Tsy Handray Anjara Amin'ny Fifidianana Hoavy Izao ao Pakistan Ireo Ahmadis

Nanapa-kevitra tsy handray anjara amin'ny fifidianana hoavy izao ny fiarahamonina Ahmadi ao Pakistan, izay ahitana mpikambana 200.000. Noraisina ny fanapahan-kevitra mba hanoherana ny fanavakavahana ataon'ny fanjakana amin'ny fiarahamonina. Tsy mba nandray anjara tamin'ny fizotry ny fifidianana izy ireo nanomboka tamin'ny taona 1985 raha natokana tao amin'ny lisitry ny fivavahana vitsy an'isa ny mpifidy Ahmadi.

Tamin'ny taona 2002, nanapa-kevitra hamoaka lisitra miavaka misy ireo mpifidy Ahmadis ny governemanta Pakistaney. Ahitana ny adiresin'ireo mpikambana ao amin'ny fiarahamonina Ahmadi izany lisitra izany, izay nohavaozina sy navoakan'ny Komity misahana ny fifidianana ao Pakistan amin'ny fifidianana atao amin'ny 11 Mey. Taloha, fanafihana maromaro no niseho tamin'ireo tany sy trano fananan'ireo Ahmadis. Ka mety hitera-doza ho an'ireo mpikambana ao amin'ny fiarahamonina ny (fisian'ny) lisitra .

Pakistan flag

Maneho ny havitsiana ny loko fotsy ao amin'ny sainam-pirenena Pakistaney.
Sary: Ahmeddiya Times

Naneho hevitra momba ity toe-javatra ity, bilaogera Pakistaney malaza Kidvai nanoratra lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe ‘What – Me Worry (Inona – No Mampiahiahy?’‘ hoy izy nanoratra:

Tsy afaka hifidy malalaka ny Ahmadis ao Pakistan noho ny fampidirana ny fanavakavahana ao amin'ny fifidianana, ireo lalàna ireo izay nisandratra tokoa nandritra ny fitondrana jadon'ny Jeneraly Pervez Musharraf. Niankohoka teo anoloan'ny fitakian'ny Islamista (tahaka an'i  Z A Bhutto!) izy ary namoaka didim-pitondrana, izay tena manakana ny Ahmadis tsy ho afa-mandray anjara amin'ny fifidianana. Ny didim-pitondrana laharana 15 tamin'ny 2002 no nanaisotra ny Ahmadis tao amin'ny lisitry ny mpifidy, nilaina ny nanoratana ny anaran'izy ireo amin'ny lisitra fanampiny, ary notakiana ny tsy maintsy hanasoniavan'ny Ahmadis fanambarana hialany amin'ny lalàna fototry ny finoana Islamika.

Nanombo-dresaka hiady hevitra tamin'ity raharaha ity tao amin'ny Twitter ny Pak Votes (@PakVotes), fandraisana an-tanana fanaraha-maso ny fifidianana. Nandefa ny toy izao ny kaonty tamin'ny 22 Avrily:

@PakVotes: Hidongy tsy hifidy ny mpikambana ao amin'ny fiaraha-monina Ahmadis miisa eo ho eo amin'ny 200.000 eo ho fanoherana ny nataon'ny mpitondra fanjakana azy ireo. #PakVotes via. @dawn_com

Ho setrin'izany, namoaka hevitra mihoam-pampana tamin'ny fiaraha-monina Ahmadi ny mpiserasera iray. Toy izao no nosoratany tamin'ny iray amin'ny siokany (@iAtifAli) :

@iAtifAli: @PakVotes @dawn_com Acha Hua.. Inn par Lanat ho Khuda ki .. inkee zarurat b nahee hay (Tsara izany. Ho amin'ireo vahoaka ireo anie ny ozon'Andriamanitra, Tsy ilainay ireo.)

Indrisy fa hita taratra any amin'ny ankamaroan'ny mponin'i Pakistan izany fihetsika izany. Heverina ho tsy miozolomana ny Ahmadis ary mizaka matetika ny herisetran'ny mponina amin'ny ankapobeny. Taloha, navoitran'ny olo-tostra tia manao gazety ny trangan-javatra maro tahaka izany. Saingy na tsy mahavita na tsy te-hisahana ny raharaha toy izany ny fanjakana.

Imran Khan izao no nanambara vao haingana fa hitandro ny zon'ny vitsy an'isa ny antokony, PTI, ary hanome zo mitovy ho an'ny olona rehetra. Araka ny nolazainy, hitandro ny rariny ho an'ny rehetra ny PTI. Saingy, mbola jerena aloha raha hahavita izany i Khan noho ny fahafantarana ny antokony manana zotra ankavanana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.