Tiorkia: : Mpialokaloka Siriana No Voaheloka Taorian'ilay Fipoahana Tao Reyhanli

Ny 11 May, Reyhanlı [en] tanàna Tiorka kely any amin'ny sisintany manasaraka an'i Tiorkia sy Syria, no teo ambany fanafihan'ny mpampihorohoro. Io no fanafihana mpampihorohoro goavana indrindra [en] teo amin'ny tantaran'ilay firenena repoblikana 90 taona. Taorian'ny fipoahana, olona sivy no notànan'ny [en] mpitandro ny filaminana. Nilaza ny manampahefana [en] fa fiara roa no nampiasaina nanapoahana baomba ka  maherin'ny 50 ireo olona maty ary nahatratra 100 ireo olona naratra mafy. Nefa ao amin'ny media sosialy, nandeha ny tsaho fa maherin'ny 100 no tena isa marin'ireo niharam-boina.

Nibitsika i shiny (@Idauk), mpampiasa Twitter, hoe [Tr]:

@Idauk Simdi Antakya'dan arkadasimla konustum.Olu sayisi 100'un uzerinde diyor.Reyhanli'da fiili sokaga cikma yasagi varmis.Hastahaneler perisan.

Vao avy niresaka tamin'ny namana iray avy any Antakya aho. Voalazan'io namako io fa, manodidina ny 100 ny isan'ny olona maty. Ary koa, misy ny fandrarana tsy hivoaka amin'ny alina. Tototra daholo ireo hopitaly rehetra.

Taoriana kelin'ny fipoahana, nandràra ny media tsy hamoaka [en] mikasika ny fipoahan'i Reyhanli ny governemanta Tiorka. Niteraka fahatezerana goavana teo amin'ny media sosialy io fandraràna io. Manoratra ny mpampiasa Twitter denizatam (@denizatam) hoe:

@denizatam AKP çareyi buldu, Reyhanlı için yayın yasağı başladı! Ana akım medya yetmedi yerel basını sustur şimdi. http://haber.sol.org.tr/devlet-ve-siyaset/akp-careyi-buldu-reyhanli-icin-yayin-yasagi-basladi-haberi-72848 …

Nahita vahaolana ny AKP (Antoko Lalàna sy Fampandrosoana). Navoaka ny fandraràna ny media mikasika ny Fipoahana tao Reyhanli! Tsy ampy ny fampahalalam-baovao mahazatra, fotoana izao  hampanginana ny media eto antoerana.

Nanohitra[en]  ilay fandraràna ny media ireo mpanao gazety. Ao amin'ny Türkmax, notoherina tamin'ny fomba maro feno esoeso sy mandratra ilay fandraràna ny media, ao amin'ny fampisehoana vazivazin'izy ireo “Heberler”. Ao anatin'ilay horonantsary, nanokatra ny fandaharany tamin'ny fipoahana tao Reyhanli ny mpilaza vaovao . Vokatry ny fandraràna ny media, tsy nahita nambara izy. Ity ilay lahatsary [tr] :

A picture at bobiler.org on the blast media ban

Sary iray ao amin'ny bobiler.org momba ny fandraràna ny media

Ilay tranonkala Tiorka miompana amin'ny sary mahery setra sy ny fanomezana endrika, bobiler.org, dia nandefa sary mikasika ilay fandraràna ny media. brewolve, mpampiasa azy io dia  nanomana sary mikasika ny fihetsiky ny median'i Tiorkia  momba ny fipoahana tao Reyhanli, satria tsy nanao afa-tsy ny nanaraka ny fandaharany mahazatra azy ireo media ary tsy niteny mihitsy momba ny fipoahana tao Reyhanlı. Azo jerena eto ny sary :

Na teo aza ny fanalan'ny fitsaràna Tiorka ny fandraràna ny media, ny 16 May, lahatsary iran'ny YouTube no manamafy fa tratra ny tanjona . Tao anatin'ilay lahatsary [tr], mpanao gazety iray no naka ambavany olona maro teny amin'ny arabe nanontany azy ireny hoe  “Ahoana ny hevitrareo mikasika ny Reynhali?”. Valinteny manafintohina no azo; olona iray ihany no nahalàla ny fisian'ny fipoahana, ary vitsy no nahatsiaro izay toerana nisy ilay tanàna, ary ny ambiny tsy nanan-kevitra hoe taiza no nitranga, na inona no nitranga tao Reynhali, na dia dimy andro monja taorian'ny fipoahana aza no nandraketana an-tsary an'ilay lahatsary. Ity ilay horonan-tsary:

