Mandà Ny Fanampian'i Japana i Shina Taorian'ny Horohoron-tany

Amin'ny teny anglisy avokoa ny rohy amin'ity lahatsoratra ity ankoatra izay lazaina manokana

Nandà ny tolo-tanàn'i Japana hanampy azy taorian'ny fihovitrovitry ny tany izay nahazo ny atsimo andrefan'ny faritanin'i Sichuan nahafatesana olona 193 raha kely indrindra sy maratra mihoatra ny 12 000 [zh] ny governemanta Shinoa.

Nitranga ny marainan'ny 20 avrily 2013 nahazo ny faritra be tendrombohitra manakaiky an'i Ya'an, tanàna ahitana mponina 1,5 tapitrisa malaza noho ny biby panda ao aminy sy ny orinasa famokarana dite, ny fihovitry ny tany izay nahatratra 7 amin'ny maridrefy Richter araka ny nolazain'ny fitondram-panjakana shinoa.

Vetivety monja taorian'ny hovitrovitra, naneho fiaraha-miory ny praiminisitra Japoney Shinzo Abe ary nanolo-tanana hanampy ny mpitarika shinoa ary nofaritany tsara fa “vonona hanao ny faratampony amin'ny fanohanany” i Japana.

Ho setrin'izany, tamin'ny 21 Aprily,nilaza ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Shinoa tao amin'ny filazam-baovaony mpivoaka isan'andro fa mankasitraka  izany fihetsika izany ny governemantany, saingy nofaritany fa tsy mila fanampiana avy amin'ny vahiny izy ireo hatreto, satria mbola tsentsina ireo lalana ary mahavita azy ny manampahefana Shinoa amin'ny fitantànana ny asa famonjena:

Image by Flickr user @Shiqi Shen(CC BY-SA 2.0).

Fihovitrovitry ny tany tao Ya'an izay namoizan'ain'olona 193. Sary avy amin'i @Shiqi Shen(CC BY-SA 2.0) tao amin'ny  Flickr

 4月20日,中国四川芦山发生地震后,国际社会迅速向中国政府和人民表示慰问和支持,一些国家提出愿意提供各种形式的援助。中国政府和人民对此表示衷心感谢。中国政府正全力开展救灾工作。目前中方搜救和医疗力量有保障,救灾物资充足,同时考虑到灾区交通和通讯条件不便,暂不需要外国救援队、医疗队和救灾物资。如有需要,我们将适时向有关国家提出。中国红十字会总会已发布了接受国际资金援助的联络方式。

Taorian'ny horohorontany tamin'ny 20 aprily tao Lushan, faritra Sichuan, naneho ny fiaraha-mioriny ny fikambanana iraisam-pirenena ary nanolo-tanana hanampy. Nisy ihany koa ireo firenena sasany naneho ny fikasany hanolo-tanana amin'ny sehatra rehetra, izay nankasitrahan'ny governemanta shinoa sy ny vahoakany. Ny governemanta Shinoa no niantoka manontolo ny asa famonjena sy ny fananerana. Ankehitriny, manana mpitsabo ampy sy mpiasa ilaina izahay, ary ampy ihany koa ny sakafo, ary na dia eo aza ny olana eo amin'ny fifandraisan-davitra sy ny fifamoivozana eny amin'ny faritra niharan'ny horohorontany, tsy mila fanampiana avy amin'ny ekipa mpamonjy voina vahiny, na ekipa mpitsabo, na fanomezana fanampiana izahay hatreto. Raha sendra mila izany izahay, dia manao antso avo amin'ireo firenena tandrify. Nolavin'ny Vokovoko Mena Shinoa ihany koa ny fanampiana ara-bola avy any ivelany.

Saingy nandritra izany, nanambara ny fahatongavan'ireo mpamonjy voina Rosiana 200 ny fampahalalam-baovaom-panjakana.

Tamin'ny fotoana tsy milamina eo amin'ny fifandraisan'i Shina sy i Japana no nahatongavan'ny tolo-tanana avy amin'i Japana, satria mbola mifanditra momba ireo nosy ao atsinanan'ny ranomasin'i Shina izy ireo.

Niteraka adihevitra mafana tao amin'ny media sosialy Shinoa ny fandavàn'ny Minisitera ny tolo-tanan'i Japana, nisy ireo sasany nanadino ny fifandirana ara-tsisintany niseho vao haingana sy ny lolom-po ara-tantara eo amin'ny firenena roa tonta.

