Fitantarana an-tSary Navoakan'ny Manomba-Maso An'i Palestina Farany Indrindra Ho Fahatsiarovana ny Nakba

Ho fahatsiarovana ny Andron'ny Nakba, namoaka ny fitantarana an-tsary nohavaoziny farany indrindra ny ekipan'ny ‘Visualizing Palestine’ (manomba-maso an'i Palestina) mitondra ny lohateny hoe “Famindra-monina mbola mitohy” izay “mametraka an'isa ny habe sy velaran'ny famindra-monina sy fahaverezan'ny tany Palestiniana.”

Ao amin'ny pejy Facebook no anoratan-dry zareo :

Ny 15 Mey no manamarika ny faha-65 taonan'ny Nakba – fotoana namindrana monina Palestiniana 750.000 hiala amin'ny sisintany izay lasa Isiraely. Tamin'ny 1948, mihoatra ny 50%n'ny Palestiniana manontolo no voadio ara-poko.

Ho fahatsiarovana ny Nakba, sy ny famindra-monina izay mitohy mandraka ankehitriny, dia mamoaka ny ‘Famindra-monina Mbola Mitohy’ izahay. Mametraka an-tsary ny sakany sy ny lavany ary ny halalin'ny famindra-monina sy ny fahaverezan'ny tany Palestiniana ity sary vaovao ity.

www.visualizingpalestine.org/disappearing-palestine

Ity sary manaraka ity ihany koa dia hita ao amin'ny tranonkalany (tsindrio raha te-hahita ny sary lehibe kokoa)

Courtesy of VisualizingPalestine

Hatsaram-panahin'ny VisualizingPalestine

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.