Misy koa ireo tatitra [tr] mikasika ny fanavakavaham-bolonkoditra atao amin'ireo Siriana mpialokaloka. Nandritra ny ady an-trano Siriana, nitsoaka nankany Antakya [en], tanàna Tiorka iray any amin'ny sisintany Sirana sy Tiorka, ary Reynhali, tanàna iray ao ihany, ireo mpialokaloka Siriana sy ireo mahery fo. Raha vao niainga ireo mpialokaloka sy mahery fo [en] ho any Antakya, ambony dia ambony ny fihenjanana teo amin'ireo tompon-tany sy ny Siriana. Ao anaty tatitra dia izao no voalaza :

“Suriyelilerin yaşadığı binalara topluca gidilmiş birçok ev yakılmaya çalışılmış, ele geçirilen kişiler darp edilmişlerdir. Aşırı milliyetçi/ulusalcı eğilimlere sahip partilere mensup fanatiklerinden olduğu söylenen ve her geçen gün sayıları artmakta olan bu gurup, yaşanan gelişmelerden Suriyelileri sorumlu tutmakta, Reyhanlı ilçe merkezinde devriye gezerek sıklıkla yol kesmekte, Suriyeli veya Suriye vatandaşı olduğunu zannettikleri kişileri linç etmeye çalışmaktadırlar”

Vondron'olona iray no lasa nandeha nankany amin'ny tranobe fonenan'ireo Siriana, nodarohan'izy ireo izay olona tratrany. Araka ny voalaza, ireo olona ireo dia mpikambana amin'ny antoko nasionalista hiringiriny ary nitombo maro ny isan'izy ireo, nanendrikendrika ny Siriana ho tompon'antoka tamin'ny fanapoahana izy ireo, ary nivezivezy teny afovoan-tanànan'i Reynhali izay nihazany ny Siriana sy ireo olona mitovitovy amin'ny teratany Siriana :

Nanome fanehoankevitra mifangaroharo be ihany ireo Tiorka teny anaty media sosialy momba ilay fanafihana nanjo ireo  Siriana tao Reynhali.

T.C. Zehra Aydogan (@TurkKizi1919) Mpampiasa Twitter, tezitra tamin'ireo Siriana any Antakya :

 @TurkKizi1919 Turkiye'ye yerlestirilmeye calistiklari Suriyeli Multeci dedikleri terorsitlerdir.

Ireo Siriana antsoina hoe  mpialokaloka izay te-honina any Tiorkia, raha ny marina dia mpampihorohoro.

Mpampiasa iray hafa, T.C.Devrim #ATATÜRK (@saadet_karakus), tezitra tamin'ny governemanta mikasika ny fanampiana ireo mpialokaloka fa tsy ny tompon-tany:

@saadet_karakus Suriyeli multeci icin milyar dolar harcayanlar,Reyhanlı esnafının vergi, sigorta borçlarını 1 yıl erteliyor.Silsene o borcu buyuk devlet!

Ireo izay mandany vola amina miliara amin'ny Siriana mpialokaloka , dia manome famindram-po herintaona tsy handoavana trosa ho an'ireo mpivarotra any Reinhali. Fafao ireny trosa ireny e,  ry governemanta matanjaka a!

Mpampiasa Twitter i Sami Pelitli (@SamiPelitli) no niteny hoe :

@SamiPelitli Reyhanli'da patlayan bomba yuzunden multecileri suclamak, onlara saldirmak nasil bir vicdansizliktir? Bir de irkci degiliz dersiniz.

Mba karazana filàm-baniny toy inona ity e, miampanga ireo mpialokaloka mikasika ny fipoahana tao Reyhanli, ary manafika azy ireo? Ary ianao ihany koa no miteny fa tsy mpanavakavaka isika

Mibitsika i Hayko Bağdat (@haykobagdat), mpanao gazety, hoe :

@haykobagdat ÖSO, cemaat, AKP'li filanlı olmaktan değil, tehcirin ne olduğunu bildiğimden Suriyeli mültecilere toz kondurmuyorum ben.

Miaro ireo Siriana mpialokaloka aho satria fantatro ny dikan'ny fifindramonina, tsy hoe satria aho mpomba ny FSA (Free Syran Army), AKP  (Antoko Fahamarinana sy Fandrosoana), na ny firahalahiana.

Taorian'ny nahafatesana olona am-polony sy tanàna tany an-tsisintany nisy trano efa ho am-polony rava [en], mitohy hatrany ny fiainana any Reyhanli. Bünyamin Salmanyan (@bunyms), mpampiasa Twitter, dia mahatsiaro an'i Mustafa Ayaz [tr], izay maty nandritra ilay fipoahana tany Reyhanli:

@bunyms Reyhanlı'daki saldırıda hayatını kaybeden 25 yaşındaki Mustafa Ayaz'ın eşi bugün doğum yapmış, adını Mustafa koymuşlar..

Mustafa Ayaz, 25 taona, maty nandritra ilay fipoahana; niteraka ny zanany lahy ny vadiny androany, ary nomeny ny anarana hoe Mustafa…

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.