28 000 Ireo Renirano Nanjavona Tamin'ny Sarintany Sinoa

Misy hira “folk” Sinoa iray izay mitantara ny “renirano lehibe manonja mafy, izay itsofan'ny rivotra ny fofon'ny tanimbary mankany amin'ny moron-drenirano.”

Nefa mety ho lasa fahatsiarovana sisa ny renirano mampanonofy toy izany any Sina. Noho ny fitaintainan'ny vahoaka nitombo noho ireo riaka maro voaloto tany amin'ny firenena, nampiseho ny fanadihadiana iray natao vao tsy ela manerana ny firenena fa manodidina ny 28000 ireo renirano voarakitra tao anatin'ny rakitahirin'ny governemanta taloha no ritra.

Ilay fanadihadiana, nivoaka tamin'ny 26 Martsa 2013, no voalohany natao tao amin'ny firenena taorian'ny taona 2010-2012. Araka ny angona natao, miisa 22 909 ankehitriny ireo renirano maharakotra 100km² any amin'ny firenena, izay lavitry ny isa 50 000 nolazaina fa nisy tamin'ny taona 1990.

Screen capture of CCTV's report on a dried river in Guizhou.

Sarin'ny fanadihadian'ny CCTV momba ny renirano iray ritra tany Guizhou.

Herinandro maromaro taorian'ny nanaovan'ny fitantanana Sinoa vaovao fanamby ny hiady amin'ny fahasimban'ny tontolo iainana any an-toerana izay vao nivoaka ity fanadihadiana ity. Nahavalaketraka ny maro izany antontan'isa mitontongana izany, anisan'izany ny manampahaizana momba ny tontolo iainana malaza iray, Ma Jun. Tanaty fanadihadiana iray nataon'ny Times of England, nilaza izy fa mifandray amin'ny fitrandrahana diso tafahoatra ny rernirano izany fanjavonan'ny renirano izany.

Nanampy koa i Ma fa mety manana anjara amin'izany koa ny tetikasa “hydroélectrique” goavana tahaka ny Tohodranon'i Three Gorges.

Na izany aza, nandiso ilay isa ambany ny governemanta indrindra indrindra momba ireo fomba fikarohana samihafa sy ny fikorontanan'ny toetr'andro. Jiao Yong, solombavambahoakan'ny Sina ao amin'ny ministeran'ny rano, dia nanamarika fa tsy azo antoka ny isa 50 000 taloha satria nampiasa ny fomba tranainy ireo mpanao saritany teo aloha mba hijerena ny misy ireo renirano. Nilaza [zh] izay tamin'ny fahitalavi-panjakàna Televiziona Foiben'i Sina (CCTV):

过去都是90年代,我们专家依靠过去的老地图,老资料来进行统计计算的,而这次我们是运用国家1/5万(比例)的最新的地图,再加上遥感影像这些设备,一条河一条河提取出来的,所以它的准确度应该是更高。

Tamin'ny taona 1990, niankina tamin'ireo sarintany taloha sy ireo fitaovana tranainy ireo manampahaizana mba hanaovana ny kajikajy, fa tamin'ity indray mitoraka ity kosa dia nampiasa ireo saritany farany indrindra miaraka amin'ny maridrefy nasionaly 1/50000, ary ny fitaovana fijerena sary alavitra, ka nanisa ireo renirano tsirairay, noho izany dia tokony ho azo antoka lavitra izy.

Maro ireo mpampiasa aterineto no toa resy lahatra amin'ny fanazavàna ofisialy. Yami Laoliu [zh] avy any Beijing dia nanoratra tao amin'ny vohikala fitoraham-bilaogy bitika malaza, Sina Weibo:

雅米老刘:惊闻目前我国已有2800条河流从地图上消失。是天灾?是人祸?应该二者兼有,且人祸为主,事例很多,不胜枚举。剩下的河流和地下水水质令人堪忧……能源和粮食已经高度依赖进口,难道我们的子孙饮水也要进口?

Gaga aho raha nahare fa 28 000 sahady ireo renirano nanjavona tamin'ny sarintany. Loza voajanahary ve izany? Sa vokatry ny hadalàn'ny olombelona? Mino aho fa nanana anjara tao izy roa ireo, ka ny hadalan'ny olombelona no tena mibahana, maro ireo ohatra afaka mampiseho izany. Mampiahiahy ny rano sisa tavela sy ny rano ambany tany….Miankina betsaka amin'ny fanafarana avy any ivelany ny sakafo sy ny angovontsika, midika ve izany fa mety hanafatra ny rano hosotroiny koa ireo andian-taranaka any aoriana?

