Ao An-Tokantrano No Miainga Ny Fampandrosoana Maharitra Rehefa Midangana ny Vidim-Piainana

 Notendrena hitatitra mivantana amin'ny bilaogy mandritra ny Forum Manerantany momba ny Fampandrosoana OCDE ao Paris ny 4 sy 5 Avrily 2013 ny bilaogeran'ny Global Voices. Ho fitarihana mialoha ny fihaonana, namoaka lahatsoratra momba ny fampandrosoana ny ekipanay hanaovana lohahevitra ho fikarajiana an-tserasera isan-kerinandro ao amin'ny Habakany (#OECDgfd)

Thatched roof Mali

Fikarakarana mololo vaovao hanaovana tafo ao Mali. Saripikan'i Jean-Marc Desfilhes ao amin'ny flickr (CC BY-NC-SA 2.0)

Raha sahirana amin'ny trosa sy ny tsy fisian'asa ny toekarena Tandrefana, tonga eo amin'ny kihon-dalana kosa ny fomba fijerin'izy izao momba ny fampandrosoana sy ny fiaraha-miasa amin'ny firenena kely fidiram-bola sy tsena mihamisandratra. Lasa mihamazava kokoa fa ny fampandrosoana maharitra dia tsy tokony hiorina amin'ny harena na fitsinjaran-karena avy any ivelany, fa tsy maintsy vokatra avy ao an-trano.

Ny fampiasam-bola vahiny sy ny famindram-bola no fantatra fa fidiram-bolan'ny vahoaka mahantra tahaka an'i Mali sy Cape Verde. Maro ny iray tanàna any ambanivohitra any, ohatra, no mivelona amin'ny fandefasam-bola ao Mali, izay saiky avy amin'ireo nifindra fonenanana nankany Frantsa ny ankamaroany. Saingy tsy midika izany fa manampy azy ireo ho amin'ny fampandrosoana maharitra izany.

Ho an'ny ankamaroan'ny firenena Afrikana maro, ny mety fahafaha-misintona renivola matetika dia voasakan'ny politikan-ketra manome vahana loatra ny mpampiasa vola ka manakana ireny firenena ireny hanangana ny toe-kareny. Mbola nanerinerina izany fironanana izany manerantany tamin'ny 2007 araka ny tatitry ny OCDE “Fiantraikan'ny Hetra avy amin'ny Fampiasam-bolan'ny vahiny mivantana”.

Misy tatitra avy amin'i Matthew Martin sy Nils Bhinda ao amin'ny Fampandrosoana Toe-Bola Iraisampirenena mampiseho fa ao Tanzania, ohatra, nampiakatra ny hadirin'ny varotra volamena sy diamondra ny fidiran'ny renivolan'olo-tsotra avy amin'ny orinasa goavambe mpitrandraka harena an-kibon'ny tany. Saingy, tsy namoaka ny tombontsoa ara-tsosialy nantenaina izany, tahaka ny fiakaran'ny fidiram-bolan'ny governemanta na ny fampiasam-bolan'ny fanjakana eo amin'ny foto-drafitrasa ara-tsosialy. Ny marina, misanda hatramin'ny 140 tapitrisa dolara Amerikana ny totalin'ny fanesoran-ketra sy ny fandrisihana ara-ketra nataon'i Tanzania teo anelanelan'ny 2005-2008

Famindram-bola: Ohatrinona ny Vidiny?

Mihabetsaka fianakaviana manerana izao tontolo izao no velombelon'ny vola alefan'ny havany avy any andafy, araka ny nolazain'ny Banky Mondialy. Fa mbola mitoetra ny fanontaniana: afa-miantoka fampandrosoana maharitra sy mampihena ny fahantrany any amin'ireo firenena tena betsaka azy ve ny fahamaroan'ny mpifindra monina sy ny vola (alefa ho an'ny fianakaviana mijanona any an-tanindrazana)?

Nahatratra 3,7 isanjaton'ny Harin-karena Faoben'i Mali nandritra ny taona 2005-2006 ny vola nalefan'ny havany ho an'ny ao an-tanindrazana, ary araka ny fanombatombanana sasany dia nampihena tokoa ny isan'ny mahantra sy mampijotso ny tsy fifandanjan'ny fidiram-bolan'ny olona amin'ny ankapobeny ihany koa ny vola alefan'ny havany. I Cape Verde ny firenena iray hafa izay mahazo tombontsoa amin'ny fifindramonin'ny olona tao aminy fa io firenena io no avo indrindra ny tahan'ny vola azon'ny tsirairay avy amin'ny famindram-bolan'ny nifindra monina eto Afrika. Mahatratra ny 8% -n'ny Harinkarena Faobe ny vola avy amin'ny mpifindra monina nankany Portiogaly, Brezila ary Etazonia ka nahavitana nanangana karazana banky ho fanampiana ny mahantra any amin'ireo vondronosiny.

Noho izany antontanisa izany, maro ireo sampan-draharaha iraisampirenena no mandrafitra ny politikam-pampandrosoana miorina amin'ny fahabetsahan'ny famindram-bola (fa tsy fampindramam-bola io an!) , amin'ny alalan'ny famadihana io vola “ivelombelomana” io ho renivola hananganana fotodrafitrasa. Fa tsy maintsy misy ny fampitandremana aorina.

Na dia misonga aza ny vola nafindra, tokony ho ao an-dohan'ny tsirairay fa ny niaingan'ny famindram-bola dia vokatry ny fahantrana ankapobeny: fifindra-monina ara-toekarena. Tsy maintsy miatrika loza maro samihafa (fiampitana tsy ara-dalàna ny sisintany, mpanao trafikan'olombelona, fitokanana ara-tsosialy sy ara-kolontsaina) ireo nisafidy ny handao ny tanindrazany matetika mandritra ny dian'izy ireo.

