny zon'ny mpamorona ho any amin'ireo firenena any Pasifika ny TPP : fandraràna tanteraka ny famahàna ny hidy dizitaly amin'ireo fitaovana sy ny tsangan'asa (na dia ny ho fampiasàna araka ny lalàna aza), ny fiarovana ny zon'ny mpamorona ho fitopolo taona aorian'ny fahafatesany fara-fahakeliny ( 50 taona aorian'ny fahafatesana ny fifanarahana iraisam-pirenena amin'izao fotoana izao), fanomezana ho an'ny vondrona tsy miankina ny fampiharana ny sazin'ny fandikan-dalàna momba ny zon'ny mpamorona, ny onitra ho an'ny fahaverezam-bola nefa tsy misy porofo mazava ary ny fangalàn'ny fanjakana ireo solosaina sy fitaovana voalaza fa nampiasaina ho amin'ny fangalarana. Ambonin'izay, mbola ratsy lavitra noho ny lalàna Amerikana mifehy ny zon'ny mpamorona ny TPP : tsy mampita ireo didim-pitsaràna maro sy ireo zava-maningana ao ambany lalàna Amerikana izay manome tombony ny tombontsoan'ny vahoaka izy ity no sady miasa tahaka ny varavarana kely fivoahana raha misy loza, amin'ny fameperana ny fiarovana ireo tompon'ny zo.

Fa ny loza dia hanangoly ireo olona sy orinasa mpampiasa aterineto, hanova ny fitondrantenany sy ny fahafahany mamorona ety amin'ny tranonkala ny zava-boarakitr'io dika vonjimaikan'ilay fifanarahan'ny TPP io. Ny hampivondronana ireo firenena manodidina an'i Pasifika ho fanatsarana sy fandaminana ny lalàna ifampifehezany amin'ny varotra no nambaran'ny TPP fa tanjony, fa raha ny marina dia zavatra hafa mihitsy mihoatra noho izany izy io. Hanery ireo firenena nanao sonia hanova ny lalàna mifehy ny zon'ny mpamorona ao aminy ny toko momba ny “fizakà-manana ara-tsaina” ao amin'io fifanarahana ara-barotra mafonja io. Tsy fanovàna ireo lalàna efa misy ihany fa famerana ihany koa ny tsy hanaovana lalàna vaovao mifandanja kokoa amin'ny hoavy hifehy ny zon'ny mpamorona ny fanekena io lalàna vaovao io.

Io paikady io dia mety hanohintohina mafy ireo lalàna efa tsara fipetraka any amin’ire  firenena toa an'i Shili, izay ilàn’ny ISPs ny baiko avy amin’ny fitsarana mba ho azo tànana ho tomponandraikitra raha misy ny fanitsakitsahana ny zon’ny mpamorona na fanafoanana votoaty. Ny rafitra tahaka itony no miaro kokoa ireo mpampiasa sy ny mpanelanelana amin'ny fanafoanana tsy araka ny tokony ho izy na nateraky ny sivana. Raha toa ka manery ireo firenena hanangana rafi-pitondràna fampitandremana sy fanafoanana votoaty fehezin'olon-tsotra ny lahatsoratra voarakitra farany ao amin'ny TPP, dia mety ho izay no vita ny amin'ny rafitra misy any Shili. Mety hanozongozona ny rafitra misy any Kanadà koa io.

Mbola afaka sady hanohy hampiasa ny heriny ara-toe-karena sy ara-politika mba hanaovana lalàna miaro ny tombontsoany ireo orinasa mpamokatra sarimihetsika, mozika ary votoaty hafa. Nataony izany niaraka tamin'ny SOPA sy ny ACTA, ary izay ankehitriny no mitranga miaraka amin'ny TPP [es]. Fanamby ny handresena ireny politika ireny. Fanamby lehibe ny ady atao amin'ireo politika ireo, nefa azon'ny mpampiasa atao izany. Heverina ho vita amin'ny volana Oktobra ny TPP, nefa ny tarigetrantsika dia ny hanalàna izay ratsy indrindra ao anatin'ireny fepetran'ny zon'ny mpamorona ireny. Ny fiadiana tsara indrindra dia ny fanehoantsika fa tsy milefitra amin'izany isika : mangataka fomba fiasa malalaka sy mangarahara mety amin'ny rehetra, ahitàna ireo manana traikefa avy amin'ny vondron'olon-tsotra, hanadihady, hanontany ary hikaroka ireo hetsika rehetra mikendry hifehy ny aterineto. Tsy maintsy hatsahatra indray mandeha tsy miverina io tsiambaratelo io.

Eo am-piasàna mba hanova ny paikadin’ny TPP sy hampiharihary ny ahiahin’ny mpampiasa ireo mpiaro ny zo dizitaly maneran-tany. Afaka manatevina lahàrana ny fanentanana tarihan’ny ONG Kanadiana OpenMedia ireo mpampiasa any amin’ny firenena samy hafa amin’ny fanapotserana eto. Ireo mpampiasa any Etazonia dia afaka mifandray ao amin’ny fanentanan'ny EFF, mitodika amin'ireo mpikambana ao amin’ny Kongresy Amerikana, izay mangataka ny hamoahana avy hatrany ny lahatsoratry ny TPP ary mangataka ny tokony haha-demokratika sy mangarahara ity dingana ity.

Misy sary (infografia) avy amin'ny EFF manazava ireo endrika tena maizina fonosin’ny TPP ito ambany ito. Iangaviana ianao mba hanaparitaka ny feo momba ny fiantraikan’io fifanarahana io aminao sy ny firenenao. Manaova potsitra havanana dia raketo ny sary PNG, na azonao trohana ito endrika PDF eto ambany ito. Amboary, adikao ny teny. Tsy maintsy arovantsika amin’io fifanarahana miafina io ny Aterineto.

 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.