Nampidirina Anaty Fandaharam-pampianarana An-tsekoly Any Singaporo Ny Fikarakarana Ny Biby

Vaovao tsara ho an'ireo olona tia biby. Nanamafy ny Minisitry ny fampianarana any Singaporo fa ampidirina amin'ny fandaharam-pampianarana vaovao anaty ‘Taranja Toetra sy ny Maha-olom-pirenena’ ho an'ny mpianatra amin'ny sekoly fototra sy ambaratonga faharoa ny fikarakarana ny biby.

Nankasitraka ny fampidirana ny fikarakarana ny biby ho ao anatin'ny fandaharam-pampianarana ny Rafitra ho an'ny Fandraràna ny Fampijaliana ny Biby:

Tsy afaka ho tsindrianay mihoatra noho izao ny maha-zava-dehibe ireo fiovàna amin'ny fandaharam-pampianarana ireo satria isika manandratra ny taranatsika lahy sy vavy ho avy mba ho olo-manan-kaja, vahoaka tompon'andraikitra, ary hiaina amin-kafaliana, manana indra-fo amin'ireo biby sy ny olombelona namany. Ity ilay famakiana lay efa nantenaintsika hatry ny ela!

A rabbit grooming workshop conducted by the Society for the Prevention of Cruelty to Animals

Sehatrasa fanadiovana bitro notarihan'ny Rafitra ho an'ny Fandraràna ny Fampijaliana ny Biby

Manaiky ny maha-zava-dehibe ny fampianarana mikarakara biby any an-tsekoly i Kwan Jin Yao, manoratra ho an'ny Breakfast Network:

Endrika milaza ny filantsika ny tokony hanajàna misimisy kokoa ny biby ny tranga mahatsiravina amin'ny fampijaliana biby, ny famotehana azy, ary ny tsy firaharahana azy aty Singaporo, na dia mahatsikaiky aza izany, – ary tsara indrindra ny hanombohana izany dieny mbola madinika.

Afaka ananganana fahatsapana andraikitra ny fitiavana ny biby, satria manjary mora mamindrafo ny zaza madinika maneho izany rehefa izy maneho ny heviny ho an'ny hafa. Afaka ampitomboina ny fitiava-namana, satria ianaran'izy ireo ny hoe ahoana ny fomba fitondrantena sy ny fiaraha-miaina amin'izy ity.

Eo amin'ny Facebook, manazava i Rene Ser hoe ahoana no hahazoan'ny fiarahamonina tombony amin'ity fanovàna ity:

Tena vaovao goavana izy ity. Ankoatry ny lesona akademika tena tsara, amporisihintsika ihany koa ny tanoratsika ny hianatra ny fanajana ny fomba fiainan'ny zavatra hafa, satria tsy natao hoan'ny olona ihany izao tontolo izao, ary misy ny rafitry ny tontolo iainana izay ahitana ny zava-maniry sy ny biby ary ny dingana mankany amin'ny fitiavana ny biby, dia dingana mankany amin'ny fitiavana ny Tany. Raha jerena amin'ny sary lehibebe kokoa, dia tena mitondra zavatsoa tanteraka hoan'ny fiarahamonina tokoa izy ity ary koa hoan'ny rafi-tontolo iainantsika.

Mizara ilay vaovao goavana amin'ny zanany vavy i Alycia Lynch:

Ho faly ery izao ny zanako 12 taona mandre izany satria izy miteny amiko foana fa tokony ampidirina ao amin'ny fandaharam-pampianarana isaky ny sekoly tsirairay ny Fikarakarana ny Biby amin'izay ny ankizy mitombo anaty fanajàna ny biby.

Mihevitra i Zeus IsCute fa tokony mampianatra mikasika ny fikarakarana ny biby ihany koa ny ray aman-dreny:

Ny marina, tsy azoko tsara aloha hoe ahoana no fomba ahafahan'ny ankizy hianatra raha ny ray aman-dreny no tena mila fampianarana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.