Fikarohana Lalam-baovao Ho Fampihenana Ny Fahantrana

 Nomena fahefana  hitoraka bilaogy mivantana ny OECD Fikaonan-doha Iraisam-pirenena momba ny fampandrosoana (Global Forum on Development) atao any Paris ny 4 sy 5 Aprily 2013 ny mpitoraka bilaogin'ny Global Voices. Ho fitsinjovana izany fivoriana izany, dia nametraka lahatsoratra  mahakasika ny olana amin'ny fampandrosoana izay hanampy amin'ny ady hevitra amin'ny aterineto  isan-kerinandro amin'ny tranonkalany (#OECDgfd) ny ekipantsika

Cloth for sale in at market in Ghana

Ravin-damba amidy ao amin'ny tsenan'i Makola any Accra, Ghana. Sary avy amin'i Caroline Beaumont zarain'nyTransaid ao amin'ny flickr (CC BY-NC 2.0)

Ny zavatra tadiavina dia ny vahaolana ho fampihenàna ny fahantrana satria efa manakaiky ny 2015 fetra farany ho an'ny Tanjon'ny Taonarivo ho an'ny Fampandrosoana napetraky ny firenena Mikambana na UN Millenium Development Goals (MDG).  Vondrona maro samy hafa no mitrandraka làlam-baovao mba hahazahoana valiny, amin'ny fanantenana fa hitondra hevi-baovao izany. Anisan'ny fanamby napetraky ny vondrona iraisam-pirenena folo taona lasa izay ny hampihena amin'ny antsasany ny olona mosarena sy ny fahitana asa mamokatra ho an'ireo tena mahantra. Tena mbola lavitra  ny tanjona ho an'ny firenena sasany, nefa hita ho nisy fandrosoana ihany, ohatra tany Afrika avaratra izay nidina avy any amin'ny 58% nankany amin'ny 51%   ny olona mivelona amin'ny latsaky ny 1.25 dolara isan'andro teo anelanelan'ny 1990 sy 2005 [pdf].

Mandeha ny fifanakalozan-kevitra amin'ny aterineto

Hanao ny Fikaonan-doha iraisam-pirenena momba ny Fampandrosoana fanao isan-taona  any Paris ny 4 sy 5 Aprily 2013 ny Organisation for Economic Co-operation and Development (OECD) na Vondron'ny Fiaraha-miasa sy Fampandrosoana ny Toe-karena. Handinika izay fomba metimety kokoa hiadiana amin'ny olan'ny fahantrana amin'ny fanasàna ny olona mba handray anjara amin'ny ady hevitra mialoha ny fikaonan-doha misokatra amin'ny aterineto, miaraka amin'ireo mpikarakara ny OECD amin'ity taona ity. Avoaka ho azon'ny tsirairay jerena sy handraisany anjara ny foto-dresaka rehetra isan'andro.

Misy fomba iray hafa mahaliana hifanakalozan-kevitra ao amin'ny aterineto ampiantranoin'ny Concerned African Scholars, vondronà avara-pianarana sy mpianatra mpikaroka avy any Afrika. Ao anatin'ireo olana marobe dinihana ireo ny fiantraikan'reo vola an-jato lavitrisa dolara izay mikoriana amin'ny fomba tsy ara-dalàna any ivelan'i Afrika  amin'ny fihisàran'ny fampihenana ny fahantrana. Manome sosokevitra ny mpanoratra, Janvier D. Nkurunziza, fa ny fanalahidin'ny fampihenana ny fahantrana dia ” ny fampodiana an-tanindrazana ireo harena izay tànana any ivelany amin'izao fotoana izao nefa tsy mitondra tombontsoa ho an'ny tanibe.”

Raha toa ka tsy nanary harena be tamin'ny endrika fandefasana vola tsy ara-dalàna i Afrika, dia mety tsy ho tahaka izao ny fahantrana. Raha araka ny lojika ny fitànana ireny harena ireny any Afrika dia hampiakatra ny tahan'ny fampiasam-bola mba hahafahan'ny firenena Afrikana mampiasa vola amin'ny fanatsaràna ny seha-pamokarana toy ny foto-drafitrasa, ny famoronana asa ary ny fampiakarana karama izay mitarika ny fihenàn'ny fahantrana.

Notsipihan'i Robert Reid, talen'ny Millennium Challenge Corporation any Mongolia tamin'ny resadresaka TEDx tao UlaanBataar, Mongolia mikasika ny “Haino aman-jery Sosialy sy ny Fampihenana ny fahantrana” tamin'ny Septambra 2012, ny filàna ny fandraisana anjaran'ny vahoaka amin'ireo tetikasa fampihenena ny fahantrana tamin'ny fanizingizinana ny maha-zava-dehibe  ny fandraisana anjaran'ny sehatra tsy miankina ho amin'ny fampandrosoana maharitra. ” Tena zava-dehibe ny fiheverana ny fidiran'ny sehatra tsy miankina ho fiandohan'ny adihevitra mikasika ny fomba hampihenana ny fahantrana” hoy izy.

Io fomba fifanomezan-tànana mandray anjara io koa no fanalahidy fototry ny hetsika angon-drakitra misokatra, izay miditra tsikelikely ao amin'ny tontolon'ny fampandrosoana.

Ny Uganda Open Development Partnership Platform (Vovonana Misokatry ny Fiaraha-miasa ho amin'ny Fampandrosoana ao Oganda), fivondronana olon-tsotra entanin'ny fihetseham-pom-bahoaka dia ohatra iray amin'izay azon'ny angon-drakitra misokatra entina ho an'ny adihevitra mikasika ny fampihenana ny fahantrana :

Ny Vovonana misokatra dia toerana iray ampiasàn'ireo fikambanana ny teknolojian'ny filazam-baovao, ankoatra ireo fantsona hafa fifampizaràna vaovao.  Mampisongadina ny fangaraharana sy ny fandraisana andraikitra momba ireo harena azo ampiasaina ho amin'ny fampandrosoana, ny fomba fampiasana azy sy ny vokatra entiny ny fampandrosoana misokatra. Farany, mandray anjara amin'io tohivakan'ny fifampizaràù-baovao io ny rehetra; na ny tompon'ny angon-drakitra izany na ny mpikirakira dia samy hifankahery sy hahazo tombontsoa amin'ity fifampiankinana ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.