Mba Ho Heno Amin'ny aterineto: Thor, Ireo Mpanao Sangy Ratsy Ary Ireo Mpikatroka Mafàna Fo Amin'ny Fampahalalam-baovao

Ireo mpisera anaty aterineto, ireo mpanaitra, ireo mpanao gazety, ireo mpijirika tsy ara-dalàna ary ireo mpanao sangy ratsy dia namorona ny tontolo virtoaly vokatry ny fakàna sary an-tsaina ifotony tety amin'ny aterineto, izay mitarika antsika – mba hamerina indray ny filazan'i Michel Maffesoli – ao anatin'ny “fahaterahana vaovao mifototra amin'ny anganongano”

Amin'ny endriny mahazatra, ny angano dia tantara mitondra aminà asa sy ireo mpandray anjara, tantara iray averimberina sy natao ho fomba araka izay tratra, mba hampahafantarana fahamarinana iray. Na dia fomba iray miavaka mihitsy natao hanehoan-kevitra aza ny angano, dia mbola sarotra raisina sy adika, toy ny fijoroan'ilay mpanoratra Asher Wolf ho vavolombelona mikasika ilay mpijirika atao hoe Andrew Auernheimer ao anatinà lahatsoratra iray mampitahotra mitondra ny lohateny hoe Ny loza mahatsiravin'ny famonjana an'i Weev, mpaminanin'ny fisarahana ety anaty aterineto [en] :

The process of writing about Weev is a disorderly affair, which seems appropriate. Descriptions of his history vary. Versions change depending on who you ask about him. Even Weev’s own versions of his history changes from time to time.

Ny manoratra mikasika an'i Weev dia dingana iray misavorovoro, izay tahaka ny mifanaraka tsara ihany. Miovaova ireo fanoritana ny tantarany. Miova araka izay olona anontanianao ireo fomba filaza. Na dia ireo filazana ataon'i Weev manokana mikasika ny tantarany aza dia miovaova isaky ny mandeha

Ny angano, amin'ny endrika azo ampifanolosoloana, dia vakiana ao amin'ny fakàna sary an-tsaina ifotony raha toa ny fahamarinana ampitainy ka ahafahana miatrika ny korontana ivelany amin'ny alàlan'ny fametrahana hery manitsaka ny lalàna.

Anatin'ny angano tavaratra, rehefa tsy vitan'i Thor sy ireo olo-masina sasany ny nanosika ny sambo nisy ny fatin'i Baldr izay hahafahany mitsangana amin'ny maty any amin'ilay tontolo hafa, dia miantso vehivavy goavambe iray manana hery lehibe tsy takatry ny saina ry zareo. Anatin'ny fijery toy izay ihany, ireo mpanefy sy ireo olona fonentana kely dia mamorona fitaovana hahafahan'ireo andriamanitra miady amin'ireo fahavalony, raha toa kosa ka manangona ny heriny rehetra i Loki, ilay mpanao fanovà-maso,  manàla azy amin'ny famoronana trangan-javatra mandrafitra ny tantaran'ireo masina. Ankehitriny tahaka ny omaly, ny setrin'ny fanakantsakanana ny tosaka ilaina amin'ny fampandehanana tsara ny rafitra iray dia mitoetra ao anatin'ny fandrindràna ny fanairana (mpanao fanovà-maso/mpanaitra), ny famosahana (mpanefy/mpisera anaty aterineto) ary avy eo dia ireo vesatra (goavana sy mpanao sangy ratsy/mpijirika) amin'io tosaka io ihany

Ireo mpanaitra/mpijirika
Illustration of Alfred Smedberg's The boy who never was afraid, John Bauer, 1912.

Fanaingoana an-tsary ny Ilay zazalahikely tsy nanan-tahotra mihintsy, an'i Alfred Smedberg, John Bauer, 1912. Sehatra ho an'ny daholobe

Ao anaty fiaraha-monina izay tsy mampahafantatra mivantana sy amin'ny fomba mahitsy ny vaovao, no mipoitra ny mpanoratra izay mitondra mankamin'ny fisokafan'ny làlam-baovao sady mandavaka ireo làlana navilivily. Ny tantaran'ilay mpanaitra Bradley Manning, ohatra, dia indroa miantaona no mampahatsiahy antsika izany.

Nisy aloha ny fihetsiny mamoka ireo vaovao efa nampirimina, toy ny nitranga tamin'ny fanoratana nataon'i Alexa O’Brien mikasika ny fijoroany vavolombelona [en]:

I created copies of the CIDNE-I and CIDNE-A SigAct tables as part of the process of backing up information. At the time I did so, I did not intend to use this information for any purpose other than for back up. However, I later decided to release this information publicly. At that time, I believe and still believe that these tables are two of the most significant documents of our time.

Namorona dika mitovin'ireo tabilao CIDNE-I sy CIDNE-A SigAct aho mba ho fitehirizana ny vaovao. Tamin'ny fotoana nanaovako io, tsy nanana hevitra hafa ampiasana io vaovao io aho afatsy ny hiarovana azy. Kanefa, taty aoriana kely dia nanapa-kevitra aho ny hamoaka ampahibe-maso io vaovao io. Tamin'izay fotoana izay, nieritreritra aho ary mierireritra foana fa ireo tabilao ireo dia roa amin'ireo tahirin-kevitra tena manandanja indrindra amin'izao vanim-potoanantsika izao.

