Tenenina Tsy Hivoaka An'i Kyrgyzstan Ireo Ankizivavy

Nanolotra volavolan-dalàna ny solombavambahoaka Kyrgyz iray mba handraràna ireo tovovay latsaky ny 23 taona tsy handao ny firenena raha tsy misy fanomezan-dàlana avy amin'ny ray aman-dreny. Antsoin'i Yrgal Kadyralieva hoe ‘Sapargul’ ilay volavola tiany hampandaniana ao amin'ny antenimiera, nalaina tamin'ny anaran'ny tovovavy iray mpifindra monina niharan'ny fanafihana ‘fitiavan-tanindrazana’ mahamenatra tao Rosia nataon'ireo lehilahy mpiray tanindrazana aminy avy any Kyrgyzstan, ampahany amin'ireo zavatra nahaliana notaterin‘ny Global Voices tamin'ny antsipirihany tamin'ny volana Jona lasa iny.

Nefa nifanehatra taminà kiana henjana ilay volavolan-dalàna izay mikendry ny hisakanana ireo Kyrgyz tanora tovovavy tsy handeha hiasa any ivelany ho lasa “andevon'ny filan'ny nofo”. Ireo vondrona mpiaro zon'olombelona dia miampanga hoe mametraka teritery amin'ny fahalalahana mivezivezy nofaritan'ny lalàm-panorenana ilay volavolan-dalàna.

Ny Hetsika Bishkek ho an'ny Vehivavy dia manoritra ilay volavolan-dalàna avy amin'ilay solombavambahoaka Kadyralieva (ankavanana) ho toy ny ray masiaka sy hentitra ao anatin'ity sary namboarina ity. Mivaky toy izao ny soratra: ‘Hey, ndeha ho aiza izato ianao'?

‘Famonjena ny ankizivavy manoloana ny ho avy tsy azo antoka’

Ny 4 Martsa, ny tranokalam-baovao tao an-toerana kloop.kg dia namoaka [ru] tafatafa iray nahasarika ny saina niarahana tamin'ilay solombavambahoaka niresahana ny amin'ilay fandraisan'andraikitra. Tamin'ny volana lasa iny dia tafiditra ho isan'ireo be mpamaky indrindra ilay tafatafa tao amin'ilay tranonkalam-baovao, nitondra nankany aminà resadresaka anaty lahatsary [ru] ifanaovan'ireo olon-tsotra mikasika io lohahevitra io ihany. Iray amin'ireo antony tena ahazoan'ilay tafatafa laza be dia ny resaka tsy misorona nifanaovan'i Kadyralieva sy Zarema Sultanbekova, tanora vavy iray mpanao gazety izay tafiditra ao anatin'ny fetran-taona kendren'ilay volavona-dalàna ho arovana. Im-betsaka ao anatin'ilay tafatafa, tahaka ny mitady handroatra [ru] tsy ho hay fefena ny fahalinan'i Kadyralieva :

Я горю! Мне стыдно за этих девушек.

Зарема, мы хотим или нет — мы рожаем нацию! Богатырей или депутатов! Мужчины не рожают!

Mirehitra aho [noho ny hatezerana]! Sahiran-tsaina noho ny amin'ireny ankizivavy ireny aho

Zarema, isika no miteraka ho firenena – na tiana na tsy tiantsika! [Isika no miteraka] ireo mahery fo sy solombavambahoaka! Tsy misy lehilahy afaka hiteraka izany!

Nabaribarin'i Kadyralieva ihany koa ny ny fahasarotana amin'ny fandrafetana volavola toy izao amin'ny maha-vehivavy tanora ny tena. Zara raha misy valo taona amboniny miohatra amin'ireo tovovavy mety ho voaràran'ilay volavolan-dalàna tsy hahazo hivoaka ny firenena no taonan'ilay mpanao lalàna. Miasa ao anatinà antenimiera izay tena anjakan'ny lehilahy izy, toerana izay tsy itsaharan'ireo aksakals (zokiny)  hoe “akombony ny vava”  sy iampangan'ireo filohan'antoko azy ho mikatsaka toerana amin'ny alàlan'ilay fandraisan'andraikitra.

