#Yemen: Vodaroky Ny Drôna Amerikana i Dhamar

Taorian'ny telo volana mba niatoan'ny fanafihana drôna (fiaramanidina kely mpandaroka baomba baikoana avy lavitra) Amerikana tao Yemen, dia namono olona dimy noahiahiana ho Qaeda ny drôna halina 16 Aprily 2013. Ny tatitra farany miresaka fanafihana drôna amerikana farany tao Yemen avy amin'ny TBIJ (The Bureau of Investigative Journalism) dia tany amin'ny 23 Janoary, nahafaty efa ho fito tany ho any tamin'ireo nolazaina fa mpitolona. Roa andro monja talohan'io, ny 21 Janoary, andro nanosorana ny filoha Obama, drôna telo no nidaroka an'i Yemen, namono efatra nahiahiana ho mpitolon'ny al Qaeda.

Halina, i Farae Al-muslimi, Yemenita mpanao gazety sady mpikatroka mafàna fo, avy ao amin'ny tanànan'i Wessab, any amin'ny faritanin'i  Dhamar, no namoaka voalohany ny vaovao mikasika ilay fanafihana drôna Amerikana. Nibitsika izy :

@almuslimi: Ora iray teo ho eo raha mbola nifaly niara-nisakafo tamin'ireo Amerikana namako ( manampahefana ny sasany ) aho , nokinendrin'ny fahafihana drôna ny tanànako…

‏@almuslimi: Efa faly ery aho nandritra ireo telo volana lasa fa hoe nitsahatra ny fanafihana drôna Amerikana taty #Yemen. Tsy nahafantatra mihitsy hoe hiverina hamely ny tanànako indray ry zalahy !

i Hamid Radman al-Manea, fantatra amin'ny hoe al-Radmi, ary efatra amin'ireo mpiambina azy no lasibatr'ilay daroka drôna amerikana raha ny notaterin'ny masoivohom-baovaom-panjakana, raha iny ry zareo hiverina hody tao an-tranony iny. Mpikambana fahiny tao amin'ny ‘garde repoblikana’ izy, tafika manokana notarihan'ny zanaka lahimatoan'i Saleh ary noahiahiana ihany koa ho mifandray tendro amin'ny Al-Qaeda.

Al-muslimi nanampy hoe :

@almuslimi: Lavitra an'i Wessab no nisy an'i Al-radmi efa an-taona maro. Tamin'ny taona lasa izy no niverina sy nanjary olona be mpahafantatra noho ny famahàny ny olana ara-tsosialy teo amin'ny samy olona. #Drone

@almuslimi: Nifandray tsy tapaka tamin'ireo manampahefana tao amin'ny governemanta i Al-radmi, teo am-panaovana vavaka Maghrib niaraka tamin'ny Sekretera Jeneralin'ny Filankevitry ny Tanàna izy io alina io #Drone

@almuslimi: teo aorian'ny fiaran'i Al-radmi indrindra ny fiaran'ny sekretera jeneralin'ny filankevitry ny tanàna satria vao tonga avy any amin'ny toerana niarahan'izy ireo namaha olana ry zareo. #Drone

Maro amin'ny Yemenita no manontany tena hoe nahoana no lasibatry ny famonoan'ireo drôna amerikana hatrany ireo ‘ahiahiana’ ho mpikatroka ireo. Vantany vao fantatra ny toerana misy ireo ahiahiana, tsy mametra-panontaniana kely akory ry zareo hoe maninona no tsy anirahana mpitandro filaminana Yemenita ka samborina ry zareo, alaina am-bavany ary alefa tsaraina rehefa voaporofo fa meloka. Maninona no tsy misy lisitra ” fisamborana sy fakàna am-bavany” fa tsy tonga dia ny “lisitra ho vonoina” avy amin'i Obama? Inona no antony manosika ao ambadik'ireny famonoanana tsy mandalo fitsarana ataon-dry zareo ireny? Tena miray tsikombakomba hamely ny amerikana tokoa ve ireo ambara ho noahiahiana  ireo sa manam-pahavalo ao Yemen sy Arabia Saodita maniry ny hahita azy ireo maty izy ireny?

