Malezia: Iza Amin'ireo Antoko No Manana Fanambaràna An-tsoratra Tsara Indrindra Mikasika Ny Fifidianana ?

Fifidianana solombavambahoaka faha-13 no notontosaina tany Malezia ny 5 may ary soa ihany, namoaka ny fandaharam-potoany mikasika ny fifidianana ireo antoko goavana ary nanampy ny mpifidy hifidy izay kandidà matotra izany. Antoko iza no manana foto-kevitra sy baikom-pitolomana an-tsoratra tsara indrindra ?

Ny mpanohitra Pakatan Rakyatky dia namoaka an-tsoratra ny foto-keviny ny 25 Febroary. Mitondra ny lohateny hoe “Fifanarahana amin'ny Vahoaka, ny Fanantenan'ny Vahoaka”, ilay fanambaràna an-tsoratra dia mikatsaka ny fanohanan'ny mpifidy mba hanilihana ireo mpiara-mitondra izay efa teo amin'ny fitondrana nandritra ny antsasaka taonjato:

Malezia dia firenena iray manana fahaiza-manao goavana, ireo mponina ao aminy dia miezaka ny ho mendrika, ampifamatorin'ny fifanomezan-tàanana sy firahalahiana.

Kanefa, helingelenin'ireo sangany eo amin'ny fitondrana ny hetahetantsika eto amin'ny firenena. Ny kolikoly sy ny fangoronan-karena tsy amin'ny rariny miroborobo, raha mitohy miaina anaty fahantrana kosa ny vahoaka.

Ho amin'ny mahasoa ny vahoaka, nedha isika hiova ary hivondrona mba hanoritra ny ho avy vaovaon'i Malezia.

Ny baikom-pitolomana an-tsoratry ny vahoaka dia vita mifototra aminà andry efatra fototra – Firaisankinan'ny Mponina, Toekarem-Bahoaka, ny Mahasoa ny Vahoaka ary ny Governemantam-bahoaka.

A supporter of the ruling party listens to the speech of the Prime Minister. Photo by Asyraf rasid, Copyright @Demotix (4/6/2013)

Mpomba ny antoko eo amin'ny fitondrana, mihaino ny kabarin'ny praiminisitra. Sarin'i Asyraf rasid, Fizakà-manana @Demotix (4/6/2013)

Mandritra izany fotoana izany, ny Fiaraha-mientana (Vovonana) Barisan Nasionaly dia namoaka an-tsoratra ny foto-keviny, ny 7 aprily, notarihan'i praiminisitra Najib Razak. Mitondra ny lohateny hoe “Tokim-Panantenana iray”, mitanisa ireo zava-bitan'ny governemanta eo an-toerana ilay fanambaràna ary nanome drafitr'asa feno sy voatsinjara ao anatin'ny taona vitsy ho avy :

Tonga ny fotoana tokony hanapahantsika hevitra. Eo ampelatanantsika ny ho avin'ity firenena ity.

Miteny ho azy ny tomban'ezak'ity governemanta ity mikasika ny fanatanterahany ny fampanantenany. Nahazo toerana ireo tena fanovana, nefa mila fotoana ny làlana hankamin'ny tena fanovàna tanteraka dia.

Koa satria isika mizotra mankamin'ny Fifidianana Solombavam-bahoaka faha-13, mitady ampanetren-tena fe-potoam-pitondrana vaovao avy aminao aho mba hiatrika io adidy io amin'ny fanaingana an'i Malezia ho amin'ny tendro vaovao. Ny fe-potoam-pitondrana avy aminao, dia tokim-panantenana iray, fe-potoam-pitondrana iray ho aminay hanatanterahana zava-dehibe miaraka ho toy ny vahoaka tokana, firenena tokana, fijery tokana. Mbola ho avy ny tsara indrindra!

Mampitaha ireo fanambarana antsoratra roa i “Sarawak Dialogue”. Anwar Ibrahim lehiben'ny mpanohitra kosa mitsikera ny fanambaràna an-tsoratry ny antoko eo amin'ny fitondrana:

Tsy ampy hevi-baovao ihany koa ny fanambarana an-tsoratry ny BN no sady tena fohy amin'ny antsipirihany satria fandaharan'asa marobe no miverimberina ary natambatra ho amin-javatra miaraka aminà fijery vaovao, mifanohitra amin'ny Baikom-pitoloman'ny Vahoaka. Mihoatra ny 90% n'ny fandaharan'asa nolazaina no efa fantatry ny vahoaka ary mijanona ho ankapoben-javatra loatra sy tsy ampy antsipirihany.

Manifesto of the opposition

Baikom-pitoloman'ny mpanohitra

Mandalina ilay fanambaràn’ny mpanohitra i Khoo Kay Peng:

Mangina ny fanambarana antsoratra mikasika ny fomba entiny manatanteraka ny fampanantenany. Tsy voazavany ahoana no hahafahana'ity firenena ity hahita fanampiana vaovao, fanomezana, tolotolotra ary vola horaisina. Manome antsipirihany momba ireo loharanom-bola an-jorony ny fiaraha-mitantana.

