Mandà Tsy Handray Anjara Amin'ny Fanampiana Noho Ny Horohorontany Tao Sichuan i Hong Kong

Noho ny fanoherana tsy mitsaha-mitombo avy amin'ny olom-pirena ao Hongkong dia nolavin'ny mpanao lalàna ny antson'i Leung Chun-ying lehiben'ny mpanatanteraka mikasika ny antso hanomezana fanampiana ny faritr'i Sichuan niharan'ny horohorontany any Shina.

Tamin'ny 22 Aprily 2013, vantany vao nanambara ny drafitry ny governemanta hanolotra  100 tapitrisa dolara Hong Kong i Leung Chun-ying, olom-pirenena maro tao HK no nanohitra io hevitra io, natahotra fa ny fanampiana dia hiafara amin'ny famokisana an'ireo mpiasam-panjakana mpanodikondim-bola fa tsy lasa any amin'ireo olona tokony mila azy.

Tamin'ny fitsapan-kevitra natao tety anaty aterineto nampanaovin'ny SCMP.com ny 23 aprily 2013, izay nahazoana vato 5.000, ny 92 isanjaton'ny mpamaly dia nanao “tsia” tamin'ny fanontaniana “Tokony hanaiky ny fanampiana 100 tapitrisa dolara HK ho an'ireo niharan'ny horohorontany tao Sichuan ve ny solombavambahoaka?”

Ny fanoherana mahery vaika an'ilay drafitra dia noheverina ho vokatry ny fanararaotan'ireo manampahefana ao amin'ny Tanibe amin'ny fanampiana natao ho an'ny horohorontany tany Wenchuan tamin'ny taona 2008 sy ireo tantara ratsim-panodinkodinana mitohy. Sekoly iray izay novatsian'i Hong Kong vola ny fanamboarana azy taorian'ny horohorontany no noravana tamin'ny taona lasa mba hanomezana toerana ny fananganan-trano ho an'ny fampandrosoana ara-barotra.

Ny fanoheran'i Hong Kong tsy hanome fanampiana dia nahita akony tamin'ireo mpampiasa ny Weibo tany amin'ny tanibe. Tao amin'ny bilaogy kiritika fanta-bahoaka, Sina Weibo, naneho ny fahazoany ny ahiahin'i Hong Kong ireo mpampiasa aterineto sady niantso fisaintsainana ho an'ireo mpiasam-panjakana any Hong Kong. Ny sasany nametra-panontaniana mikasika ny tena hevitra manontolon'ilay fanampiana, satria fantany fa manam-bola sahaza tsara hiatrehana ny fandaniana amin'ilay loza voajanahary ny governemanta.

Famakafakan'ny olona iray mpisera anaty aterineto no naverina nalefa im-28843 tao amin'ny Sina Weibo:

Sichuan earthquake kills 193 people. Image by Flickr user @Shiqi Shen (CC BY-SA 2.0).

Namono olona 193 ny horohorontany tany Sichuan. Sarin'ny mpampiasa Flickr @Shigi Shen (CC BY-SA 2.0)

每次内地发生重大灾难,港人都踊跃捐输献爱心,五年前汶川发生大地震,港府与市民合共捐献二百三十亿元,创下历史新高。然而今次雅安大地震后,港人排队捐款的一幕已不复见,连港府建议拨款一亿元赈灾都惹起争议,这不是因为港人变得冷漠,也不是穷得拿不出这些钱,而是内地官场太腐败,在使用善款方面的纪录太恶劣,没有人能保证,善款不会再次被滥用,爱心不会再次遭践踏。

Isaky ny mikapoka ny tanibe ny loza voajanahary goavana, manome fanampiana ampahavitrihana ny vahoakan'i Hong Kong. Dimy taona lasa izay, taorian'ny horohorontany goavana tao Wenchuan, ny governemanta sy ny vahoaka dia nanolotra vola mitontaly telo amby roapolo miliara yuans, ny ambony indrindra teo amin'ny tantara. Saingy kosa, taorian'ny horohorontany tany Ya'an tamin'ity indray mitoraka ity, tsy nisy hita mihintsy ilay fomban'ny vahoaka Hong Kong manao filaharana hanolotra fanampiana, na dia ny vinavinan'ny governemanta mikasika ny 100 tapitrisa dolara HK ho vonjy taitra amin'ny loza voajanahary aza dia niteraka adihevitra. Tsy hoe ny vahoakan'i Hong Kong akory no nanjary nangatsiaka, na tena mahantra tsy afaka hanampy, fa vokatry ny kolikoly ankapobeny ataon'ny mpiasam-panjakana any amin'ny tanibe izay mampiasa tsy araka ny tokony ho izy ireo fanampiana tsy asiana fanaraha-maso na mangarahara. Tsy misy afaka manome antoka fa tsy ho voahodina indray ny vola, ary ho hitsakitsahana indray ny fitiavantsika.

Nanely io fihetsehampo io i “Tuuu Wei”, mpampiasa tranonkala avy any Shanghai :

谁叫汶川地震有挪用捐款的前科,就难怪港人存戒心。 纳税人的钱也都是滴滴血汗换来。 欣赏香港的民主与冷静。

Nahoana ny governemanta no nanodina ireo fanampiana ho an'ny horohorontany tany Wenchuan ireo? Tsy mahagaga raha manana ahiahy ny mponina any Hong Kong. Volan'ny mpandoa hetra avy amin'ny rà latsaka sy ny hatsembohan'izy ireo. Tiako ny demokrasia sy ny fahitsiana ao Hong Kong.

“Xin chaodao” avy amin'ny tanan'i Shenzhen mifanakaiky amin'i Hong Kong no nitaraina hoe:

 连我们自己都不相信捐款能到达真正需要的人手上,更何况是香港同胞

Tsy mino mihintsy izahay fa ho tonga any ampelatanan'ireo niharam-boina tamin'ny horohorontany ireo fanampiana, mba tsy hilazana ireo vahoaka any Hong Kong.

Lian Peng, mpanoratra, naneho hevitra hoe:

钱不是问题,咱们不差钱,但失去民心很可怕。

Tsy olana ny vola, tsy lany ny vola aty aminay, saingy ny mahatahotra dia ny fahaverezan'ny fitokisan'ny olona.

Ilay mpiantsehatra malaza, Chen Kun, nanamafy ireo eritreritr'i Lian Peng:

捐不捐款不是重点,信任!信任!信任的流失才是当下刻不容缓要修复的重点

Tsy ny fanampiana na tsia no olana, ny fitokisana! Fitokisana [no izy]! Ny fahaverezan'ny fitokisana no olana fototra izay tsy maintsy tsaboina haingana.

“Baoxiang Siyi” nanoratra hoe:

 信任危机,要反思啊!

Krizin'ny fitokisana [io], mila mandinika isika!

“Liuxue bu Liu lei 08” nanipika ny antony fototry ny kolikoly tsy misy fitsaharana:

没有严格的约束制度,犯法不受惩罚,那人性的最阴暗暗一面就会爆发,不要怪贪官,只能怪制度没有约束他们.

Without any strict regulatory system, or punishment for breaking the law, the dark side Raha tsy misy rafitra fanaraha-maso ara-dalàna matotra, na sazy noho ny fandikàna lalàna, dia hiseho ny lafy ratsin'ny maha-olobelona. Aza saziana ireo mpiasam-panjakana mpanao kolikoly, sazio ny rafitra izay tsy manakana azy ireo.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.