Nanipika izany i Almuslimi ao anatin'ireto bitsika manaraka ireto:

@almuslimi: Tsy misy zavatra mora indrindra noho ny misambotra an'i Al-radmi raha izy no tadiavina. RAHA NY MARINA dia niaraka tamin'ny manampahefana iray tao amin'ny governemanta amin'izao fotoana izy tamin'ny fotoana nandarohan'ny drôna azy.!

@almuslimi: 3- mihaona tsy mitsahatra amin'ireo mpitarika ny filankevitry ny tanàna ao an-toerana i Al-radmi ary nanatrika ny fivorian'izy ireo hamahàna ny olana sy manangona ny filàn'ny mponina

‏@almuslimi:5- Tsy nisy na iray aza [nahafantatra] eny fa na dia ny lehiben'ny fiarovana aza, ny governora, na iza na iza hoe ao anatin'ny lisitry ny olona hajedaka izy.! loharano avy amin'ny fiarovana no niteny tamiko tamin'ny antso an-telefona: 1/2

@almuslimi: ” mety ho nisambotra azy izaho tenako mihitsy aho herinandro latsaka eo izay raha nahita azy na nandefa ireo miaramila osako hanatontosa izany”. 2/2 #Yemen #Drones

Almuslimi, toy ireo Yemenita maro nitsidika an'i Etazonia ary nankafy ny fanabeazana Amerikana, dia nivalaketraka naheno ny vaovao miresaka fanafihana drôna iray hafa indray tao amin'ny fireneny ary tamin'ity indray mitoraka ity dia tao amin'ny tanànany niaina am-pilaminana. Nibitsika izy :

@almuslimi
Wessab, ny tanànako, no tsy isalasalàna fa misy ny olona faran'izay tia filaminana indrindra ary iray amin'ireo faritra mahantra indrindra ao Yemen. arahabaina, nataonareo ho zava-mahasarika azy ireo izao ny herisetra

@almuslimi: nampianatra ahy teny Anglisy i #USA indray andro izay & nanàla ny fiainako tanatin'ny fahantràna lalina nananontanona mba ho amin'ny mamiratra. Androany, nodarohany drôna ny tanànako. Tena mizarazara be ny saiko

‏@almuslimi: Tsy noheveriko velively hoe angamba amin'ny fotoana ampakarako ny verako miaraka amin'ireo amerikana namako akaiky ao Sana'a, hodarohan'ny governemantany amin'ny drôna ny tanànako.!

A protester in the US holding a sign condemning President Obama's policies, including the use of predator drones.

Olona iray mpanao hetsi-panoherana ao Etazonia mitàna sorabaventy manameloka ny politikan'ny Filoha  Obama, isan'izany ny fampiasàna drôna mpanani-bohitra.

Ny politika ankehitriny ahindrahindran'i Etazonia hiadiana amin'ny asa fampihorohoroana ary ampiasàna fanafihana amin'ny alàlan'ny drôna dia voakiana mafy tokoa na aiza na aiza ary notoherina mandritra ireo famoriam-bahoaka atao manerana an'i Etazonia tamin'ny herinandro lasa. Tao Yemen, azo antoka fa niteraka fankahalàna ny fitantanana amerikana izy iny, na dia avy amin'ireo tanora maro nandranto fianarana tany Etazonia toa an'i Almuslimi aza, izay nanoratra sombin-dahatsoratra mafonja mikasika azy io.

Io politika io, napetraky ny filoha Barack Obama, dia ambara ho niafara tamin'ny fahafatesana Yemenita tsy manan-tsiny maro, ary indrisy tsy nahavita nanavaka ny mpitolona sy ny olon-tsotra ary ireo Amerikana mpanolotra vaovao amin'ny radio.
Hatramin'ny nanombohana nampihatra ilay politika, nahomby tsy mbola nisy toy izany ny AQAP. Ireo izay namoy havana tamin'ny fanafihan'ny drôna no manangana andian-taranaka iray manontolo hirotsaka ho AQAP.
Ny drôna dia nanao izay hahasarotra, hahamenatra ary haha-mampidi-doza ny fitenenana hoe “Azo alaina namana tsara i Amerika”, na hoe  “tsy fahavalo i Amerika”.

Nandritra  ny fitsidihany tany Etazonia, ny filoha Yemenita, Abd Rabu Mansour Hadi, dia naneho ny fankatoavany ny fanafihana drôna tamin'ny Septambra lasa

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.