Mampihomehy Ireo Arabo Ny Fandrahonana Nokleary Ataon'ny Korea Avaratra

Nampihomehy Arabo maro mpampiasa aterineto ny fandrahonan'i Korea Avaratra ny hanafika ireo toby miaramila amerikana, anisan'izany ireo mitoby any Amerika.

Mibitsika ilay Palestiniana Ola Anan [ar] hoe:

تعليق بابا على تهديدات كوريا: أيوة بقى خليهم يتلهوا في بعضهم شوية ويحلّوا عنا

@olanan: Ny hevitr'i dadanay amin'ny fandrahonan'i Korea [Avaratra]: “Ie, avelao ry zareo hiady loha amin'ny momba azy dia milamina isika.”

Mivazivazy ilay Siriana, The 47th :

@THE_47th: Raha nitranga izao fandrahonana nokleary ataon'ny Korea Avaratra izao fony i Bush mbola filoha, dia efa nibaiko fanafihana tao Kambojy izy. #MitahyNyTompo

 Hesham Mansour shares <a href="https://twitter.com/Heshoz/status/319733231656267777">this picture</a> showing the Emir of Qatar cheering on the on-going war of words between North Korea and the US.


SATIRE:  Mizara ity sary ity i  @Heshoz mampiseho ny Emir an'i Katara mitehaka ny ady vava ataon'ny Korea Avaratra sy ny Etazonia

 

Manamarika kosa ilay Libane Liliane A. :

@FunkyOzzi: Raha ny fahitàko azy, #KoreaAvaratra dia ilay zazakely tsy ampy fitiavana ka mba mila fihina kely.

Manampy i Hadi Alabdullah, avy any Homs, Siria [ar]:

منقول: الائتلاف الوطني السوري يدرس قرار تزويد الولايات المتحدة الأمريكية بأسلحة غير فتاكة وتقديم الدعم اللوجستي لها في حربها ضد كوريا 🙂

@HadiAlabdullah: Ny Fiaraha-mitantam-pirenena Siriana dia mandinika fanapahan-kevitra iray mba hamatsiana fitaovam-piadiana tsy mahafaty  ary fanampiana ara-pitaovana an'i Etazonia ho an'ny adiny amin'ny Korea Avaratra.

Ibrahim Elgarhi, Ejiptiana dia manararaotra izany mba hanesoana ny filohan'ny fireneny, manao hoe:

كوريا الشمالية تصدق رسميا على ضرب امريكا بالنووي.. وبكدة يبقى جونج تاني اعبط رئيس في العالم


@Ibrahim_Elgarhi:
Mankato ny fanafihana nokleary amin'ny Etazonia i Korea Avaratra ka noho izany dia manao an'i Kim Jong-un ho filoham-pirenena faharoa vendrana indrindra maneran-tany.

Hesham Mansour dia mizara ity sary ity izay mampiseho ny Emir an'i Katara mitehaka ny ady vava ataon'i Korea Avaratra sy Etazonia. Katara, tanindrazan'ny fahitalavitra Al Jazeera, dia nanana anjara tamin'ny fanohanana ireo revolisiona Lohataona Arabo maro, ary nandefa tafika tany Libia mihitsy aza.

Ary ao amin'ny Brother Please, pejy Facebook, nizara sary mahatsikaiky sy “meme” ireo mpandray anjara, momba ny fandrahonan'i Korea Avaratra an'i  Etazonia.

Indro misy iray amin'izany:

Kim Jong-un portrayed as a Jihadist on Facebook page Brother Please

Kim Jong-un natao toy ny Jihadist tao amin'ny pejy Facebook “Brother Please”. Dikan'ny soratra: Ho avy aminao izahay miaraka amin'ny [fitaovam-piadiana] nokleary, tsy mila alàlana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.