Nahafaty Olona Enina Ny Gripam-Borona Tany Shina

Nisy karazan-gripam-borona mbola tsy hita mihitsy tamin'ny olombelona hatramin'izay, tao Shina, nahazo olona 21 hatramin'izao ary nahafaty olona enina, ka niteraka tahotra tamin'ny olona maro ny mety hielezany ary nametraka ny tompon'andraikitry ny fahasalamana hiatrika ny loza fanairana.

Ny voatatitra voalohany indrindra ho matin'ny tsimok'aretina H7N9 dia lehilahy 87 taona maty tamin'ny 4 Marsa 2013 tao amin'ny tanànam-barotr'i Shanghai, izay manana mponina 20 tapitrisa. Nisy tranga maromaro hafa hita avy eo tamin'ny manodidina ny faritanin'i Zhejiang, Anhui ary Jiangsu, ka niteraka siosion-dresaka fa mety ho fatin-kisoa manakaiky ny 15000 hita tao amin'ny reniranon'i Shanghai [mg] tamin'ny volana lasa no nampiparitaka ny aretina.

Nitsipaka [zh] izany mety ho fifandraisana izany ny governemanta Shinoa. nisy famotorana ofisialy notontosaina hamantarana ny niavoan'ny tsimok'aretina sy ny fomba nahafahany niditra tamin'ny olombelona.

Tao Shanghai, nandidy ny hamonoana vorona mihoatra ny 20.000 tao amin'ny tsenan-tsakafo tao an-toerana ny manampahefana tamin'ny 5 marsa 2013 fa tao no tsikaritra ho nisy tsimok'aretina H7N9 hita tamin'ny voromailala ny omalin'iny. Naaton'ny tanàna ihany koa ny fivarotana vorona velona hisorohana izay mety fiparitahan'ny tsimok'aretina.

Roa andro taty aoriana, tsikaritra fa nisy olona enina nahitana H7N9 tao Nanjing, renivohitr'i Jiangsu, nanaraka ihany koa ny manampahefana tamin'ny fanakatonana ny tsenam-borona velona tao an-tanàna.

Feno ny siosion-dresaka amin'izay mety ho niavian'ny tsimok'aretina tao amin'ny Sina Weibo, habaka iray mitovy amin'ny Twitter ao Shina, mitsikera ny fomba fitateran'ny gazety ao amin'ny tanibe ny valan'aretina, ary mampitaha ny H7N9 sy ilay valan'aretina SARS nipoaka tany taompolo iray lasa izay. Niteraka fanehoan-kevitra efatra tapitrisa izany hatramin'izao ary ao anatin'ny lohahevitra telo be mpiresaka indrindra tamin'ny 7 avrily 2013.

Manontany tena ao amin'ilay tolotra famahanam-bolongana bitika momba ny fifandraisana misy eo amin'ny fatin-kisoa sy ilay tsimok'aretina i Yiyi Chuang Jianghu avy ao Henan:Screen shot from Shanghai's Dragon TV: Health officers draw blood from a pigeon

好想知道死猪与H7N9有无关系。。

Tena te-hahafantatra tokoa aho raha misy ifandraisany amin'ny kisoa maty ny H7N9…

Shanghai top headlines, [lohateny lehibe ao Shangai] kaonty Weibo iray natokana ho amin'ny famoaham-baovao farany momba ny H7N9 no manontany:

#H7N9#@施力勤: 江苏南通一例,在救护车上已死亡(@任伟NICKY),H7N9重灾区同时也是发现大量死猪区域,没有联系吗?

#H7N9# @ShiLiqin: Efa nisy tranga iray tany Nantong ao Jiangsu izay maty nandritra ny nitondrana azy tao anaty fiara mpitondra marary (@RenweiNICKY), Ny toerana tena nampahery ny H7N9 dia ireo toerana nahitana fatin-kisoa betsaka, misy fifandraisany ve?

Mampahatsiahy ilay aretim-pisefoana mahery vaika (SRAS) tamin'ny 2003, izay nipoitra tao Shina ary nafenina tamin'ny voalohany nialoha ny nivelarany ho krizim-pahasalamana manerantany ka nahafatesany olona hatramin'ny 800 eran'izao tontolo izao.

