Lesona Ho An'i Okraina Ny Fanatanjahantena Kroaty

Betsaka no tokony hianaran'i Okraina izay misy mponina 45 tapitrisa amin'i Kroasia, izay manana mponina mahery kelin'ny 4 tapitrisa rah resaka fikarakaràna hetsika ara-panatanjahantena ho an'ny ankizy.

Io no tsoakevitr'i Denis Oleinikov, Mpandraharaha Okrainaina monina any Kroasia miaraka amin'ny vadiny sy ny zanany roa, tao anatin'ny lahatsoratra iray tao amin'ny Facebook nampitahany ny fihetsika manoloana ny fanatanjahantena any Okraina sy any Kroasia. Nahazo fialokalofana ara-politika any Kroasia i Oleinikov – izay antsoiny ankehitriny hoe ” trano vaovao, misy ny ampy sy misy firahalahiana” – taorian'ny famoretana henjana noraisina tamin'ny 2011  nahazo ny  orinasany mpanome tolotra araka ny filàn'ny mpanjifa izay manao printy ambony akanjo bà nasiana teny faneva maneso ny Filoha Okrainiana Viktor Yanukovych.

Voalohany, ampitahain'i Oleinikov ny isan'ny mponina sy ny fidiram-bolan'ireo firenena roa ireo :

[…] Manana haavo ambony kokoa Okraina amin'ny lafiny tanàn-dehibe. Monina amin'ny tanàn-dehibe malalaka tsara izahay- izay midika fa azo atao tsara ny manangana [foto-drafitr'asa ara-panatanjahantena] izay mety […]amin'ny olona an'hetsiny. […]

Any Kroasia, saika miaina amin'ny tanàna ety ny olona.[…] 10.000 ny isan'ny mponina ao amin'ny tanànanay. Manodidina ny 30 eo ho eo ny ankizy mitovy taona amin-janako any – [any Kyiv], betsaka ankizy nitovitovy taona taminy ihany tany sarahan'ny làlana roa monja [tany amin'ireo manodidina].

Misy [orinasam-barotra indostrialy lehibe] any Okraina izay mamatsy, tsy ny klioba manana mpilalao matihanina ihany, fa ireo “fivondronan'ny” sekoly ara-panatanjahantena izay manana kalitao ambony ihany koa. Ny zanako vavy [nilalao tennis] in-droa tao amin'ny kianja mitafon'ny orinasan'ny Shustov Cognac [any Odessa]- manana kianja filalaovana tennis sy dobo filomanosana ry zareo ao, ary ireo rehetra ireo dia avo lenta avokoa. Ny faritra Kroaty rehetra dia tsy manana dobo filomanosana avokoa [izay afaka hifaninana amin'ny an'i Shustov].

Ny [Kroaty] olombitsy mpifehy eo an-toerana dia mpangataka mahantra raha ampitahaina amin’ ireo Okrainiana mitovy aminy . […]

Avy eo, nanao tombana vetivety ny vokatra azon'ireo firenena roa ireo tamin'ny fanatanjahantena izy :

[…] Baolina kitra, filaharana ataon'ny FIFA: Kroasia – 9, Okraina – 48.
Basketball, lehilahy: Kroasia – 16, Okraina – 50.
Basketball, vehivavy: Kroasia – 21, Okraina – 61 (zaraina amin’ i Roanda sy Madagasikara io laharana io).
Handball, lehilahy: Kroasia – 10, Okraina – 28.
Handball, vehivavy: Kroasia – 18, Okraina – 22.

Amin'ny fanatanjahantena fanao amin'ny ririnina ihany no mihoatra an'i Kroasia i Okraina, izay zavatra tsy atao mahagaga satria i Kroasia any ambanin'ny Tropika no misy azy 🙂 -Fa tsy amin'ny fanatanjahantena fanao amin'ny ririnina rehetra akory,-Ihoaran'ny Kroaty izahay amin'ny fikorisana amin'ny ranomandry an-tendrombohitra.[…]

Croatia wins bronze medal at Handball World Championships. Photo by Pau Barrena, copyright © Demotix (26/01/13).

