Bilaogera Tshadiana Nofonjaina

Nitatitra ny  Internet Without Borders (Internet tsy misy sisintany) fa nosamborin'ny miaramila tao N'Djamena, renivohitr'i Tshady tamin'ny 22 marsa i Jean Laokolé, mpanoratra sady bilaogera Tshadiana. Nisy ny fanangonan-tsonia natao ny andron'ny 9 avrily nilazàn'ilay vondrona nisolovava fa “nosamborin'olona manao fitafiana sivily [i Laokolé] raha iny nitondra fiarakodia niaraka tamin'ny fianakaviany iny.” Miantso ho amin'ny “famitsorana tsy misy hatak'andro sy tsy misy fepetra” ilay bilaogera ny fanangonan-tsonia.

Manoratra ambadika solon'anarana amin'ny bilaogy iray anisan'ny malaza indrindra ao Tshady i Laokolé. Hatramin'ny nisamborana azy, notazonina tsy misy fitsarana amin'ny toerana tsy nolazaina i Laokolé, hoy ny fanazavan'i Julie Owono, Biraon'i ‘Internet Without Borders’ eto Afrika. manoratra i Owono:

Jean Laokolé contributed last year under an assumed name on the Chadian famous blog http://makaila.over-blog.com/. In his articles, he denounced corruption, poor governance and nepotism that prevail in this country located in the Central part of Africa. He was identified by the intelligence services.

Jean Laokolé dia nandray anjara tamina anarana iray tao amin'ilay bilaogy Tshadiana malaza http://makaila.over-blog.com/. Ao amin'ny lahatsorany izy no mitsikera ny kolikoly, tsy fahaiza-mitantana ary ny kiantranoantrano manjaka ao amin'io firenena anisan'ny afovoan'i Afrika io. Nisy ny nahafahan'ny sampam-pitsikilovana nahafantatra azy.

Jean Laokolé (image courtesy Internet Without Borders)

Jean Laokolé (sary avy amin'ny Internet Without Borders)

Tao akaikin'ny toby miaramila antsoina hoe “Toby Amsinene” no nahitana farany an'i Laokolé tamin'ny 25 marsa. Nolazain'ny mpikatroky ny zon'olombelona tao an-toerana tamin'ny Internet Without Borders fa malaza amin'ny fitazonana gadra politika io toby io. Nanangona tahirin-kevitra [PDF] momba ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona mpitranga ao Amsinene ny Amnesty International tamin'ny 2012. Araka ny Amnesty International, dia nipoitra avy ao amin'ny fianakaviana mafana fo ara-politika lasibatry ny mpitondra fanjakana hatry ny taloha i Laokolé. Mpitarika politika mpanohitra sy filoha lefitry ny vondron'antoko politika ao amin'ny fanoherana ny rainy Jean-Baptise Laokolé. Toy izao ny nosoratan'ny Internet Without Borders amin'izay mety ho antony nisamborana an'i Laokolé:

According to various sources, including family members, police summoned Jean Laokolé…allegedly about an article published on a blog. He was suspected of bringing “false accusations” against a group of people who may [may have filed] a complaint against him. Negotiations for a compromise were underway between all the parties: They finally agreed that Jean Laokolé would write an apology on this blog and would also send a letter of apology to those likely to have been injured by the blog post. He planned to do so on Saturday, March 23.

Araka ny loharanom-baovao maro, ao anatin'izany ny avy ao amin'ny fianakaviana, nitrerona an'i Jean Laokolé ny polisy …noho ny lahatsoratra iray nivoaka tao amin'ny bilaogy araka ny fiheverana. Noahiahiana ho “nanendrikendrika amin'ny tsy marina” vondron'olona izay [mety ho nametraka] fitoriana azy izy. Nizotra tany ho any ny fanaovana marimaritra iraisana teo amin'ny rehetra: Nifanaraka ry zareo tamin'ny farany fa hanoratra fialan-tsiny ao amin'ny bilaoginy i Jean Laokolé sy handefa taratasy fialan-tsiny ihany koa amin'ireo heverina ho voaendrikendrika tao amin'ny bilaoginy. Izany no saiky nataony tamin'ny 23 marsa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.