Mandrara Ny Lohahevitra ‘Tsy-Lazaina Fito’ Ny Governemanta Shinoa

Nisy mpampianatra anjerimanontolo shinoa iray namoaka vao tsy ela tao amin'ny bilaogy bitika shinoa malaza mitovy amin'ny Twitter antsoina hoe Sina Weibo fa nandidy tsy hampianaran'ny mpampianatra anjerimanontolo lohahevitra fito ny fitondrana, ka tafiditra ao anatin'ireo tsy azo ampianarina ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety, ny fahadisoana nataon'ny antoko komonista taloha ary ny zon'olompirenena.

Namoaka ny lisitry ny fady tsy azo resahina hafa i Zhang Xuezhong (張雪忠), izay mampianatra any amin'ny Oniversiten'ny siansa politika sy ny lalàna ao Shina Atsinanana tamin'ny 10 May 2013 ka ireto izany: ny soatoavina manerantany, fiarahamonim-pirenena, zon'olompirenena, fahaleovantenan'ny fitsarana, fahalalahan'ny fanaovan-gazety, ny fahadisoana vitan'ny antoko komonista taloha ary ny saranga kapitalista iangarana manokana.

Nofafana ny kaonty Weibo an'i Zhang taoriana kelin'izany ary nosakanana tsy ho voasoratra amin'ny tambajotran-tserasera lehibe shinoa ny “Fito tsy fanonona” (七不講).

Seven Speak-Nots, image from "Silly Talks" public timeline from Google Plus.

Fito tsy fanonona, sary avy amin'ny “Resaka mamparikivy” naseho ho hitam-bahoaka ao amin'ny Google Plus.

Ankoatra izay taty aoriana dia nasehon'ny fandraisana an-tsoratra “Eo amin'ny toe-draharahan'ny tontolo ara-ideolojia” (《關於當前意識形態領域情況的通報》) navoakan'ny Birao Foibe Ankapoben'ny Antoko Komonista Shinoa tamin'ny 13 Mey 2013 fa nampidirina ho ao anatin'ny politikan'ny fanivanana ny hevi-bahoaka an-tserasera ny politikan'ny “Fito tsy fanonona”. Ny fihodinana farany nataon'ny governemanta hanenjanany ny fanaraha-maso ny kabary sy ny ideolojia dia niafara tamin'ny fanakatonana na fampiatoana ny kaontin'ireo manampahaizana liberaly maro sy ny fanohintohinana ara-politika ireo mpiaro ny zon'olombelona.

Na dia voafafa aza ny ankamaroan'ireo “Fito tsy fanonona”, nahaangona sy namongatra indray ireo hafatra an-tserasera tratran'ny sivana tao amin'ny Google Plus i “Resaka Mamparikivy” (胡言兌):

@Stariver:七不讲也没啥阿。不讲普世价值可以讲专制罪恶,不讲新闻自由可以讲道路以目,不讲公民社会可以讲太平天国,不讲公民权利可以讲屁民遭遇,不讲党的历史错误可以讲假的历史功绩,不讲权贵资产阶级可以讲红二代,不讲司法独立可以讲司法黑幕。

@Stariver: Tsy dia misy zavatra manokana momba ny “Fito tsy fanonona”. Tsy afa-miresaka momba ny soatoavina manerantany isika fa afa-miresaka momba ny faharatsian'ny teniko fe lehibe. Raha tsy afa-miresaka momba ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety isika, afa-miresaka momba ny fifandraisana ampitaintsika amin'ny maso [tantara shinoa taloha momba ny fahalalaham-pitenenana ambanin'ny fanjakan'ny didiko fe lehibe]. Raha tsy afa-miresaka momba ny fiaraha-monim-pirenena isika, afa-miteny momba ny Fanjakan'ny Lanitra Taiping. Tsy mila miresaka momba ny zon'olompirenena isika, afa-miresaka ny zavatra iainan'ny fart-izen [olom-pirenena noverezin-jo]. Tsy miady hevitra momba ny fahadisoan'ny Antoko Komonista Shinoa isika fa afa-miresaka momba ny zava-bita hosoka ara-tantara. Raha tsy afaka miresaka momba ny “saranga kapitalista iangarana manokana” isika dia afaka mitafatafa momba ny “taranaka mena faharoa”. Raha voarara ny resaka fahaleovantenan'ny fitsarana, azontsika resahina avokoa ny tsiambaratelo maizin'ny rafi-pitsarantsika.

@余喷:五不搞了才惊叫?七不讲了才哗然?我觉得都涉嫌程度不同的装外宾了。早在枪响之后,就该断绝最后一丝的幻想了。枪响是迟钝划线。此后的所有卖萌动作,最多具有策略性的价值。而策略性的东东,难免欺庙堂不着而惑江湖良多。

@Yu Pen: Ahoana moa ny itabatabantsika ny Dimy tsy azo atao [naoty: ireto avy ny dimy tsy azo atao: aza manao rafitra ka antokon'olona maro isan-karazany no hitantana ao amin'ny fiholahana (ambadika); Aza manamaro isan-karazany torolalana ara-kevitra; aza “manasaraka ny fahefana telo” ary manangana rafitra roa loha; aza [mametraka rafitra] federaly; aza [mivarotra ny fanana-panjakana ho an'olo-tsotra.] ka hanaitra antsika ny “Fito tsy fanonona”? Aza mihevi-tena ho kely tsy hitan'ny olona. Rehefa mipoaka ny basy, tsy tokony hanonofy isika. Efa tara loatra isika ny hametraka tsipika raha efa nipoaka ny basy. Ny fihetsika rehetra aorian'ny toe-javatra dia ikendrena hamitahana olona.