Ny toerana tànany, whistleblower, na mpandefa fanairana amin'ny teny frantsay, dia asehon'ny maha-mpandrindra ireo angona azy mba ho, hoy ny fijoroana vavolombelona nataony ihany, fanetsehana adihevitra nasionaly mikasika ny anjara andraikitry ny tafika amerikana sy ny politika ivelany any Etazonia.
Ny asany dia nahafahana namerina ny fifandraisana teo amin'ny rafitry ny governemanta izay mitàna ny fahamarinana sy ny vahoaka izay tsy notolorana izany.
Raha araka ny fizotry ny fisainana  maha-olombelona dia voamarina ny fanapahan-keviny, fandikàna an-tsitrapo ny lalàna governemantaly ihany anefa io. Ka dia nariana araka izany ny teny nambaran'i Bradley Manning, nolavina sy tena nodian'ny media tsy nojerena mihitsy. Saingy nahita tetezana iray ny tantara.
Ny famerenana ny maha-tokana an-tany azy sy ny marina mikasika izay tena nanosika an'i Manning no andraikitra tsy miato tànan'i Alexa O’Brien sy Kevin Gosztola na koa Fondation misahana ny Fahalalahan'ny asa fanaovana gazety izay namoaka ho fanta-bahoaka ny rakipeo iray [en] nisy fijoroana vavolombelon'ny miaramila iray, namerina araka izany ny endrika iray iankinan'ny ain-dehibeny sy ny tena endrik'ilay  mpisehatra izay notehirizina tanatin'ny haizina hatramin'ny namonjàna azy tamin'ny 2010.

While unofficial transcripts of this statement are available, this marks the first time the American public has heard the actual voice of Manning. He explains to the military court in his own cadence and words how and why he gave the Apache helicopter video, Afghanistan and Iraq Wars Logs, and the State Department Diplomatic Cables to WikiLeaks.

Raha toa ka efa misy azo raisina ny dika tsy ofisialy amin'io fanambaràny io, io no manamarika voalohany indrindra ny nandrenesan'ny vahoaka amerikana ny tena feo marin'i Manning. Manazava ao amin'ny tribonaly miaramila izy, amin'ny figadony manokana sy ireo teny naloaky ny vavany, ny fomba sy ny antony nahatonga azy nanome ilay lahatsary avy amin'ny angidimby Apache, ireo tantaran'ny ady tany Afganistana sy tany Iraka, ary ireo Telegraman'ny Departemantam-Panjakana misahana ny Diplaomasia ho any Wikileaks

Ireo mpanefy

Ny vaovao naparitaka na izany aza dia tsy voatery ho ny vahoaka rehetra no hahita azy ary amin'ny lafiny faharoa dia  tsy maintsy volavolaina sy nomena endrika. Ao anatin'ny tantaran'i Bradley Maning, voarain'ny Wikileaks ireo angona, mnohadihadiana sy nokirakiran'ireo olona toa an'i Julian Assange na Birgitta Jónsdóttir, mpikambana ao amin'ny parlemantan'ny Islandy. Tena asanà mpanao gazety marina mihitsy no nomena toerana, mba hanamarinana ny vanim-potoana, ireo olona sy ny fifandrohizana ara-politika, izany dia mba hiantohana izay ho fiantrakany. Andraikitra noeritreretin'i Julian Assange araka izao manaraka izao [en] :

Quantum mechanics and its modern evolution left me with a theory of change and how to properly understand how one thing causes another.

Ny “mécanique quantique” sy ny fivoarany maoderina dia nahafahako nisaina tari-kevitra momba ny fiovàna sy mahazo tsara hoe nahoana ny zavatra iray no mitarika zavatra iray hafa.

Amin'ny teny hafa, raha vao tsy voafaritra ireo tahirin-kevitra, dia mitoetra ho toy ny kisendrasendra sy tsy azo raisina. Ny anjaran'ny Wikileaks izany dia manjary lasa toy ny manondro, manonona anarana ary mamelabelatra.
Tsy voafaritra ho amin'ny wikileaks io fibodoana ny hetsiky ny mpandrindra ny vaovao io ary mahita ny fahatanterahany ao anatin'ny fanaovan-gazetin'olon-tsotra izay ny mpisera tsirairay ao aty aterineto no lasa media

Ao anatin'izay sary izay no voasoratra ny asa mitomandavan'ny fikarohana sy ny fanelezana natao, indrindra indrindra, nataon'i Heather Mash sy Jemila Hanan, mikaska ireo fepetram-piainan'ny vondron'olona Rohingya any Birmania [en]

Be lavitra noho ny andrakitra maha mpandrindra ny vaovao, maka toerana koa vokatr'io asanà mpanao gazety maboraka ny zava-mitranga io, ny fisaintsainana momba ny fomba fanaon'ny olom-pirenena mikasika ny fikirakirana vaovao:
Toy izay amelabelaran'i Jamila Hanan azy ao anatin'ny lahatsoratry [en] tamin'ny febroary 2013 :

There is no precedent for using social media to stop a genocide – this is uncharted territory. We need to use social media to create and be the media, us, the people.
Our objectives are to:
1. disseminate information;
2. make connections;
3. encourage people to act.

