Venezoela: Miomana Amin'ny Fifidianana Atao Amin'ny Alahady ny Fikambanana Tsy Miankina Ho Amin'ny Mangarahara

Tao anatin'ny enim-bolana izao dia handeha handatsa-bato fanindroany ireo Venezoeliana. Hifidy izay handimby ny filoha teo aloha Hugo Chavez izy ireo, izay namoy ny ainy tamin'ny volana Marsa teo. Somary mikorontana ny tontolo politika ao amin'ny firenena fa tsy tahaka ny fifidianana tamin'ny volana Oktobra, na dia izany aza, afaka nivondrona ireo fikambanana tsy miankina (ONG) mba hiasa ho amin'ny fangaraharan'ny fizotry ny fifidianana.

Ny fivakisan'ny tontolo politika ho roa ao Venezoela no mahatonga ny ilàna ny fisian'ity fiaraha-miasa ity. Elección Ciudadana – anaran'ny vondrona mpandrindra – izay nitsangana tamin'ny volana Oktobra tamin'ny alalan'ny ezaka nataon'ny Venezuela Inteligente [es], ary niasa nandritra izay dimy volana lasa izay no hampandroso ny fiarahamiasa miaraka amin'ireo fikambanana maro samihafa. Amin'izany fifarimbonana izany, manantena ny fikambanana fa afaka hanintona olom-pirenena marobe. Amin'ny maha-solontenan'ny iray amin'ity fiaraha-mientana ity ny Transparencia Venezuela [es] nilaza hoe:

ny tanjonay dia ny hiasa ho an'ny vahoaka amin'ny alalan'ny fomba fifandraisana maro mba hahafahan'izy ireo maneho ny fitarainany amin'ny fampiasana fitaovana izay mety amin'izy ireo, mandritra ny fampielezan-kevitra izay manomboka androany sy amin'ny andron'ny fifidianana.

Transparencia Venezuela (@NoMasGuiso) [es] nisioka toy izao ihany koa :

@NoMasGuiso: Tu denuncia con la de otros puede hacer la diferencia, no te quedes callado y denuncia los abusos que veas en estas elecciones #NoMasGuiso (no more corruption)

@NoMasGuiso: Misy ny fiovana raha miara-manao tatitra amin'ny hafa ianao, aza mipetrapetra-potsiny – tatero izay fihoara-pefy hitanao amin'ny fifidianana #NoMasGuiso

Mety ve ireo ezaka hanintonana Venezoelana maro amin'ny alalan'ny hafatra tsotra azon'izy ireo idirana sy ny fanomezam-baovao fanampiny momba ny hosoka sy izay tsy mety rehetra amin'ny fifidianana? Mpikambana ao amin'ny fiaraha-mientana, Usted Abusó nahazo tatitra maherin'ny 200 izay  amin'ny ankapobeny momba ny fampiasana fitaovam-panjakana amin'ny politika.

 

Elección ciudadana map

Saritany Elección ciudadana

Tatitra teo amin'ny 200 teo no voaray hatramin'izao tao amin'ny Elección Ciudadana, izay ahitana sarintany [es] mandray ireo tatitra avy amin'ny olom-pirenena izay nalefa voalohany any amin'ireo fikambanana miara-miasa. Manantena mbola handray vaovao na tatitra marobe ny fiaraha-mientana amin'ity herinandro ity, satria mety hiseho avokoa ny herisetra, ny fitànana sy ny tsy fahombiazana amin'ny rafi-pifidianana. Eny, efa nanomboka sahady ny herisetra politika – ohatra, nisy ny vono olona [es] sy ny fanafihana [es] noho ny antony ara-politika tamin'ity herinandro ity.

Amin'ny andron'ny fifidianana, hametraka foibe natokana ho an'ireo mpilatsaka an-tsitrapo ny Elección Ciudadana – izay karakarain'ny Venezuela Inteligente [es] – ho an'ireo olona handray, hanamarina sy handefa tatitra. Ny maro hafa kosa dia hanao izany an-tsitrapo any an-trano. Ny fanantenan'izy ireo dia hahay hiara-hiasa tsara ireo tambajotra samihafa ary hanamora ny fanaraha-maso, ny fampidiran-tahirin-kevitra ary ny famaliana ny tatitra ny traikefan'ny mpikambana tsirairay ao amin'ny fiaraha-mientana amin'ny androm-pifidianana; hiezaka hahazo valinteny avy amin'ireo fampahalalam-baovao lehibe sy ny manampahefana ofisialy misahana ny fifidianana [es] ihany koa izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.