Mpamaky iray ny Kloop i Aizhan Rahmanova, izay niarahaba [ru] ny fahasahian'i Kadyralieva amin'ny fikatsahana ny hiresaka ny tena zava-misy eo amin'ny fiainan'ireo vehivavy tanora mpifindra monina ao Rosia:

я полностью согласна с ней,потому что сама живу за границей и вижу что твориться с девушками.Она женщина мужественная,и спасает девушек от непонятного будущего.

Miombon-kevitra tanteraka aminy aho [Kadyralieva]; Izaho tenako dia monina aty ivelany ary mahita ny zava-mitranga amin'ireo ankizivavy. Tena vehivavy sahy izy mamonjy ireo ankizivavy manoloana ny ho avy tsy azo antoka.

Kanefa, ny sasany amin'ireo mpamaky manohana ilay hetsika dia tahaka ny mampiseho tohankevitra mivatravatra, entanin'ny resa-boninahitra, sy tohankevitra fitiavan-tanindrazana sahala amin'ny fanaon'ireo milaza tena ho tia tanindrazana nanafika an'i Sapargul mba hanamarinana ny nanafihan'izy ireo an'ireo tanora vavy Kyrgyz ampangaina ho mpivaro-tena any amin'ireo tanàna Rosiana. Ohatra, nanoratra [ru] i Ulanbek :

Абсолютно Правильный Законопроект надо принять!!!Прочитал некоторые высказывания «Дермократов,АДВОКАТОВ» которым кажется что нарушаются гендерные права женщин,и хочу предложить задать себе вопрос «ТЫ согласен чтобы твою дочь,сестренку [воспринимали] как проститутку???»!!!!

«ДЕВУШКИ» у которых «НАРУШАЮТСЯ» права,извините что выражаюсь грубо в праздник,»ТЫ можешь заниматься проституцией сколько Тебе угодно и за сколько Тебе угодно бери хоть по рублю с клиента» НО ТОЛЬКО ПРИМИ ГРАЖДАНСТВО ДРУГОЙ СТРАНЫ НЕ ПОРОЧЬ МОЮ СТРАНУ КЫРГЫЗСТАН!!!

Faran'izay volavolan-dalàna tena mahitsy sy tokony holaniana io! Novakiako ny sasany tamin'ireo fanehoankevitry ny ‘Mpiaro ny Demaokrasia’ izay mihevitra fa mety ho voahitsakitsaka ny zon'ny [vehivavy] [raha lany ilay lalàna] ary te-hanontany azy ireo aho hoe : “Ankasitrahanareo ve raha toa ny zanakareo vavy na ny anabavinareo no entina toy ny fitondra mpivarotena?”

Ry ankizivavy, izay “voahitsakitsaka” ny zony, aza tsiny aho raha toa miteny tsy misorona amin'ny [andro manerantany natao ho an'ny vehivavy]: Azonareo atao ny mivarotena araka izay tianareo tahaka ny fanananareo zo mitaky vola amin'ny mpanjifa anareo araka izay itiavanareo azy koa – SAINGY MANGATAHA NY HAHAZO NY ZOM-PIRENENA ANY AMIN'NY FIRENENA HAFA ARY AZA MITONDRA HENATRA HO ATY AMIN'NY FIRENEKO, KYRGYZSTAN!!!

‘Tsy fahasamihafàna eo amin'ny lahy sy vavy ve izy ity?

Elena nanamarika [ru] fa ny lalàlna ampiharina amin'ny vehivavy dia tokony hampiharina amin'ny lehilahy koa:

 Это что гендерное неравенство? Пусть тогда и парней до 23 лет не пускают… Пусть лучше дома работают, порядок наводят, заводы строят, дороги… Замуж девушек берут. А то не справедливо получается.

Tsy fahasamihafàna eo amin'ny lahy sy vavy ve izy ity? Dia asio fandraràna koa ho an'ireo tovolahy latsaky ny 23 taona tsy hivoaka ny firenena. Avelao izy ireo hiasa eto an-tanindrazana, ataovy  ny asa, atsangano ny orinasa sy ny làlana. Vadio ny vehivavy. Raha tsy izay dia fiangàrana.

