Làlana Mihoson-drà Mankany Amin'ny Fifidianana Ao Pakistan

Fanaovana vy very ny aina amin'ny fanapoahana baomba, grenady iray sy fipoahana baikoana avy lavitra – izany rehetra izany anaty andro iray monja.

Olona siviambinifolo no maty taminà tranga telo samihafa nikendrena ireo mpirotsaka hofidiana avy aminà antoko politika telo samihafa. Ny 16 Aprily 2013 no andro iray vonton-drà ho an'ireo mpanao fampielezankevitra tao Pakistana.

Samad Khurram (@SamadK), iray isan'ny mavitrika amin'ny mpampiasa Twitter avy ao Pakistana niteny hoe :

@SamadK: Ghulam Bilour (ANP), Sanaullah Zehri (PML-N) ary Zulfiqar Afghani (PPP) voatafika androany. Afaka hanana fifidianana ao anatin'io tontolo io ve isika?

Olona iray mpanao vy very ny ainy no namely an'ilay famoriam-bahoaka laika sy Pashtun amin'ny ankamaroany nataon'ny Awami National Party (ANP) tao avaratra andrefan'i Peshawar, nahafaty olona 15. 50 hafa no naratra, anisany i Ghulam Ahmed Bilour, andrin'ny antoko.

Ny Tehreek-e-Taliban Pakistan (TTP) no nilaza ho tompon'antoka tamin'ny fanapoahana ilay baomba, izay fanineniny amin'ny fanafihana ireo filohan'antoko sy mpirotsaka laika tamin'ny volana lasa. Tany am-piandohan'ity volana ity, nampitandrina ireo mpifidy ny mpikatroka Taliban mba tsy hanakaikikaiky nybiraom-pifidianana no sady nivoady fa hanamafy ny famelezany ireo laika mpanao politika.

South Waziristan: Election office of candidate Abdul Khaliq blown up by militants. Image courtesy Pak Votes (11/4/2013)

Herisetra tao Waziristan Atsimo: Biraom-pifidianan'ny kandidà tsy miankina, Abdul Khaliq, napoakan'ireo mpikatroka. Sary natolotry ny Pak Votes (11/4/2013)

Ny ANP no iray amin'ireo antoko politika vitsy sahy nanameloka ampahibemaso ny Taliban ao Pakistana. Marvi Sirmed (@MarviSirmed), izay mpikatroka mafàna fo amin'ny resaka sosialy, manana ny maha-izy azy, dia nibitsika hoe:

@MarviSirmed: Mipao-tsatroka amin'ny #ANP noho ny mbola fijoroany manohitra ny mpampihorohoro #TTP sy ireo mpanohana azy rehetra na aiza na aiza misy azy ireny #Media #politicalParties #establishment.”

Ny rahalahin'i Bilour, iray hafa mpitarika ny antoko dia maty tamin'ny fanaovan'ny sasany vy very ny ainy tamin'ny taona lasa.

Hoor F. Khan (@HooviK), tanora iray 23 taona mpanohana ilay antoko politika Pakistan Tehrik-e- Insaaf (PTI) nibitsika hoe :

@HooviK: Hirifiry toy inona no hiaretan'ny #Bilours? vote nai dena, na dou, jan tho na lo zalmo Raha tsy te-hifidy ianao, atsaharonareo tsy valahara ireo ny manala ain'olona]  #ANP #PTI #PPP #PMLN

Namoaka torolàlana ankehitriny ny ANP ho an'ireo mpirotsaka ho fidiana avy ao aminy mba hampihena ny fampielezankeviny ho amin'ny fifidianana sy hisoroka ny fanaovana “filaharana ary famoriam-bahoaka aminà kianja malalaka.”

This is a screenshot from Pakvotesmap.pk highlighting incidents of elections-related violence.

Ity dia dikasary avy amin'ny Pakvotesmap.pk anasongadinan ireo tranganà herisetra mifandray amin'ny fifidianana. Fampiasàna nahazoana alàlana avy amin'ny Pak Votes

Tao amin'io tanàna io ihany, nisy nanipy grenady iray tao amin'ny trano fonenan'i Zulfiqar Afghani, mpirotsaka avy amin'ny Pakistan People's Party Parliamentarian (PPPP), soa fa tsy nisy ny naratra.  Pak Votes, hetsika  iray fanaovan-gazetin'olon-tsotra manangona sy mametraka an-tsarintany ireo herisetra mifandraika amin'ny fifidianana ho ao amin'ny sehatra Ushahidi dia nibitsika :

@Pak Votes: Fanafihana tamin'ny grenady entin-tànana tao  amin'i Zulfiqar Afghani mpirotsaka avy amin'ny Peshawar NA-1 PPP. Tsy nisy ny naratra tamin'ilay fanafihana #PakVotes

Vao maraina be ny androany, ny andiam-piaran'ny mpirotsaka avy amin'ny Pakistan Muslim League (N), Sanaullah Zehri, dia tratry ny baomba nobaikoana avy lavitra, nahafaty olona efatra tany Khuzdar, tanàna any atsimo andrefana, faritanin'i Balochistan. Tafavoaka tsy nisy nanombinana tamin'izany i Zehri, saingy ny zanany lahy, ny zanaky ny iray tampo aminy ary rahalahy iray no namoy ny ainy tamin'ilay fanafihana.

Vondrona iray mpitaky fizakantena , ny Baloch Liberation Army (BLA) no nilaza ho tompon'antoka tamin'ilay fanapoahana baomba.

Tamin'ny fanehoankevitra momba ireo fanafihana, dia nilaza ilay mpanadihady ara-politika, Adnan Rasool (@adnanrasool) hoe :

@adnanrasool: Voalohany, i Sanaullah Zehri no namoy fianakaviana .. avy eo i Ghula Bilour izay divin-janahary no nahafahany tamin'ny fanafihana azy.. mila mitambatra isika hanohitra ny fampihorohoroana.

Ireny fanafihana ireny dia efa fitaratra ratsy sahady ny ho fifidianana mbola afaka telo herinandro. Mahatonga ny rehetra hametra-panontaniana ny amin'ny toetoetr'ilay fifidianana ihany koa, ahitàna ny maro mitanisa fa ao anatin'ny vanim-potoana tahaka izao, tahaka ny tsy hisy fifidianana malalaka sy tsy mitanila.  Huma Yusuf (@HumaYusuf), Pakistane mpanao gazety sy mpanoratra tsanganan-dahatsoratra, dia mibitsika hoe:

@HumaYusuf: Ho an'ireo izay miteny fa olana an-jorony ny resaka fironana aminà foto-kevitra iray aty #Pakistan; mbola anjorony ihany ve raha toa handiso voka-pifidianana izy ity? #PakVotes #ANP #Peshawar

Ireo fifidianana ao Pakistana, ny tetezamita demaokratika voalohany eo amin'ny fitondrana teo amin'ny tantara politikan'ny firenena, dia voalahatra hatao ny 11 May 2013.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.