#FreeRod (Fanafahana An'i Rodrigo): Fandresena Mialoha Tamin'ilay Raharaha Fakàn-Tahaka Maneso Tamin'ny Twitter

Nitatitra momba ilay mpisera Twitter Shiliana Rodrigo Ferrari, izay manana raharaham-pitsarana noho ny fampiasana kaonty Twitter maka-tahaka maneso ilay milionera Andrónico Luksic ny Global Voices Advocacy tamin'ny volana Marsa. Manam-baovao tsara momba izany raharaha izany izahay: nolavin'ny Fitsarana ao Santiago, renivohi-pirenena ny fitoriana natao azy, mbola tsy fanapahan-kevitra farany anefa izany ka mety mbola hodinihan'ny Fitsarana Ambony.

Photo by Rhinman. (CC By 2.0)

Sary avy amin'i Rhinman. (CC By 2.0)

Amin'izany fandresena bitika amin'ny fahalalaham-pitenenana ao Shilia izany, izay hotontosaina atsy ho atsy ny fifidianana filoham-pirenena, nilaza ny fitsarana fa tsy ahitana porofo “hosoka anarana”, araka ny fitorian'i Luksis ny fanenjehana azy.

Nanoro hevitra ny fiarovana ny Fikambanana tsy miankina Shiliana Derechos Digitales [Zo nomerika]. Hoy ny talen'ny Derechos Digitales, nanambara i Claudio Ruiz nilaza:

“Esta acusación claramente constituía una amenaza grave a la libre expresión en Chile y dejaba de manifiesto el especial y particular celo con que ha actuado el Ministerio Público cuando se ha visto afectados los intereses de ciudadanos poderosos. Una verdadera democracia es aquella que protege los derechos y garantías del ciudadano común precisamente frente a casos como estos y, en ese sentido, estamos muy conformes con el dictamen del juzgado”.

Fandrahonana mivantana ny fahalalaham-pitenenana ny ao Shilia ny fiampangana azy, raha oharina amin'ny fijery mitongilana ataon'ny biraon'ny mpampanoa lalàna raha ny tombotsoan'ireo olom-pirenena manana fahefana no voatohintohina. Ny tena demokrasia no iray anisan'ny miantoka ny zo sy ny fiarovana ny olom-pirenena rehetra, indrindra amin'ny raharaha tahaka intony. Amin'izany, ankasitrahanay ny fanapahan-kevitry ny fitsarana.

Fambara tsara ity fanapahan-kevitra avy amin'ny fitsarana ity, indrindra fa hotontosaina atsy ho atsy ny fifidianana filoham-pirenena, fotoana hahafahan'ny olom-pirenena Shiliana haneho hevitra ao amin'ny tambajotra sosialy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.