Azon'i Shipra Atao Ve Ny Mivoaka Ny Lavaka Mangitsokitsoka? Vahaolana Telo Ho An'i Shipra Hialàna Amin'ny Krizy Ara-bola

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofan'ny Global Voices momba ny  Eoropa anaty krizy.

Manohy ny hazakazany hiadiana amin'ny bankirompitra ny nosy kelin'i Shipra. Miatrika toe-javatra tena sarotra ankehitriny ilay repoblika Mediteraneana taorian'ny fanapahan-kevitra Eoropeana ny hanisy hetra hoan'ireo mpandrotsa-bola rehetra[fr]. Safidy telo no miseho ho an'ilay nosy: manao fifampiraharahana amin'i Eoropa, mitodika any Rosia, milaza fa bankirompitra sady miala amin'ny faritra Euro amin'izay fotoana izay.

Fototry ny krizy

Nipoitra ity krizy ity taorian'ny fatiantoka goavana tamin'ny petra-bola tao amin'ny Bankim-bahoaka any Shipra sy ny Bankin'i Shipra, noho ny drafitra fanavaozana ny trosa natao tany Gresy tamin'ny Martsa 2012. Taorian'izay moa tsy maintsy nangataka fanavaozana renivola tany Nicosia [fr] ireo banky Shipriota roa ireo.

Vahaolana Avy Amin'ny Sehatra Tsy miankina?

Tena mifamatotra akaiky amin'i Shipra ireo banky Grika. Heverin’ny Bank for International Settlements, [fr] na BIS, ho maherin'ny 12,6 lavitrisa euro ny fitambaran'ny fampiasàm-bola ataon'ny banky Grika any Shipra. Eo amin'ny 28% n'ny fampiasam-bolan'ny banky Shipriota io. Manakana ny mety ho fahafahan'ireo sehatra tsy miankina handray anjara ho amin'ny fandaharan'asa fanarenana ny nosy izany.

Les bureaux de Bank of Cyprus à Aglandjia via wikipédia CC-BY-2;0

Biraon'ny Bankin'i Shipra any Aglandjia, avy amin'ny alalan'ny Wikipedia CC-BY-2;0

Noho izany, raha toa i Shipra afaka mandray anjara avy amin'ny bankiny, manome ny tontalim-bola 7 lavitrisa euro, izay nolavin'i Eoropa tsy ho azy ireo, oharina amin'ny 17 lavitrisa hafa izay mbola tokony aloa amin'ireto farany, dia tsy afaka ny tsy hanome vola ho an'i Gresy indray izany Eoropa[fr], vao maika koa izany hampaharefo ny fahamarinan-toeran'ny firenena. Mety hampidi-doza ny hanaovana fifampiraharahana vaovao, indrindra mikasika ny tetikasan'ny troika. Izany ihany koa amin'ny ampahany no antony mahatonga ny toekarena Grika ho voadona amin'ny hetra ho an'ny mpandrotsa-bola.

Fanampin'izany, mety hampivandravandra ireo mpamatsy vola ihany koa ny fikarakarana ny fidiran'ireo mpisehatra tsy miankina any Shipra. Tsy tokony hadinoina mihitsy fa tokony hijanona ho tokana ny “tranga Grika”. Raha tsy izany, hisarika ny firenena hafa izay miatrika toe-draharaha ara-toekarena sarotra ihany koa, sahala amin'i Espana, Italy, Portiogaly, mba  hitady fanampiana avy amin'ny mpamatsy vola tsy miankina.

Mety tsy ho azo iverenana intsony ny vokatr'izany. Ho sarotra ho an'ny tsena, na tsy ho vita mihitsy aza, ny hamatsy vola ireo firenena marefo, ary mety hampidi-doza be mihitsy eo amin'ny tontolo ny fanitsiana trosam-panjakana any amin'ny firenen-kafa, avy amin'ny Banky Foibe Eoropeana. Ny tena marina, raha ny vola mipetraka any amin'ny banky no jerena, dia mbola “tranga hafa manokana” kasain'ny Eoropa atsangana ihany koa izy io.

Te hanao an'i Shipra ho ohatra ny Antoko sosialy Demokratika any Alemana [fr], na ny SDP, mba hampiatoana ny vato fiandaniana amin'ny fanampiana Eoropeana ao amin'ny Bundestag [fr], izay zava-dehibe indrindra ho an'ny Chancellor Angela Merkel. Noho izany, tsy hisy mihitsy ny fanampiana ho an'i Shipra raha tsy misy fanohanana avy amin'ny Bundestag. Mahita an'i Shipra ho toy ny tahirim-bola izay toa mahita ny loharanony avy amin'ny Rosiana ny SDP, ary miahiahy izy ireo hoe an'ny “mafia” io. Tsy dia nisy fiantraikany loatra tamin'ny tahirin'i Rosia ny fidiran'ny mpamatsy vola tsy miankina, ka tokony hifantoka amin'ny petra-bola ny vahaolana Eoropeana. Satria  tsipahan'i Shipra ny fandrotsahanana petra-bola maherin'ny 10%, mba tsy hanimba ny lazan'ny rafitra ara-toekareny, dia tsy maintsy atao ny fampitomboana ny fototry ny hetrany, ary haparitaka amin'ny mpametra-bola ny fiantraikan'izany, eny fa na dia ny mponina eo an-toerana aza. Sainga mbola mety ho ampy handetika an-davaka kokoa an'i Shipra anefa izany. Izany no antony mahatonga azy hitsipaka ny fandaharan'asa Eoropeana.