“Kuaile Songxiang” avy ao Pékin nanoratra [zh-chinois] fa tokony hianaran'i Shina ny fisorohana ny loza ao Japana, tamin'ny fanehoan-keviny tao amin'ny Sina Weibo, habaka be mpitsidika amin'ny bilaogy madinika:

不但应该接受日本援助,还应引入日本先进的防灾减灾培川,当然最根本的是学习日本那让人眼红的防震建筑和先进的报警系统.

Tsy hoe tokony hanaiky ny fanampiana avy amin'i Japana fotsiny isika, fa mila indrindra mianatra ireo fomba ataon'i Japana amin'ny fisorohana sy ny fampihenana ireo loza voajanahary.

“anarana tsy misy dikany intsony”, mpisera Weibo, nizara ity fihetseham-po ity ary nitaraina [zh] hoe:

 狭隘的民族主意,打肿脸充胖子,接受日本援助很丢脸吗?

Nasionalisma tery izao, toa manana maso ngeza kokoa noho ny kibo isika, tena mahamenatra mihitsy ve ny manaiky ny fanampiana avy amin'i Japana ?

Na dia izany aza, “Yanger Dini” avy ao avaratra-andrefan'ny tanànan'i Xi'an, niaro ny governemanta ary nilaza ny fomba fijeriny [zh]:

有很多政治因素在里面,中国很多重工和核设施在四川附近,这个时候闭关自守也是出于国防的考虑.

Marobe ireo resa-politika mifampidipiditra, indostria mavesatra sy orinasa nokleary maromaro no ao akaikin'i Sichuan, ka matoa tsy miantso fanampiana avy ivelany isika, dia noho ny antony ara-piarovana ny firenena.

“Pushan Pushan De Yanjing” avy ao Nanchang, renivohi-paritany ao atsinanan'ny faritra Jiangxi, nanesoeso [zh-chinois] hoe:

日本是中国凝聚民心彰扬民族主义的反面宣传的对象,若让其来中国做好事,会直接提升其在中国百姓心中的正面形象,对以后的反面宣传不利,所以。。。

Iharan'ny fampielezan-kevitra ratsy ampiasaina mba handrisihana ny nasionalisma i Japana, ka raha avelantsika hanao zavatra tsara ho an'i Shina izy, hanatsara ny endriny eo imason'ny vahoaka shinoa izany, izay ratsy amin'ny fampielezan-kevitra, araka izany…

Toa sahiran-tsaina i “Yihao Caomin” [zh] amin'ny fampitahana ireo firenena roa tonta, ka nilaza momba ny hadalan'ny Vokovoko Mena Shinoa izy sy ireo vaovao navoakan'ny fampahalalam-baovao momba ny sarin'ireo mpitarika mihinana paty masaka minitra vitsy ho fanatsarana fotsiny ny endrin'izy ireo:

日本每年有感地震1000多次,全球10%的地震均在日本。可是日本地震却很少大规模死人。为啥?1.房屋抗震,绝无豆腐渣。2.救援及时专业,不会派没经验的军队上,更不会拒绝外国援助。3.领导吃泡面小米粥不会拍照宣传。4.人家的红十字会不养郭美美。5.人家能上推特,且不删帖。6.……欢迎补充

Niaina fihovitry ny tany imbetsaka i Japana: namely an'i Japana avokoa ny horohorontany maherin'ny 1 000 na ny 10%.  Saingy tsy nitera-doza be loatra ny fihovitry ny tany tao Japana. Satria nahoana? 1. Mahazaka horohorontany ireo trano fonenana, tsy misy ny tetikasa fanamboarana kitoatoa. 2. Matihanina sy hainga-piasa ny fikambanana mpamonjy voina, tsy mirotsaka an-tsehatra ny tafika tsy manana traikefa, tsy misy ny fandavàna tolo-tanana avy any ivelany. 3. Tsy misy ny sarin'ireo tompon'andraikitra mihinana paty masaka minitra vitsy na ranombarim-bazaha hanatsarana ny lazan'izy ireo. 4. Tsy manana Guo Meimei ny Vokovoko Mena (ao Japana). 5. Afaka miditra Twitter malalaka tsy misy lahatsoratra voafafa ny olona. 6. ….afaka mameno ny lisitra ianao

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.