Ankoatra izany, miankina be dia be amin'ny fitomboan'ny toe-karen'ny firenena ivahinianan'izy ireo ny vola alefa any amin'ny havany. Rehefa miakatra ny tsy fananan'asa any amin'ny firenena ivahiniana, matetika izany no miantraika amin'ny karazan'asa zakan'ny ankamaroan'ny mpifindra-monina, izay mahatonga na izy ireo na ny fianakaviany mijanona any an-tanindrazana ho mora tratran'ny tsy fisiana.

Farany, sady ozona no fitahiana ny endriky ny famindram-bola ho avy amin'olona iray mankamin'ny olona iray hafa. Hoy i Hein de Haas nanoratra tao amin'ny lahatsoratra iray ho an'ny Third World Quarterly tamin'ny 2005:

The much-celebrated micro-level at which remittances are transferred is not only their strength, but also their main weakness, since this also implies that individual migrants are generally not able to remove general development constraints.

Tsy ny lafitsarany ihany no misy amin'ity vola afindra eo amin'ny sehatra bitika mahasahana ny tsirairay ity, fa misy ihany koa ny lafiratsiny, rehefa tsy afa-manisaka ny sakantsakana amin'ny fampandrosoana ankapobeny ny mpifindram-monina tsirairay.

Noho ny tsy fisian'ny fandrisihana ho amin'ny fanomezan-danja ny vokatra ao an-toerana, hita fa tsy azo atao na oviana na oviana ho paikady tokana fanorenana ny fampandrosoana maharitra ho an'ny firenena kely fidiram-bola ny famindram-bola izay sanda avy amin'ny vokatra any ivelany.

Fepetra Tsara Hisian'ny Fampandrosoana Maharitra

Misy ny fepetra sasantsasany azo raisina hanohanana ny fampiasambola mivantana avy amin'ny vahiny sy ny famindram-bola hampateza kokoa ny tany.

Voalohany, fangaraharana sy fandraisana andraikitra. Ho fanajana ny fampiasambolan'ny vahiny, tsy maintsy manome ny vinavinan'ny tombombarotra ho an'ny Volam-panjakana ny governemanta, fa raha tsy izany dia tsy tokony omena alalana hiorina ny tetikasa. Tokony handrisika hatrany ny fanaraha-maso sy ny fametrahana rafi-pifandanjan'ny fivezivezen'ny vola na ho an'ny fanjakana na ho an'ny tsy miankina ny politika ara-bola ary tsy maintsy mametraka mangarahara amin'ny loharanom-bolany sy ny hampiasana azy. Tokony tsy maintsy atao ny fangaraharana, amin'ny endrika famoahana (tatitra) amin'ny fiaraha-monim-pirenena isam-potoana raikitra.

Mihazakazaka ho amin'ny fananganana Faritra Indostrialy Afa-kaba (IZF) matetika ny firenena kely fidiram-bola handrisihana ny fananganana orinasa sy hanomezana asa any amin'ny toerana stratejika ahitana harena an-kibon'ny tany. Miteraka fikorontanana ara-toekarena sy ara-tsosialy matetika ny fananganana ireny faritra (afa-kaba) ireny noho ny fidinan'ny vidin-javatra mandrakariva, ny fivezivezena ara-jeografika ary ny haratsian'ny kalitao vokarina. Koa raha misafidy ny hanangana Faritra Indostrialy Afa-Kaba ny governemanta, dia tokony handrafitra ny [fampiofanana] haingana ny mpiasa sy ny fahafaha-mamokatra mba ahafahany mivoatra mifanaraka amin'ny tsena[m-barotra].

Tena zava-dehibe indrindra io poitran-kevitra io satria hatramin'izao tsy misy ny fiaraha-miezaka hanao izay hampidirana ny tolotra sy ny vokatra anatin'ny firenena kely fidiram-bola ho ao amin'ny tsena iraisampirenena. Tokony ny tsena isan-drenimparitra no tanjona voalohany satria ao no misy ny fifanakaikezana kokoa ary mba mihena ny harefo manoloana ny sitrapon'ny orinasa maro rantsana [orita] mihetsiketsika fatratra (mifindrafindra haingana).

Eo amin'ny resaka fifindra-monina sy ny famindrana vola kosa indray, ny hantsana lalina manjaka manerantany no manosika ny mpianatra mahay avy any amin'ny firenena kely fidiram-bola hijanona any amin'ny firenena manankarena kokoa hanohizany ny fianarany na ny asany, toe-javatra fantatra amin'ny hoe “fuite des cerveaux”[fr] na fandosiran'ny manampahaizana. Koa efa mihamiakatra moa ny tsy fisian'asa any amin'ny firenena tandrefana, nisy “fivadiham-pandosiran'ny manampahaizana” nisongadina indray tany Nigeria, Ghana, Maraoka ary firenen-kafa afa-mifaninana tsara eo amin'ny lafiny karama sy ny hatsaran'ny toera-piasana.

Mba mety hisy dikany ho an'ny mpandray fanapahan-kevitra politika manerantany raha manomboka amin'ny hevitra tsotra mba iantohana ny faharetan'ny fampandrosoana: tsy maintsy manomboka ao an-trano ny famoronan-karena avy amin'ny amboniampanga sy ny fitsinjarana izany. Mety hamaha olana vetivety eo amin'ny fitomboan-karena ny politika miorina amin'ny vola nalefan'ny fianakaviana avy any ivelany, na ny fitsinjaran-karena fa mampisalasala kosa raha hanana fahatezana eo amin'ny sehatry ny fampihenana ny fahantrana izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.