Kroasia nahazo ny medaly alimo tamin'ny Fiadiana ny Amboara Eran-tany Handball. Sary avy amin'i  Pau Barrena, alàlana avy amin'ny © Demotix (26/01/13).

Mitohy manontany tena momba ireo zava-bita atletika mampitsiriritra vitan'i Kroasia i Oleinikov. Rehefa nahazo nandray anjara nandritra ny herinandro tamin'ilay lasy ara-panatanjahantena nokarakarain'ny sekoliny nandritry ny fialantsasatry ny lohataona  ny zanany lahy kely, fantany tamin'izay ny fanalahidy tsy maintsy ilain'ny fahombiazan'i Kroasia :

[…] Tianay ho aterina amin'ny 8 ora maraina ary alaina amin'ny 3 ora hariva ny zanakay

Ny tanàna no mamatsy amin'ny kojakoja ara-panatanjahantena sy ny sakafo […]. Ny federasionan'ny fanatanjahantena no manome mpanazatra  […]. Psikology iray ara-panatanjahantena ho an'ny ankizy no nafarana avy any Zagreb [renivohitr'i Kroasia].

Ary MANDRITRA NY HERINANDRO IRAY MANONTOLO dia mifaly amin'ny  fanandramana karazanà fanatanjahantena samihafa ny ankizy, maimaim-poana : baolina kitra, basketball, volleyball, handball, tennis, ping-pong, karate, escrime(!!!), voile (!!!), kanetibe…izay angamba, araka ny fahalalako.

[…]

Ao amin'ny “tanàna” misy anay  (araka ny fenitra Okrainiana, tsy ho ny ngeza loatra manakory), 100 isan-jaton'ny ankizy no mandray anjara aminà hetsika fanatanjahantena atao ankoatra ny fianarana. […]

Misy lesona ho an'i Okraina sy ireo Okrainiana mpanao politika mpanohitra ihany koa hitan'i Oleinikov eto :

[…] Tsy dia lafo loatra ny manao tahaka itony aty Okraina.[..] Tokony hanangana kianja mitafo ny sekoly sy ireo fikambanana monisipaly sasany. Karakaraina amin'ny fomba hafa ny sakafo.

Olona vonona hanao izany no ilaina. Na dia tsy te-hahalala aza ny fanjakana.

Ireo mazoto, mpirotsaka antsitra-po, mafàna fo.

Farany, mitondra mpanohana mahatoky ( avy amin'ny ray aman-dreny) avo dimy heny ho an'ireo mpanao politika manana ny hajany izany miohatra amin'izay mety ho azon'ny famoriam-bahoaka miisa folo ny lasy tahaka izao. Tokony atao isaky ny enim-bolana mandritra ny dimy taona misesy ny lasy tahaka izao – fa tsy telo volana mialoha ny fifidianana fotsiny […].

Ny sasany amin'ireo mpamaky an'i Oleinikov (manana namana sy mpanjohy majerin'ny 2.750 izy ao amin'ny Facebook ) dia manindry ny resaka fanatanjahantena any Okraina – kanefa na dia izany aza mampiseho fitokiana kely, na tsy misy mihitsy.

I Aleksandr Yaremenko dia nanoratra  [ru] hoe :

Denis, efa misy fanatanjahantena ho an'ny ankizy izao aty amin'ny firenentsika. Na io irony karazam-panatanjahantena ” mamoaka mpilalao mamiratra” irony izay andoavan'ny ray aman-dreny vola be […] na fahazotoan'ny mpanazatra madiodio [vatsian'ny fanjakana vola] izay mivelona amin'ny karama vary masaka omen'ireo ray aman-dreny tsy dia manana loatra.

Alex Gureev nanoratra hoe [ru]:

Mirona mankany amin'ny fanadinoana haingana ny zava-misy marina any Okraina ireo manan-katao any Eorôpa. Nefa sahirana mitady izay IVELOMANY ny olona aty !Tsy te-hokorontanina amin'ny resaka fanatanjahantena na izay zavatra hafa ataon'ny manan-katao Tandrefana izy ireo… Tsy maintsy nanandrana isika nampihatra ilay [foto-kevitra “hetsika madinika”]- ary, tamin'ny ankamaroany, rava afaka roa volana monja ireny andrana ireny… ((

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.