Venezoela: Miteraka Herisetra Ny Ahiahy Taorian'ny Fifidianana Sy Ny Tsy Fahatokisana

[Mankany amin'ny pejy amin'ny fiteny espaniola ny rohy raha tsy asiana fanamarihana manokana.]

Mitohy ny adihevitry ny daholobe [en] mikasika ny vokatry ny fifidianana natao ny 14 Aprily teo, na eny an-dalambe na ety anaty aterineto.

Maromaro ireo fifandonana nitranga tany aminà tanàna Venezoeliana sasantsasany, ary tototry ny hafatra miaty fiampangàna sy hatezerana avy amin'ny andaniny sy ny ankilany ireo tambajotra sosialy, hatramin'ny androany, mampisaraka ireo mpanara-dia ny Chavismo amin'ireo mpanohitra ny governemanta. Ireto farany dia mitaky [en] famerenana fanisàm-bato, amin'izao fotoana efa nanambaràna an'i Nicolás Maduro ho filoha voafidy hitondra ny repoblika izao.

Ho toy ny savaranando ho an'ireo fifandonana, hetsi-panoherana maro no nitranga tany ivelan'ireo foiben-toerana samihafa an'ny Filankevi-Pirenena Momba ny Fifidianana  (CNE), izay azo jerena anatin'ireo sary nozarain'i Carlos Bauza ao amin'ny Facebook. Namoaka ihany koa izy sary avy any Caracas mikasika ireo fandoroana kodiarana sy vely vilany [en] nataon'ny mpanohitra tamin'ny fotoana nitenenan'ny talen'ny CNE, Tibisay Lucena, tamin'ny firenena tamin'ny alàlan'ny fampahalalam-baovaom-panjakana.

CNE Valencia, 15/04/13. Foto del usuario de Flickr Marco Hernández, bajo licencia Creative Commons  (CC BY-NC-SA 2.0)

CNE ao Valencia, 15/04/13. Sary avy amin'ilay mpampiasa  Flickr , Marco Hernández, nampiasàna ny lisansa Creative Commons (CC BY-NC-SA 2.0)

Marobe ny sary nalaina taona maro tany aloha tany, ahitàna miaramila manipitsipy vatom-pifidianana, nozaraina ihany koa tety anaty Aterineto mba hanaporofoana ny tsy fanjarian-javatra efa nampangaina rahateo. Nisy fiantraikany be tety anaty aterineto ireo sary, izay niteraka fifamalian-dresaka mivaivay sy hatramin'ny fisamborana [en] ny iray tamin'ireo mpampiasa aterineto namoaka ireo sary “manakorontana”.

Mandritra izany, ampangaina i Henrique Capriles ho nihantsy ireo korontana nitranga tany amin'ny faritra maro samihafa tao amin'ny firenena.  Pedro Carreño (@PedroCarreno_e), mpikambana iray avy ao amin'ny Antenimieram-Pirenena sady mpitarika ny andianà parlemantera avy amin'ny Fikambanan'ny Antoko Sosialista ao Venezoela (PSUV), dia nanoratra tao amin'ny Twitter:

@PedroCarreno_e: Eso de responsabilizar a CAPriles es pura paja. Donde esta el ministerio publico para que lo mande a detener y que asuma su responsabilidad

@PedroCarreno_e: Lainga tanteraka ny fitànana an'i CAPriles ho tompon'andraikitra. Fa aiza ny Mpampanoa Lalàna no tsy mamoaka didy fampisamborana sy hahafahany mandray ny andraikiny

Hita taratra ireny fiampangàna ireny any anatin'ny bitsika alefan'ireo mpandàla ny foto-kevitr'i Chavez, izay mitàna an'i Capriles ho atidoha nikotrika ireny fifandonana ireny sy tompon'andraikitra tamin'ireo niharam-boina tamin'ireo voalaza fa fanafihana nanjo ny toeram-pitsaboana (CDI). Nanaparitaka ireny fiampangàna ireny i Sonia Quishpe (@SoniaQuishpe) :

@SoniaQuishpe@hcapriles ya van 12 CDI quemados, 2 casas del PSUV, carros, 2 dirigentes del PSUV muertos q mas quieres fascista? Ese era el camino?”

@SoniaQuishpe@hcapriles 12 CDI no voadotra, birao 2 an'ny PSUV, fiara, tale 2 tao amin'ny PSUV no maty, dia mbola inona koa no tadiavinareo fasista? Izany ve no làlana?”

Mandritra izany fotoana izany indrindra, @joseanton1990, mpampiasa twitter no namaly hoe :

@joseanton1990: Sí alguien tiene las fotos de los 20 CDI quemados q las muestre y con gente de la oposición generando el incendio más rápido para q las suba

@joseanton1990: Raha misy olona manana ny sarin'ireo CDI 20 may dia tokony hampiseho izany ry zareo miaraka amin'ireo olona avy amin'ny mpanohitra nandrehitra ny afo, ampiakarina haingana faran'izay haingana

Kanefa, andro vitsy nanaraka an'ireo, sary vitsivitsy avy tao amin'ilay toeram-pahasalamàna no nozaraina mba handisoana ireo filazana fisianà fanafihana ireo.

Ho azy manokana, nizara lahatsary iray i Héctor Ruribarri tao amin'ny Facebook-ny, ka ao anatin'izany no anindriany fa “nanafika hetsika am-pilaminana natao tao amin'ny foiben-toeran'ny CNE tao Maracaibo” ireo andian'olona mpomba ny governemanta.”

Namoaka lahatsary iray tao amin'ny Youtube i Illdiego izay anondroany fa “tafaverina amin'ireo” andian'olona avy amin'ny Antoko Kaominista ao Venezoala sy ny Antokon'ny Tanora Kaominista ny iray tamin'ireo foiben-toeran'ny Filankevi-Pirenena momba ny Fifidianana, izay “nalain'ireo Caprilistas”.

Namoaka lahatsary sy saripika ihany koa ry zareo mpanohitra nentiny niampangàna ny polisy sy ny tafika mitam-piadiana manohana ny governemanta ho nampiasa fitaovam-piadiana namelezana ireo mpomba ny mpanohitra.

Arakaraky ny andehanan'ny ora, miakatra hatrany ny maripàna ary, na eo aza ny ezaka hitandroana ny fitoniana eny an-dalambe, marefo ihany izany. Eny anaty tambajotra sosialy, miakatra miha-henjana ny feo, manahiran-tsaina, ary miely be. Na izany aza anefa, nitondra fisaintsainana maro ihany ny habaka aterineto, izay namoha varavarana ho anà fifanakalozan-dresaka vaovao, mijoro manoloana ireo herisetra ara-batana sy fifandonana. Mbola resaka mitohy sy tsy azo antoka ny ho vokatr'izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.