Ny iray amin'ireo fandraisana anjara tena niavaka tamin'ilay resadresaka ny nnataon'ilay mpisolovava iray, Sadanbekov, izay nandroso ny [ru] hoe ao anatinà firenena iray anjakan'ny kolikoly toa an'i Kyrgyzstan, miteraka vesatra ara-bola fanampiny amin'ny endrika tsolotra ho an'ireo ankizivavy manam-paniriana ny handeha hivoaka ny firenena izany :

А вы не усматриваете здесь нарушение прав человека (девушки)? Под этим соусом погранцы начнут злоупотреблять служебным положением и вымогать деньги со всех девушек. Каждый имеет право на свободу передвижений, на свободу выбора места жительства и выезда. А может быть самой Ыргал Кадыралиевой запретить выезжать за границу? Зачем нам такие парламентарии, которые палки в колеса вставляют и инициируют бестолковые законы? Разогнать надобно такой Жогорку Кенеш! Система парламентаризма в Кыргызстане не оправдала себя.

Tsy toy ny fanitsakitsahana ny zo maha-olona (ireo ankizivavy) ve no fahitanareo azy ity? Ho ampiasain'ireo mpiandry sisintany [ilay lalàna] hakàny vola amin'ny ankizivavy rehetra. Ny olona tsirairay dia manan-jo hivezivezy malalaka, hifidy malalaka ny toerana tiany honenana, hifidy malalaka ny handao ny firenena. Angamba tokony handràra an'i Yrgal Kadyralieva koa isika tsy ho hahazo hivezivezy any ivelany? Inona no ilantsika solombavambahoaka tahaka izany izay mamolavola lalàna tsy misy ilàna azy akory? Tokony horavàna ny [antenimiera] tahaka izany! Tsy nahavaly izay nandrasana taminy ny rafitry ny antenimiera ao Kyrgyzstan.

Ny adihevitry ny olom-pirenena momba izay lohahevitra izay ihany, izay nampifamaly an'i Yuri Puinov (miteny manohitra ilay volavolan-dalàna) sy  Beks Okenov (miteny manohana azy io) dia niteraka fifanakalozan-dresaka mivaivay tao amin'ny Twitter ary nampiasàna ny tenifototra  #kloopdebates. Araka ny fitsapan-kevitra iray, dia voatondro ho i Puinov no nandresy tamin'ny elanelan'isa tery dia tery tamin'ilay adihevitra.

Nandritra ilay adihevitra dia nibitsika [ru] i Anisa Atalova (@AnisaAtalova) hoe :

@AnisaAtalova: А что если девушки не хотят защиты? Кто-то будет спрашивать? #kloopdebates

@AnisaAtalova: Ary ahoana raha toa ka tsy maniry ny ho arovana ireo ankizivavy? Mba ho alaina va re ny hevitr'izy ireo? #kloopdebates

Janygul Janibekovna (@janygul) nanontany hoe [ru] :

@janygul: Безопасность важнее свободы? #kloopdebates

@janygul: Mavesa-danja kokoa noho ny fahalalahana ve ny resaka fiarovana? #kloopdebates

Ary Azat Ruziev (@Azat25) nanamarika [ru] mikasika ny mety ho hevitra efa mipetraka mialoha ho an'ilay drafi-dalàna :

@Azat25: Девушки, получается не полноценные граждане… законопроект готовит их стать проститутками #kloopdebates

@Azat25 Ireo zazavavy, raha ny fisehony, dia tsy raisina ho toy ny olom-pirenena afaka mizaka feno ny zony… manao azy ireo ho toy ny mpivarotena io tolo-dalàna io #kloopdebates

Araka ny nampahatsiahivina tao anaty lahatsoratry ny Global Voices tamin'ny Jona mikasika ny fanafihana noho ny resaka fitiavan-tanindrazana nanjo ireo vehivavy mpiasa mpifindra monina, manodidina ny 30-40% amin'ireo Kyrgyz mpifindra monina miasa any Rosia no vehivavy. Marobe amin'ireo vehivavy ireo no tanora, tsy manambady, ary tonga irery tao amin'ny firenena.

Ny Kaomisionan'ny Antenimiera misahana ny Raharaha Ivelany dia nanohana ilay tolo-dalàna. Tsy mazava aloha hatreto hoe rahoviana ny fotoam-pifidianana ilay ilay tolo-dalàna no hatao ao amin'ny antenimiera.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny Tetikasa Fanofanana Ao Azia Afovoany ataon'ny GV ao amin'ny Anjerimanontolo Amerikana ao Azia Afovoany, ao Bishkek, Kyrgyzstan.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.