Zimbaboe: Nosamborin'ny Mpitandro Filaminana Ny Sangany Amin'ny Mpiaro Ny Zon'Olombelona

Iray andro taorian'ny nankatoavan'ny Zimbaboeana an-tapitrisa ilay lalàm-panorenana vaovao izay hiafara amin'ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka atsy ho atsy amin'ity taona ity, dia voasambotra ilay mpiaro ny zon'olombelona malaza, Beatrice Mtetwa, rehefa nangataka taratasy fanamarinana tamin'ny mpitandro filaminana  nikasa hisambotra ireo olona arovany.

Nosamborin'ny mpitandro ny filaminana tamin'ny 17 Marsa 2013 i Mtetwa sy ireo olona arovany efatra, izay samy tompon'andraikitra amin'ny Movement for Democratic Change (Hetsika ho an'ny fanovàna ara-demokratika), antokon'ny Piraiminisitra Zimbaboeana Morgan Tsvangirai. Niseho teo anatrehan'ny fitsaràna izy roa andro taty aoriana mba hamaly ireo fiampangàna azy ho nanembantsembana raharaham-pitsaràna taorian'ny tsy niraharahian'ny mpitandro filaminana ny didy navoakan'ny fitsarana hamotsorana azy.

i Mtetwa, izay nofaritan'ny New York Times tamin'ny 2008 ho “sangany amin'ireo mpiaro ny zon'olombelona any Zimbaboe” , dia nokendren'ny mpitandro filaminana sy ny biby fampitahorana Sampam-pitsikilovana – Central Intelligence Organisation (CIO), sampan-draharaha miafina izay ampiasain'ny Filoha Robert Mugabe  ho fitaovana hamoretana ireo mpisintaka, araka ny filazan'ireo mpitsikera .

Taorian'ny nandanian'ny 95 isanjaton'ny mpifidy ny lalàm-panorenana vaovao ho an'i Zimbaboe no nisamborana azy. Mampifanandrina an'i Mugabe sy Tsvangirai amin'ny fifidianana kasaina atao amin'ny lohataona ho avy izao io lalàna vaovao io, ary manamarika ny fiafaràn'ny  governemantan'ny fiaraha-mitantana  natsangana voka-pifidianana nifanolanana tamin'ny fifidianana 2008 nitondra ho amin'ny herisetra.

Beatrice Mtetwa in the back of a police van. Photo courtesy of Zimbabwe

Beatrice Mtetwa ao aorian'ny fiaran'ny mpitandro ny filaminana. Sary avy amin'ireo mpiaro ny zon'olombelona any Zimbaboe

Tany amin'ny haino aman-jery sosialy no nanehoan'ny Zimbaboeana ny alahelony tamin'ny fisamborana an'i  Mtetwa.

Izao no nosoratan'i Dewa Mavhinga (@Dewamavhinga):

@Dewamavhinga: tany Roma nametraka ny Papa Fransoa Voalohany ny filoha Mugabe sy ny fianakaviany- fa aty #Zimbabwe tazonina an'ny amin'ny fonjan'ny polisy ny mpisolo vava Beatrice Mtetwa

I Consta Chimakure (@cchimakure) kosa dia nibitsika hoe:

@cchimakure: Tsy misy fifaliana ho an'i  Beatrice Mtetwa. Mbola any amin'ny fonjan'ny polisy foana izy na dia teo aza ny didy avy amin'ny Fitsarana Avo. Ohatra ny hoe hafa ilay didy aman-dalàna.

Nandefa fanairana i Sokwanele (@sokwanele):

@sokwanele: FANAIRANA : Tohano ny vehivavy izay voalohany nanohana ANAO raha voazimbazimba ny zonao : http://bit.ly/15h0cL6 #zimbabwe

Nidera an'i Mtetwa i David Coltart (@DavidColtart) , Minisitry ny Fampianarana :

@DavidColtart: Tsara ry Beatrice Mtetwa – taona maro niadiana sy niarovana tamim-paharisihana ny fitsipi-dalàna. Amhlope! [Fankasitrahana]

Taoriana kely dia nibitsika i Coltart (@DavidColtart) :

@DavidColtart: Tena sarotra amiko ny hilaza araka ny tokony ho izy ny rikoriko noho ny fitànana an'i Beatrice Mtetwa…. http://fb.me/1tRXqejo2

Izao no nosoratan'i Trevor Ncube ‏(@TrevorNcube) :

@TrevorNcube: Mampalahelo, hatory alina iray fanampiny any am-pigadràna indray noho ny asa ara-dalàna nataony i  Beatrice Mtetwa. Mampahatsiahy izany fa mbola lavitry ny ara-dalàna i #Zimbabwe

Novalian'i Kudzi ‏(@Kudzi_Siphiwe) :

@Kudzi_Siphiwe: Tena tsy mampilamina noho ny zava-mahazo an'i  Beatrice Mtetwa, fa mbola misavoritaka kokoa noho ireo olona izay manohy miaro ny tsy azo arovana.

Nomarihin'i Panimaha Dube ‏(@KadomaKid) fa :

@KadomaKid: Tsy voafehy ny raharaha Beatrice Mtetwa, tokony hanao ezaka bebe kokoa noho iny ny mpitandro ny filaminana !

Mthandazo Nyoni ‏(@MthandazoNyoni) kosa dia nametra-panontaniana :

@MthandazoNyoni: Aiza ho aiza ny ho avin'i Zim raha ny mpitandro ny filaminana aza tsy mankato ny didy avoakan'ny fitsarana Avo ? Nolavin'izy ireo ny hanafahana ilay mpiaro ny zon'olombelona, i Beatrice Mtetwa

Ny bilaogera  Sir Nigel dia  nahatsikaritra :

Fantatray ny hevi-petsin'ireo mpanatanteraka ny lalàna sy ireo vondrona hafa eto amin'ny fanjakana, matahotra ireo mpisolovava izay misolo tena ireo olona arovany tsy amin-tahotra na mpomba fotsiny tsy amin'ny antony sady manery ny fampanajàna tanteraka ny lalàna sy ny làlam-panorenana.

Mino ireo hery mpanohitra ireo fa hampatahotra an'i Beatrice sy hampihemotra ireo mpiaro ny zon'olombelona hafa, izay mbola miady amim-pahavitrihana amin'ny fanehoana amin'ny endriny rehetra, mpiaro ny zon'olombelona izay miaritra ny fanitsakitsahana ny zony. Hevi-diso ny hoe amin'ny alalan'ny fanenjehana ny mpisolovava sy ireo olona arovany, ireo hery izay mino ny fisian'ny fomba fiasa vaovao amin'ny fomba matianina no hihemotra, ary ho rava ny fanoloran-tenan'ny vondron'olon-tsotra amin'ny resaka zon'olombelona sy demokrasia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.