Filatroana Pakistaney Iray ‘Avia ho Andevoko’ Voakilasy Ho ‘Mpanavakava-Bolonkoditra’

Nitarika fahatezerana manerana ny firenena ireo andian-tsary amin'ny boky novokarin'ilay tanora mpamorona lamaody ao Pakistana noho ny fisian'ny sarin'ankizy manana hoditra matroka manompo mpilatro mazava hoditra.

Novokarin'i Aamna Aqeel ireo karazan'akanjo hita ao amin'ny “(meteza ho andevoko) -Be my Slave-” izay nivoaka tamin'ny gazetiboky Diva laharana 106, nampahafantara ny tenany i Aqeel nandritra ny Herinandron'ny Lamaody ao Pakistan tao Karachi tamin'ny volana Aprily 2013. Nanazava i Aqeel fa ny hampiteraka adi-hevitra momba ny asan'ny ankizy no tanjony ary manohana ara-bola sy mampianatra ireo tovolahy hita amin'ny sary izy.

Satria olana lehibe ao Pakistan ny fanandevozana sy ny fanavakavaham-bolonkoditra, misy ireo nanameloka an'i Aqeel tamin'ny fanaovany ity sary ity ho entiny hampahatezitra sy hisarihana mpanao gazety amin'ny marika vokariny.

Tamin'ny lahatsoratra navoakany tao amin'ny bilaoginy Style Inn, noraisan'ilay mpanao gazety ara-kolontsaina, Usama Hamayun ho zava-dratsy ilay lohahevitra momba ny fanandevozana:

Nahazo dera ny karazan'akanjony [tamin'ny Herinandron'ny Lamaody Pakistana] ary anisan'ireo nankafy ny haikantony aho. Saingy maharikoriko ahy ity sary ity. Tsy azo ekena no tsy mahafinaritra mihitsy ny filalaovana lohahevitra saropady tahaka izao indrindra fa mbola olana ao amin'ny firenena ny fanavakavaham-bolonkoditra sy ny asa fanandevozana. Afaka mivoatra tsara amin'ny resaka lamaody ary manisy fetrany amin'ny zavatra atao saingy ity sary eto ambany ity dia matsatso sy fihantsiana ady.

A glimpse on some of the photographs in question. Image courtesy Style on Paper Blog

Topi-maso amin'ireo sary miteraka adi-hevitra. Sary tao amin'ny “Style on Paper Blog”

Iray tamin'ireo nanaitra ny sain'ny mpiserasera tamin'ny fandefasana ireo andianà sary tamin'ny aterineto ny bilaogera Padash:

Nizara ity sary dokambarotra marikoriko novokarin'ilay antsoina fa mpamorona lamaody ao Pakistan ity ny mpamaky iray androany. Aamna Aqeel no anaran'ilay mpamorona. Mbola tsy nahare ny momba azy? Torak'izany ihany koa ny tenako? Na dia izany aza…mila mahafantara tsara ny zava-misy, ny fianarana sy lesona momba ny fiantraika ara-barotra amin'ny dokambarony ity vehivavy ity!

Naneho hevitra taminà lahatsoratra nivoaka tao amin'ny gazety Express Tribune momba ilay sary, nanoratra i “ashar” fa manome valisoa izao karazam-pitondrantena izao ny indostrian'ny lamaody ankehitriny:

Na inona na inona hadalana asehonareo dia hankafizina sy hekena. Tahaka izany ny indostrian'ny lamaody ankehitriny.

Tsy vao voalohany no nisy andianà sary niteraka fahatezerana tahaka izao ao Pakistan. Tamin'ny taon-dasa, tsy nankasitrahan'ny rehetra ireo sary marika Pakistana Sana Safinaz mampiseho mpilatro mitafy lamba rongony manify voadidina mpiasa mpanao asa-tanana, mitondra poketra Louis Vuitton ny iray amin'izy ireo.

Saingy tamin'ity dokambarotry Aqeel ity, nisy ireo niaro ny sary nataony.

Zeenia” naneho hevitra tamin'ilay lahatsoratra tao amin'ny gazety Express Tribune, nanoratra izy fa mifototra amin'ny zava-misy ilay sary:

Inona no anton'izao fahatezerana izao noho ity sary ity fotsiny? Fandinihana sy fanehoana ny fomba fiasan'ny fiarahamonintsika ihany izao.

 

 

Image courtesy Style On Paper blog

Sary tao amin'ny bilaogy Style On Paper

Tao amin'ny bilaogy Style on Paper, nangataka tamin'ireo izay tezitra mafy tamin'ilay dokambarotra i Zainul Abidin mba hanaiky ny tena zava-misy:

Azafady, alefaso mody avokoa ireo ankizy nokaramainareo hanao asa an-trano dia karakarao ny zanakareo, ary miasà amin'ny tananareo manokana, ataovinareo ihany ny asa an-trano ary afaka maneho hevitra ianareo avy eo.

Alina naneho hevitra tao amin'ity bilaogy ity ihany koa ary nilaza fa diso fiantefa ny fahatezerana:

Raha endrika hafa izao no nanehoana ny lohahevitra, angamba mety ho lasa fanentanana sosialy MAHERY VAIKA novokarin'ilay mpamorona ho fanaraina ny saina manoloana ny olana izany. Na dia izany aza, eritreretina ho mihantsy ny sary. Mihanaka izay tsy izy eto amin'ny fiarahamonintsika ny kolikoly ara-pitondrantena. Tsy ny fanandevozana ihany no hitako amin'ilay sary fa ny fahasamihafana ihany koa, ny halozan'ny anjonanjona sy ny avonavona ataon'ny mpanankarena amin'ny mahantra. Ao amin'ny firenena tahaka ny antsika, mahamenatra ny mitondra marika novokarin'reo mpamorona lamaody ngeza lahy nefa tsy hay visavisaina ny fiainana fadiranovana zakain'ireo mahantra sy ny mpanankarena mirehareha ao anatin'ny fahabetsehana, lafo vidy, ary tsy misy fanamelohana. Araka izany, sarotra ny hamorona na hametraka fanovana revolisionera avy hatrany, koa inona ny olana. Tohizo ny fanehoan-kevitra hilazanareo ny FANKAHALANAREO ity mpamorona lamaody ity. *sigh*

Kamran Hashmi kosa tsy resy lahatra tamin'izany:

Eritreretina ho mihantsy? Very saina ve ianao sa ahoana? Mivarotra AKANJO izy amin'ny alalan'ny fampiasana “fomba” mahatezitra sy tsy mendrika. Ny tena ratsy indrindra dia ny FAMPIASANY sarin’ ankizy MAINTY hoditra ho tahaka ny kilalaony. Inona no tena tiany avoitra amin'ny hoe ao amin'ny fiarahamoniny? Karazana dokambarotra tsy azo arovana sy domelina indrindra hitako voalohany teo amin'ny fiainana izao.

Tao amin'ny Twitter, mpahay momba ny fiteny Iftikhar Firdous (@IftikharFirdousnilaza ilay sary ho “maharikoriko”:

@IftikharFirdous@abbasnasir59 Manelingelina, manelingelina satria raha voaloton'ny ‘karazan-tsy fahatsiarovantena’ tahaka izao ny zava-kanto – ahoana koa ny manaraka? @rabayl

Iqra Shoukat (@iqrashoukattezitra tamin'ny lohahevitry ny sary ihany koa:

@iqrashoukat: Ireo olona kendren'i #aamnaaqeel hividy ny entambarony: Ireo olona manohana ny #fanavakavahana #fanandevozana sy ny vazivazy ratsy lasa maharikoriko.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.