Mba nanao ny mangarahara sy nisokatra kokoa tamin'ny firesahana ny gripam-borona, tsy tahaka ny tamin'ny andron'ny SRAS, ny gazety mahazatra Shinoa tamin'ity indray mitoraka ity. Namoaka lahatsoratra milaza ny isan'ny tratran'ny aretina ny Gazety ary miantso ny olona tsy fifampikasokasoka amin'ny vorona velona.

Saingy naningana koa ny fahitalavi-panjakana CCTV. Tsy nilaza na inona na inona momba ny gripam-borona H7N9 ny fandaharam-baovao Xinwen Lianbo mpandeha ary be mpanaraka isaky ny amin'ny fito ora hariva tamin'ny 5 Avrily 2013, ka niteraka tsikera an-tserasera noho ny fanginany.

Namoaka ny fihetseham-pony tao amin'ny Weibo momba ny fomba fitateram-baovaon'ny media ny mpanoratra manan-daza Shinoa Li Chengpeng:

禽流感各国都有,时时也爆发,全球医界也没神药。可别人信息透明,这里却总辟谣+捂盖子。说实话这次透明度超过 10年前非典,但仍不够,因面对重大疫情,你除了解决疫情本身还要缓解惶惶民心。这才是常态治国。呼吁去亚马逊看雨林的央视今晚多报道疫情。别老伸话筒 问:你幸福吗。我只好答:我幸……存。

Zava-misy isa-pirenena ny gripam-borona, ary hatramin'izao sy hatramin'izay, tsy manana ny fomba fitsaboana tena mahomby ny tontolom-pitsaboana. Saingy mangarahara kosa ny fampahafantarana any amin'ny firenen-kafa raha fitsipahana tsahotsaho sy fanafenana ny zava-mitranga no misy eto. Tsorina fa nihoatra noho ny tamin'ny folo taona lasa ny fangaraharana, saingy mbola tsy ampy, rehefa miatrika valan'aretina, ilaina ny mampitony fangorohoroan'ny olona ankoatra ny famahana ny olana naterak'ilay valan'aretina. Izany no tokony ataon'ny firenena iray. Milaza aho fa tokony hitatitra momba ilay valan'aretina ny CCTV fa tsy hiresaka momba ny ala any Amazôna. Aza avoaka ny mikrônao ka hanontany hoe, “Faly ve ianao?” Ny hany valiny azoko atao dia hoe: “Velona…. ihany aho.”

Guan Qingyou naneho ny heviny tamin'ny fampitahany ny SARS sy ny gripam-borona H7N9:

经历过SARS,因而我们对H7N9充 满恐惧。十年轮回,经济都处于新周期的起点。目前尚不知H7N9是否会广泛传播,故很难量化经济影响。首先冲击心理。节前港股暴跌即与此有关;其次影响消 费。人们会减少外出就餐、出行、旅游,消费本已羸弱,此次雪上加霜。再次影响工业。中间会有时滞,也要视H7N9传播程度。 

Tena matahotra ny H7N9 izahay satria efa nandalo SARS [folo taona lasa izay]. Folo taona taty aoriana, Efa niditra tamin'ny fiaingana vaovao ny toe-karenan'i Shina. Tsy mazava amin'izao fotoana izao raha hiely ny H7N9, ka sarotra ny handrefy ny fiantraikany eo amin'ny toekarena. Voalohany, hisy ny fiantraikany ara-toetsaina. Misy ifandraisany amin'izany ny fijotson'ny tsenam-bola mialoha ny andro tsy fiasana tao Hong Kong. Faharoa, hisy ny fiantraikany eo amin'ny fihinanana. Hitsahatra tsy hihinan-kanina evalan'ny trano sy tsy hanao dia lavitra ny olona, efa tena marefo ny fihinanana, manampy trotraka amin'ny voina [ny gripam-borona]. Avy eo ho tratrany ny vokatra indostrialy. Mety hisy ny fiatoan'asa, miankina amin'ny herin'ny fielezan'ny H7N9 izany rehetra izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.