Tsy mbola nisy tany alohatany ny fampiasana ny media sosialy mba hampiatoana ny famonoan'olona maro – farita tsy mbola nisy nitrandraka (virijiny) io. Ilaintsika ny mampiasa ireo media sosialy mba hananganan-javatra sy mba ho media, isika vahoaka.
Ireto avy no tanjontsika:
1 / manely vaovao ;
2 / mametraka fifandraisana ;
3 / mandrisika ny vahoaka hihetsika

Tsy mihodina ny vaovao, ny vahoaka no mandray ny faneva ary mamatsy ireo fikarohana manokana ataony mba hiteraka ny fifamezivezena tena fototry ny ainy, manaraka sori-dalana iray vaovao tanteraka mihitsy:

@GeorgieBC : This journalism you bought plane tickets for, but work is pro bono. All Assed asks is for people to read. http://www.assedbaig.com/ #OpRohingya

@GeorgieBC : Io asa fanaovan-gazety izay nividiananareo tapakilana fiaramanidina io, nefa ny asa maimaimpoana. Izay mba angatahan'i Assed, dia ny mba hovakian'ny vahoaka ny: http://www.assedbaig.com/ #OpRohingya

@Asher_Wolf : We've already chosen two journos to send to Myanmar on crowdsourced funds. Imagine if *all* journalism operated that way

@Asher_Wolf : Efa nifidy mpanao gazety roa tao Myanmar izahay vokatry ny fanangonam-bola. Alaivo sary an-tsaina raha ny asa fanaovan-gazety *rehetra* no manao toy izany

Ireo mpisangy ratsy sy ireo goavambe

Arakaraka ny handikana sy hanapariahana azy, miha mahazo vahana sy endrika hafa manandanja ny vaovao. Ho amin'izany, dia tsy avadibadika sy amboarina fotsiny izy fa, tsy maintsy koa atosika. Eto dia miditra ireo hery tsy fantatra anarana izay miankina betsaka amin'ny tsy takatry ny saina ny asany voasoratra tao anatin'ny fanangonana. Andraikitra iray izay toa noraisin'ny Anonymous an-tsitrapo, araka ny fanazavan'i Annie Machon, manamboninahitra fahiny tao amin'ny MI5 [en] :

If you can do it over cyberspace, you get global awareness of what you’re doing, and the message you’re trying to put out. And this is precisely what Anonymous has achieved, with this publicized assault against certain Israeli websites.
Let’s not call them attacks: they are distributed denial of service attempts against certain countries and certain websites. So what we’re seeing here is a sort of automated mass influx into certain websites that cause them to crash.

Raha afaka manao an'io any amin'ny habaky ny aterineto ianareo, dia hahazo fandresen-dahatra manerantany mikasika izay ataonareo ary manerana ny hafatra izay kasainareo ho ampitaina. Ary izay indrindra rha tsindriana manokana no ataon'ny Anonymous, miaraka amin'ity fanafihana aely be amin'ny media atao amin'ireo tranonkala israeliana sasantsasany ity.
Aza antsointsika hoe fanafihana izy ireny: fanapariahana ireo fandàvana asa aminà firenena sasany sy tranonkala sasany ireny. Izany hoe karazana tosaka goavana mandeha ho azy mmamely ny tranonkala sasany ka mampidofotra azy ireo

Raha toa ny Anonymous ka miantehitra amin'ireo angona noparitaka sy novolavolain'ireo olon-tsora mpanao gazety mba hitondrana ny asany, tsy ny hilaza vaovao no andraikitr'izy ireo fa mampiditra hery iray ifamezivezean'ny vaovao. Milaza marika ny tabilaony, ohatra, mikasika ireo hetsika vao haingana toa ny: #OpIsrael, #OpKashmir, #OpRohingya (izay misarika ny saina ho amin'ny vaovao azo raisina mikasika ny vono olona amin'io vondrom-piarahamonina io), #ReformCFAA (izay tafiditra ao anatin'ny sehatry ny fihetsiketsehana ho fanoherana ny Computer Fraud and Abuses Act – Hosoka sy Fanararaotra ataoain'ny Solosaina), na koa #OpGabon manohitra ny fanondranana olona.

Ny angano rehetra dia azo vakiana daholo ao anatin'ny asan'ny Anonymous: ny fampitàna fahamarinana iray ikendrena ny fandrodanana ireo sakantsakana. Tsy fankatoavana mitarika amin'ny famerenana mametraka lamina maha-olombelona ao anaty rafitra iray izay manao azy io ho tsinotsinona; tsy fankatoavana izay tsy handrafitra ny fandresen'ny maherifo fa misoratra ao anaty asa miaraka sy miainga avy  any ifotony

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.