@songshinan:#说出党的潜台词#普世价值不要讲,要讲中国特色;新闻自由不要讲,要讲党管媒体不变;公民社会不要讲,要讲社会管理创新;公民权利不要讲,要讲和谐社会;党的历史错误不要讲,要高举毛邓旗帜;权贵资产阶级不要讲,要讲中国梦;司法独立不要讲,要讲政法委办案。

@songshinan: #Tonony ny fandaharana miafin'ny antoko# Aza manonona ny momba ny soatoavina manerantany, lazao ny toetra mampiavaka ny Shinoa; Aza miresaka fahalalahan-gazety, resaho ny tsy fiovan'ny median'ny antoko na oviana na oviana; Aza manonona momba ny fiarahamonim-pirenena, resaho ny fiovàn'ny fitantanana sosialy; Aza manonona ny zon'olompirenena, miresaha momba ny fiaraha-monina mirindra; aza miresaka momba ny fahadisoana ara-tantara teo amin'ny antoko komonista, asandrato ny ideolojian'i Mao sy Deng; Aza miresaka momba ireo saranga kapitalista nomena vahana, miresaha momba ny nofin'i Shina; Aza miresaka momba ny fahaleovantenan'ny fahefa-pitsarana, hisahana ny raharaha rehetra ny komity misahana ny eny amin'ny fitsarana.

Misy ny bilaogera shinoa sasany no namindra ny tafatafa any amin'ny Google Plus. Indreto ary ny fanehoan-kevitra teo noho eo ho setrin'ny hafatr'ilay bilaogera mavitrika Wen YunChao momba ilay fanapaha-kevitra politika.

@agan G: 笑话,现在的年轻人早已不属于那个年代,还TM想洗脑!

@agan: Vazivazy izany. Tsy olon'ny vanim-potoana taloha intsony ny tanora ankehitriny, tsy mety amin'ireo ny fanasana atidoha.

@Loby Liang: 唉!他们总结的比我们总结得还好呢!就应该讲这7件事。

@Loby Liang: Aaa… Tsara kokoa noho ny antsika ny fehinteniny! ireo ny lohahevitra tokony horesahintsika.

@Star Dung: 要培养彻底的奴隶

@Star Dung: Mitady hamolavola andevo mpanoa ry zareo.

@Jack ANNA: 我看到了中国共产党发自内心的恐惧。

@Jack ANNA: mahita ny tahotra lalina ao am-pon'ny antoko komonista lalina ao aho.

@沈宏星 哈哈,习近平的尾巴露出来啦。和薄一个样

@Shen Hongxing: Haha, naneho ny tena endriny ny [Filoha] Xi Jinping. Mitovy ihany izy sy i Bo Xilai [Bo dia mpitarika ny Antoko Komonista Shinoa teo aloha izay nanindrahindra ny ideolojia Maoista].

@李冠阳 我们今天上历史课老师也说这个了,我们老师说教学内容要与国际接轨,价值观不能接轨

@Li Guanyang: Nilaza momba izany androany ny mpampianatra tantara anay. Nilaza ny mpampianatray fa tsy maintsy ampilaharina amin'ny fiaraha-monina iraisampirenena ny lesona, fa tsy azo atao toy izany ny soatoavintsika (valera).

“Angano ivelan'ny rindrina” (@墙外仙)nitandrina tamin'ny fampitan-kafatry ny hevitr'i [zh] Zhang Xuezhong ao amin'ny Sina mba hihodinana amin'ny sivana:

如果一个国家总是顽固地拒绝人类社会通行的普世价值,并且迟迟不肯建立以自由、民主和法治为基础的宪政制度,那绝不是因为这个国家有什么特殊的国情,而是因为这个国家有一个特殊的政府:这个政府本身极其败坏和不得人心,以至于根本无法通过公正的法律和诚实的手段,来维持自己的存续!

Raha mikiry hanakana ny soatoavina manerantany izay ifampizaran'ny hafa rehetra manerana izao tontolo izao ny firenena iray ary mandà ny hanangana lalampanorenana mifototra amin'ny fahafahana, demokrasia ary ny fampanjakana ny lalàna, dia tsy noho ny toetra mampiavaka ny firenena izany fa ny toetra mampiavaka ilay fitondram-panjakana: fitondrana mpanao kolikoly tsy mety mahazo ny fanohanan'ny vahoaka ary tsy mahazaka mametraka rafitra misahana lalàna manandratra ny rariny sy ny fahitsiana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.