Nefa, ilay fanambaràna an-tsoratra dia tena tahirin-kevitra politika. Natao hamalifaliana ireo vehivavy mikarakara tokantrano, mpianatra, mpiasam-panjakana, ireo miaramila misotro ronono ary ireo voanjo Felda mpanjanaka izay heverina fa hanana toerana be ao anatin'ilay Fifidianana Solombavambahoaka ho avy eo.

Gabungan Bertindak Malaysia, vovonana iray tsy miandany, ahitàna fikambanana 25 avy amin'ny Sosaiety Sivily, dia mahita ireo olana tsy noraharahain'ireo antoko goavana:

GBM dia nandalina ireo fanambaràna an-tsoratry ny Pakatan Rakyat sy ny Barisan Nasional. Koa satria ireo fanambaràna an-tsoratra dia natao hisarihana ny latsabato,  marobe ny olana sarotra tsy tafiditra na tsy natrehana tamin'ny fomba mendrika. Olana roa goavana no hitanay:

1. Ny Fahantrana sy ny tsy fitoviana ary…
2. ny trosan'ny firenena

Anaty hazakazaka  mialoha ny fifidianana, samy entaninay ny Barisan sy ny Pakatan mba hilaza mazava ny politikany sy ny tondro zotrany mba hiatrehana ireo olana roa ireo satria misy fiantraikany  amin'ny fiadanana ara-toe-karena sy ara-tsosialin'ny firenentsika izy ireo.

Manoratra mikasika ny ‘ny adin'ireo fanambaràna an-tsoratra’ i Lawrence Yong

Eo am-pahitàna azy voalohany, tahaka ny andrana goavam-be ifaninanana mividy vatom-pifdianana betsaka araka izay tratra ireo fanambaràna roa. Samy nahilika mora foana ho toy ny fihetsiketsehana politika fotsiny izy roa.

Ho an'ny olona izay tena mandàla ny demokrasia any Malezia ary maniry handrotsa-bato am-pahendren, tsy mbola navesa-danja tahaka izao ny famakiana ny fanambaràna an-tsoratra. Tsisy valiny ho an'ireo olana ara-politika rehetra, tsisy fanambaràna an-tsoratra nantenaina ho amin'izany

Izao no voalohany tsy maintsy namoahan'ny BN  fanambaràna an-tsoratra mba hanoherana ny mpanohitra ary naka iray volana mahery ry zareo mba hamaliana.

Hishamh dia manipika ny tsy fahafaha-manoatran’ireo mpifidy eo ampamakiana ireo fanambaràm-pifidianana:

Noho izany, izao ny safidy tsy azo ihoarana – ndeha hoeritreretina hoe tsy maintsy hifidy ianao, antoko iza no mety hofidianao? Samy manana foto-kevitra tohananao ny tsirairay, nefa ny tsirairay koa dia manana ny heviny izay tsy tianao. Betsaka mampitovy azy izy roa ireo, saingy ao anatin'ny sehatra tena mahasarika anao ny fahasamihafàn'izy roa ireo. Tsy misy afaka mitsara ianao hoe iza amin'ireo antoko roa, raha voafidy, no tena hahatontosa ny fanomezan-tokin'izy ireo.

“Murmurs from the Heart” – “Monomonon'ny Fò” dia mankasitraka ny hetsika famoahana ny fanambaràna an-tsoratra mikasika ny fifidianana:

Amin'ny lafiny sasany dia masaka ny politika any Malezia, nefa mbola misy fihetsehampò jamba maro atosik'ireo izay miankin-doha ary mivelatra amin'ny politikan'ny fankahalàna.

Ankehitriny, farafaha-ratsiny, manazava ao anaty fanambarana voasoratra tsy misy olakolaka ny fampanantenany ireo antoko politika .

Ny harivan'iny andro iny, tsy ny hoe “inona no nolazainao, inona no voalazako”, fa ny hoe inona no voasoratra.

Ity fanambaràna ity koa dia ho ampiasaina ho toy ny karatra fanaovana tatitra mikasika ny fomba nanatanterahana ireo fanomezan-toky marobe.

“BJ Thoughts” dia mampitandrina fa mety hodian'ireo antoko mandresy tsy ho hita ireo fanambaràna an-tsoratra ireo:

… Manana fanambaràna politika vita an-tsoratra izay miparitaka manerana eny rehetra eny ianareo, izay ifamnpiampangànareo ho toy ny tsy azo tanterahana. Tsara izany, ny fanambarana an-tsoratra dia afaka tsy atao ho toy ny fifanekena voatahiry anaty simenitra ary ho an'ny sasany, tsy inona izany fa fomba matotra hamelàna ny mpifidy mba hahafantatra izay tian'ny antoko hatao – ireo fironan-kevitra idealy izay mety hiova eny an-dalana vokatry ny tsindry ara-politika, ireo teritery ara-bola ary indrindra koa, ny politika maloto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.