Fahatsiarovana ny Fahafolo Taonan'ny Ady Tany Iraka

Tamin'iny herinandro iny no nomarihina ny folo taona nanambaràn'ny fitondràna George W. Bush  ny Ady tany Iraka, ampahany amin'ny ady ataony amin'ny fampihorohoroana. Folo taona aty aoriana, mifanome tànana ny mpanao gazety, ny mpiserasera amin'ny haino aman-jery sosialy ary ny manampahaizana mba handalina ny vokatr'io ady io, izay nifarana tamin'ny fomba ôfisialy ny 18 Desambra 2011.

Controversial speech by George W. Bush, declaring the retreat of troops from Iraq. The famous sign "Mission accomplished" was hanging from the aircraft carrier. By then, the war was ongoing. Image taken from a video on YouTube.

Lahateny mahabe resaka nataon'i George W. Bush, manambara ny fisintahan'ny miaramila any Iraka. Ilay sora-baventy ” Vita ny iraka” no nahantona tamin'ny sambo mpitondra fiaramanidina. Nefa ny ady mbola mitohy. Sary nalaina taminà lahatsary Youtube

Trosa amin'ny lavitrisanà dolara, fahafatesana an'hetsiny, tsy fahampian'ny porofo tamin'ny fampiasana fitaovam-piadiana mahery vaika mahafaty olona maro ary tsy filaminana izay olana fototry ny tsy fandriam-pahalemana any Iraka no heverin'ny mpikaroka maro fa takaitra navelan'ny ady. Misy betsaka ireo manohana ny nataon'ny Trano Fotsy tamin'ny 2003 amin'ny fanizingizinana fa raha tsy novonoina i Saddam Hussein, dia efa nifanandrina tamin'i Iraka sy Iran  i Etazonia. Na izany aza, fanadihadiana iray no milaza, fa maherin'ny 50 isan-jaton'ny Amerikana no mihevitra fa hadisoana ny Ady tany Iraka, ny 70% kosa no mankasitraka izany nandritra ny volana maro taorian'ny nanombohana ny fanafihana natao tany amin'ny tany Irakiana tamin'ny 2003

Ireo bilaogy sasany toy ny Madres Contra la Guerra (Ireo reny manohitra ny Ady) dia nandany fotoana tamin'ny fanombànana ny vokatry ny ady amin'ny fandraisana ohatra ny toe-pahasalaman'ireo miaramila Porto Ricain:

El costo para la salud física y emocional es terrible: once de cada 100 militares están mutilados, 40% de ellos con el terrible diagnóstico de trauma cerebral severo (traumatic brain injury), condición que no se puede atender en el Hospital de Veteranos por Puerto Rico, pues no tiene una sala de trauma. Familias enteras han tenido que trasladarse a Estados Unidos para alguno de los Hospitales de Veteranos que  pueda atender esa condición.  Alrededor de 40 % de los militares ya han sido diagnosticado con una condición de salud mental, particularmente el trastorno de estrés post traumático.  En Puerto Rico hay 2,000 veteranos sin techo (Censo, 2010).  Muchos de los militares están desempleados, al tratar de volver a la vida de civil.

Tena mampatahotra ny sandan'ny fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina: miaramila 11 amin'ny 100 no tapaka ratsam-batana, 40% amin'izy ireo no misy fahavoazana ao amin'ny lohany, aretina izay tsy voatsabo any amin'ny toeram-pitsaboana ny mpiady tranainy any Porto Rico satria tsy misy sampan-draharaha mitsabo izany any. Fianakaviana maro no voatery mifindra any Etazonia any amin'ny toeram-pitsaboana ny mpiady tranainy izay afaka mikarakara ny marary tahaka itony. Manodidina ny 40% ny miaramila nozahàna no mampanahy ny fahasalaman'ny sainy, indrindra ny rarin-tsaina taorian'ny dona mafy nahazo. Misy mpiady tranainy 2.000 tsy manan-kialofana any Porto Rico (araka ny fanisàna tamin'ny 2010). Maro amin'ireo miaramila ireo no tsy an'asa rehefa miezaka miverina amin'ny fiainana olon-tsotra.

Misongadina ao amin'ny bitsika sasany ny tsy fitovian-kevitra momba ny ady, avy amin'ny olomanan-kaja Latino sy ny olona hafa. Izao no nolazain'i Jorge Ramos (@jorgeramosnews) mpanolotra fandaharana ao amin'ny fahitalavitra Noticias Univisión :

@jorgeramosnews: En Irak ya es 20 de marzo, el 10 aniversario de la guerra que se inventó George W.Bush,con miles de muertos y sin armas de destruccion [sic] masiva

@jorgeramosnews: Efa 20 Martsa sahady any Iraka, faha-10 taonan'ny ady noforonin'i George W.Bush, miaraka amin'ny fahafatesan'olona an'arivony ary tsy nisy fitaovam-piadiana mahery vaika mahafaty olona maro.

Zarain'i Man Castro (@esmudiense) ny sary iray misy ny Filoha teo aloha George W. Bush, Tony Blair avy any Grande Bretaigne ary José María Aznar avy any Espaina, rehefa nanambatra ny heriny handefa miaramila ho any Iraka.

@esmudiense: En el aniversario d la guerra de Irak, una foto repugnante, el trío de las Azores y memoria para un millón de muertos pic.twitter.com/Lc0Sf8rM5I

@esmudiense: Amin'ny tsingerin-taonan'ny ady tany Iraka, sary maharikoriko iray, olona telo miaraka Azores sy ny fahatsiarovana iray ho an'ireo maty an-tapitrisa pic.twitter.com/Lc0Sf8rM5I

Tena tsy nisalasala ny sasany nilaza ny fanilihan'izy ireo ny Antokon'ny Vahoaka any Espaina entin'i Aznar, izay nandefa ny miaramilan'ny Espaina any Iraka. Ity dia maneho izay nanambaràn'i borbonesmamones (@borbonesmamones) azy:

@borbonesmamones: Acaba d terminar el aniversario dl 11M y no soporto ver a esos peperos homenajeando a las víctimas q ellos provocaron tras la guerra d Irak.

@borbonesmamones [es]: Vao avy nankalazaina ny tsingerin-taonan'ny 11M ary tsy tantiko ny hijery ireo mpamono manome voninahitra ireo niharam-boina vokatry ny nataony tamin'ny ady tany Iraka.

Mampiseho ny fanitsakitsahana zon'olombelona maro ihany koa ny ady tany Iraka nataon'ny tafika iraisana notarihan'ny Amerikana. Tranga iray mahamenatra indrindra amin'izany ny fonja Abu Ghraib, any Baghdad, izay nampijalian'ny miaramila Amerikana, ara-batana, ara-tsaina, ara-pitaovam-pananahana  ireo gadra. Etsy andanin'izany anefa, ny momba ireo gadra any Guantanamo, any Kiobà dia mbola mampametra-panontaniana : nambara tamin'ny 4 Martsa teo ny fitokonana tsy hisakafo ataon'ireo mpigadra ao ho setrin'ny herisetra ataon'ireo miaramila manam-boninahitra.

*Sary ivelany avy amin'ny bloodforoil.org, ambanin'ny lisansa CC BY-NC-2.5.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.