Wang Xuming, mpitondra tenin'ny Ministeran'ny Fampianarana teo aloha, dia nanolotra [zh] tenim-pahendrena ho an'ny Filoha sinoa Xi  Jinping tao amin'ny Weibo:

#给习总提建议#有 消息说中国流域面积100平方公里以上河流30年来少了2•7万条。口袋里的钱愈来愈多,身边的水却愈来愈少。2013年中国环保投入将比去年增加 18•8%是经济增幅两倍多。建议各地立即减缓发展速度,切实把环保作为第一大事抓,否则不予重用。真的把富有中国变成美丽中国!

Torohevitra ho an'ny sefo Xi: Araka ny voalaza dia nihena 27 000 ny isan'ireo renirano maharakotra 100km² tao anatin'ny 30 taona farany teo. Mitombo ny vola anatin'ny paosintsika, fa mihena tsikelikely kosa ny rano manodidina antsika. Nitombo 18,8% ny vola ampiasain'i Sina amin'ny fiarovana ny tontolo iainana, izay avo roa henin'ny fitomboan'ny toekarem-pirenena [manodidina ny 8% ny PIN an'ny Sina. Manoro [ny governemanta] aho mba hampiadana kokoa ny fivoaran'ny toekarena amin'ny lafiny rehetra, ary hanao ny fiarovana ny tontolo iainana ho laharam-pahamehana voalohany, raha tsy izany dia tsy tokony hasiana vidiny ireo mpiasam-panjakàna. Hanao ny Sina manan-karena ho tonga Sina tsara tarehy.

Pan Wenda, izay avy amin'ny tanànan'i Shenyang any amin'ny faritra Liaoning any avaratra atsinanan'i Sina, dia nanao antso [zh] ho an'ny vahoaka ka mangataka ireto farany haneho hevitra momba ny toetry ny renirano any amin'ny tanàna honenany tsirairay avy:

#逝去的家乡河流#在我国,不到20年,已有2万7千多条河流消失!这是一个很可怕的数字和现象,因为,水是生命之源,没有了水,一切生命都将消失!为了减少和避免河流的人为消失,为了子孙的健康延续,让我们为此呼吁,以引起有关方面重视。请大家在本条下面留言,说明你家乡河流的现状。

Ireo renirano mandalo amin'ny firenentsika, 27 000 tamin'ireo no nanjavona tao anatin'ny 20 taona, mampatahotra izany tarehimarika sy tranga izany, ny rano no fototry ny aina, raha tsy misy rano dia tsy hisy aina intsony! Mba hampihenana sy hisorohana ny fanjavonan'ny renirano noho ny ataon'ny olombelona, mba hahazoana antoka fa ho salama lalandava ireo zanatsika, ndeha hanandra-peo ka hijery akaiky ireo antoko politika lehibe. Ry namana, mamelà hafatra eto ka hazavao ny toetr'ireo renirano any amin'ny firenenao.

Na ilay gazety mpanaitaitra be mpanaraka tohanan'ny fanjakàna, Global Times aza dia nisento [zh] tamin'ity indray mitoraka ity tao amin'ny pejy Weibo an'ny famoahan-dahatsorany Sinoa:

据说中国每年消失上万条河流,想起去云南曾看到整片树被砍伐,山若斑秃;在西双版纳,山上原生树全被换成 橡胶树,同质化对树林生态伤害很大。发展一旦启动,其狰狞的一面也渐显露,它还会不断自我加速。但谁又能指责人们改善生活的努力呢?十亿计只想发展没有信仰缺少敬畏的人,是一股多么可怕的力量!

Voalaza fa an'aliny maro ireo renirano manjavona isan-taona aty China. Izany dia mampahatsiahy ny ala nokapaina tany Yunan tamin'ny taon-dasa, tendrombohitra miboridana: Tany Xishuangbanna, nafindra toerana avokoa ireo hazobe teo mba hambolena hazo fingotra, manimba be ny tontolo iainan'ny ala ny “homogeneisation”. Natomboka ny fampivoarana iray, hipoitra tsikelikely ny lafiratsiny, ary hihazakazaka izany. Nefa iza no afaka manameloka ireo ezaky ny olombelona amin'ny fanatsaràna ny toe-piainana? (Raha) misy olona iray lavitrisa donton'ny fampivoarana ka tsy ampy finoana sy fahatahorana ny natiora, tsy ho tanjaka mampihorohoro ve izany!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.