Eo indrindra no mahatonga an'i Shipra hiatrika safidy maro. Raha zohina ny fihetseham-po mahery vaika tany Eoropa, indrindra fa tany Shipra, nandritra izay andro vitsy lasa izay, dia toa sahala amin'ny hiverina amin'ny teniny ny sasany tamin'ireo mpandray fanapahan-kevitra Eoropeana, hanenina amin'ny voalohan-tsafidiny. Hitantsika izao ireo fanandramana hampihenana ny fandraisan'anjaran'i Shipra amin'io fanavotana azy io. Na izany aza, mety tsy hanaiky ny hamerenana indray ny fifampiraharahana i Eoropa. Mbola mitoetra aloha hatreto ny adihevitra mikasika ny fandraisana anjara fenon'ny ESM (Mekanisma Eoropeana Ho an'ny Fahamarinan-toerana – European Stability Mechanism) [fr], izay mitantana vola 5.8 lavitrisa euro amin'ny fanampiana.

Fiaraha-miasa amin'i Rosia

Ny vahaolana faharoa ho an'i Shipra dia ny miara-miasa amin'i Rosia. Indrindra koa fa te-hiaro ny petra-bola Rosiana ao amin'ilay nosy i Putin, ary mangataka ho takalon'izany ny fivarotana entona fampiasa, fitaovam-piadiana Rosiana, raha tsy hilaza ny fahitàna vao haingana ny fisian'ny tahirin-tsolika ao amin'ilay nosy. Mety hividy indray ny banky Shipriota i Rosia [fr], indrindra ny Banky Laïka, banky faharoa lehibe indrindra eo amin'ny nosy, mba hanavotana ny fampiasam-bola 2.5 lavitrisa euro. Mety hifameno amin'ny fanampiana Eoropeana ny fanampiana Rosiana, ary amin'izay tsy misy ahiahiana intsony ny mety ho fisarahan'i Shipra amin'ny Faritra Euro. Ho an'i Rosia kosa, mety hamela dindo bebe kokoa i Rosia any Shipra izay manandanja betsaka amin'ny resaka tetikady. Tsy maintsy hiaro ny tombontsoan'i Mosko any Eoropa ilay nosy, nefa mety hiteraka olana vitsivitsy izany amin'ny hoavy.

Nefa i Rosia toa tsy maika ny handray fanapahan-kevitra. Nilaza i Andrei Kostin, talen'ny Banky VTB [Ny Vneshtorgbank teo aloha], tamin'ny 21 Martsa fa tsy liana [fr] ny hividy  petra-bola aminà banky eo amin'ilay nosy ny orinasa hoe entiny:

Sur place, il y a deux banques dans une situation critique qui ont besoin d'être assainies. Il serait absurde de prétendre que nous aurions un intérêt là-dedans. Notre seul intérêt, c'est de retrouver au plus vite la faculté d'effectuer les paiements et de gérer les comptes de nos clients.

Voalohany, misy banky roa tena anaty raharaha manahirana izay mila diovina eto. Tsy mety ny milaza hoe misy tombontsoanay ao anatin'izany. Ny hany mahaliana anay dia ny hahitàna indray fomba hahafahana mandoa vola araka izay haingana, ary koa ny hafahafahanay mitantana ny kaontin'ny mpanjifanay.

Ary nanampy izy fa ny bankiny dia tsy maintsy mila:

arrêter son activité et quitter purement et simplement le marché chypriote” en cas de “décisions violant le droit, dictées par la politique.

mampiato manontolo ny asany, ary hiala fotsiny izao amin'ny tsena Shipriota “raha tonga ny fotoana” handraisana fanapahan-kevitra mandika ny lalàna, ajadon'ny politika.

Vahaolana farany – Bankiropitra

Farany, afaka misafidy ny ratsy indrindra amin'ny vahaolana nefa tsy azo ialàna i Shipra, raha tsy manome fanampiana i Rosia sy i Eoropa- ny bankirompitra. Avy eo, hataon'ny banky ny fampidirana renivola ao Shipra amin'ny famoahany ny vola.

Midika fialàna amin'ny faritra Eoro[fr] izany, mametraka fanaraha-maso henjana amin'ny fihodinan'ny vola, ary fanakànana ny kaonty fampiasa isanandro mandritra ny fotoana famadihana ho amin'ny sandam-bola vaovaon'i Shipra. Hahantra kely ny nosy, ary tena ho voadona mafy sy haharitra ny fampindramam-bola. Hotohizan'ny fotoana fanarenana ara-toekarenaa anaty vanim-potoana sarotra izy ity. Ary ho an'ny faritra Euro, mety ho faharesena izany, ary koa fiandohan-javatra mampiahiahy.

Ny vahaolana farany vita tany Brussels, miaraka amin'ny eritreritra ny hamotika ny banky goavana indrindra eo amin'ny firenena, ary koa ny hampandoavana hetra ny mpametra-bola  mihoatra ny 100,000 euro, dia vahaolana tsy mahomby raha ny hevitr'i Tyler Cowen, Amerikana mpandalina ny toekarena:

Ho lasa ohatrinona izany ny vidin'ny Euro Shipriota iray, raha oharina amin'ny an'ny Alemana? 50%? Izany no antsoiko hoe miala ny euro i Shipra, fa mitazona ny anarana hoe “euro” ihany, mba tsy ho afa-baraka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.