Mey, 2013

Tantara tamin'ny Mey, 2013

Vary Feno Cadmium Hita Ao Shina

  30 Mey 2013

Vary voapoizin'ny metaly mavesatra cadmium, antsoina amin'ny anaram-bositra hoe “vary cadmium” indray no fanafintohinana farany any Shina, miteraka fikoropahana sy fahatezerana eo amin'ny mpanjifa ao amin'ny firenena. Ny sampan-draharaha misahana ny sakafo sy ny fanafody Guangzhou [zh] no nanambara tamin'ny 16 Mey fa ny valo amin'ny santionam-bary 18 notsirihana tamin'ny...

Tranonkala Sosialy Shinoa Miaro Ny Filoha Lefitra Amerikana Amin'ireo Fanehoan-kevitra Mikasika An'i Shina

  29 Mey 2013

Niatrika tsikera mamaivay avy amin'ny mpianatra iraisam-pirenena Shinoa ny Filoha Lefitry ny Firenena Amerikana Joe Biden taorian'ny niantsoany an'i Shina ho firenena tsy afaka "mieritreritra zavatra hafa" na "mifoka rivotra malalaka" nandritra ny kabariny fanokafana tao amin'ny Anjerimanontolon'i Pennsylvania.. Saingy namaly bontana ireo Shinoa mpisehatra amin'ny Aterineto, nitsikera ireo mpianatra any ivelany mikasika ny fitondrantenany sy ny fiarovany ny kabarin'i Biden ho mendrika hosaintsainina tsara

Brezila : Nesorin'ny Toby Famokarana Herinaratra Saingy Niverina Eny Amoron-Drano ny Mponina

  28 Mey 2013

Nafindra toerana any amin'ny tanàna naorina manokana hipetrahany ireo mponina tamoron'ny rano noho ny tsafodrano nateraky ny fanorenana ilay toby famokarana herinaratra Jirau any Amazona Breziliana. Niverina nanamorona ny rano ihany anefa izy ireo satria tsy mety aminy ilay fomba fiaina vaovao. Nahatonga fisalasalana ho an'ireo mponina amoron'ny rano ity seho ity satria mampanahy azy ireo ny ho avy, rahatrizay ka vita ny asa fanorenana ary tsy hisy intsony ny asa.

Nikaragoaiana Miaro Ny Lalàna Manohitra Ny Herisetra Atao Amin'ny Vehivavy

  24 Mey 2013

Ny volana Aprily , natomboka tao amin'ny tambajotra sosialy ny fanentanana iray mitondra ny lohateny hoe "Manohana ny Lalàna 779 aho" mba hangatahana ny hanajàna ny "Lalàna Manontolo Hanoherana ny Herisetra atao amin'ny Vehivavy" manoloana ireo fanavaozana marobe naroson'ireo mpitarika fivavahana sy mpikambana ao amin'ny Ambaratonga ambony eo amin'ny Fitsarana (CSJ) .

Però: Fitokonana Tao Iquitos Hanoherana Ny Kolikoly

  23 Mey 2013

Fitokonana iray nandritra ny 24 ora tao amin'ny tananan'i Iquitos, ao amin'ny faritra Amazona Peroviana no nikendrena hisarihana ny saina amin'ny fihetsika mampiahiahin'ny Governemantam-paritr'i Loreto ary ny fomba fikirakiran'ny Fahefàna Mpanao Lalàna an'ireny tranga ireny

Miampanga Mpanao Gazety ao amin'ny Twitter ny Filohan'i Panama

  23 Mey 2013

Matetika loatra ny Filoha Ricardo Martinelli (@rmartinelli) [es] no mahatezitra ny mpiserasera Panameana noho ny fisiahana mampiady hevitra sy mampiady tsotra izao, ary tonga hatramin'ny fanompana aza. Ny ohatra akaiky indrindra dia ny sioka nalefa mivantana tamin'ny mpanao gazety Santiago Cumbrera avy ao amin'ny La Prensa, gazety iray efa nifandona tamin'ny...

Fisidinana Tamin'ny Voromby Tsy Miankina Nanozongozona Ny Fitondrana ao Costa Rica

  23 Mey 2013

Nanozongozona ny fiadidiana ny filoha sy ny firafitry ny mpiara-miasa aminy ny vaovao fa nanome fiaramanidina manokana hisidinan'ny filoha Laura Chinchilla ho any Però ny orinasan-tsolika iray. Tamin'ny voalohany ny anton-dia dia ny hanatrehana ny fanambadian'ny zanaka lahin'ny filoha lefitra Luis Liberman, Saingy nohararaotina izany nanaovana fitsidihana ny filoha Ollanta Humala. Nialoha...