Nampametra-panontaniana Ny Fitokonana Tsy Hihinan-kanina Nataon'ny Mpitoraka Milaogy Iray Teratany Iranianina

Mehdi Khazali source:doostaranedrkhazali.blogspot.com

Loharanom-baovaon'i Mehdi Khazali: doostaranedrkhazali.blogspot.com

Iranianina mpitoraka bilaogy miisa 350, mpanao politika sy mpikatroka mavitrika avy amin'ny fiarahamonin'ny sivily no niara-nanao sonia taratasy iray fampitandremana tamin'ny herinandro lasa teo nanambara fa tandindonin-doza ny fiainan'ilay mpamoaka boky, mpandalina ny fizika ary mpitoraka bilaogy fantatra amin'ny anarana hoe Mehdi Khazali  taorian'ny nanaovany fitokonana tsy hihinan-kanina mandritry ny 90 andro mahery.

Fa raha toa ka nampitandrina ny mpitoraka bilaogy sasany fa tandindonin-doza ny fiainan'i Mehdi Khazali, dia teo kosa ireo izay manontany tena hoe tena marina tokoa ve ny fisian'izany fitokonana tsy hihinan-kanina izany.

I Khazali dia zanaka lahin'i Ayatollah Khazali, ilay mpitondra fiangonana avy amin'ny ankolafy havanana sady mpikambana fahiny tao amin'ny Filankevitr'ireo Mpiaro. Nosamborina izy niaraka tamin'ny mpandray anjara maromaro ao anatin'ny fikambanan'ireo mpanoratra antsoina hoe Saraye Ghalam.

[fa] Nanazava io resaka mandeha io i Freedomseeker, Iranianina iray mpitoraka bilaogy :

… Ny antony iray tsy inoan'ny olona io fitokonan'i Khazali tsy hihinan-kanina io dia iray taona mahery teo, nambara fa nitokona tsy hihinan-kanina mandritry ny 67 andro izy. Fotoana kely taorian'io dia navotsotra izy araka ny baikon'i Ayatholah Ali Khamenei, ilay lehiben'ny Repoblika Islamika. Nanomboka ny fihanihana tendrombohitra fanaony isan-kerinandro i Khazali sady nandrisika ny olona handray anjara amin'ny fifidianana izay ho parlemantera. Tao anatin’ ireo sary navoakany mikasika ny fihanihana tendrombohitra nataony ireo, dia tsy hita taratra akory hoe nanao fitokonana tsy hihinan-kanina nandritry ny fotoana ela be izy ary toy ny mbola tsara bika hatrany izy… Ny zava-bitany taloha teo amin'ny fanjakana no mahatonga  ny olona sasany hiahiahy fa hoe efa eo an-dalam-pikarakarana fanoherana sandoka io fanjakana io.

Fa tsy ny olon-drehetra no mizara io eritreritra io. Nisy fanaovan-tsonia natao tamin'ny alalan'ny aterineto izay mangataka ny hamotsorana an'i Mehdi Khazali, tsy misy hatak'andro ary tsy arahina fepetra:

Manavao ny fitokonana tsy hihinan-kanina nataony i Mehdi Khazali. Mehdi Khazali, ilay teratany Iranianina mpandalina ny fizika sady mpitoraka bilaogy  izay naiditra am-ponja, dia nanomboka ny fihodinana fahaenina amin'ny fitokonany tsy hihinan-kanina any amin'ny Fonjan'i Evin. Tamin'ny volana Novambra 2012 no nisamborana farany an'i Mehdi Khazali taorian'ny nanafihan'ny mpitandro ny filaminana ny fivoriana nokarakarain'ny  mpanoratra iray. Nitatitra i Kaleme fa najanon'i Khazali ny fitokonana nataony teo aloha raha vao nampanantena ny hamaly ny fangatahany ny manam-pahefana tao am-ponja. Kanefa kosa, ny tsy fanatanterahana ireo fampanantenana ireo sy ny fitohizan'ny “fampijaliana tsy ara-dalàna ireo voafonja izay ataon'ireo mpanadina sy ireo manam-pahefana ao amin'ny fitsarana” dia nitarika an'i Khazali hiditra amin'ny fitokonana hafa tsy hihinan-kanina indray.

Manoratra[fa] i Irane Azad fa ireo olona izay mandray ho hanihany ny fitokonana tsy hihinan-kanina ataon'i Mehdi Khazali, raha ho faty ity farany rahampitso, dia hiantso azy ho maritiora. Nibodo ny fifidianana izay ho filoham-pirenena ireo olona ireo tamin'ny 2009 saingy lasa lohalaharana amin'ireo mpanohana taorian'ny nipoahan'ny Green Movement [hetsika fanoherana].

Nandritra izany fotoana izany, nampitandrina[fa] ilay mpitoraka bilaogy 666Sabz ka nanao hoe “Ry vahoaka! Misy olona mamoy ny ainy any am-ponja.”

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.