Korea Atsimo sy Avaratra Anatin'ny ‘Tany Miady’

Manana tantara lavabe momba ny fomba fiteny tia ady sy tia mandrahona an'i Korea Atsimo sy ny mpiara-dia aminy i Korea Avaratra. Saingy nafana vay tsy misy toy izany ny fandrahonana nataon'ny any Avaratra farany, ary mihazakazaka mampatahotra ny fifanenjanana ao amin'ny renim-paritra Azia Atsinanana tao anatin'ny herinandro vitsivitsy izay.

Rehefa nofoanan'ny Avaratra ny soniam-pampitsaharan'ady amin'ny Atsimo tamin'ny fiandohan'ny volana marsa 2013, sia nanatontosa fanazarana ara-miaramila niarahana i Etazonia sy i Korea Atsimo ho fampisehoan-kery. Tamin'ny 28 marsa teo dia nisy voromby hainga-pisidina B-2 an'i Etazonia mpidaroka baomba nisidina ny Saikanosy Koreana ka nandray izany ho fetra tsy azo leferina intsony ny mpitarika an'i Avaratra Kim Jong-un ka nibaiko ny hampivononana ny balafomanga tamin'ny 29 marsa. Ny ampitso, Nanambara ihany koa i Kim fa ao anatin'ny “tany miady” amin'i Korea Atsimo ny any Avaratra ary nivoady izy ny hanakatona ny faritra indostrialy marolafy ao Kaesong, faritra iarahan'ny roa tonta miasa. Tamin'ny 31 marsa, nandefa voromby mpiady hainga-pisidina F-22 tany Korea Atsimo i Etazonia hanaovana fanazarana ara-miaramila vaovao.

Image of the U.S.-South Korea Annual Military Drill, Uploaded by Flickr user

Sarin'ny fanazarana ara-miaramila ataon'i Etazonia sy i Korea Atsimo isan-taona, Navoakan'ny mpisera FlickrU.S. Army Korea (Tahirintsary ara-tantara)

Eny fa na dia ho an'y Koreana Tatsimo efa zatra amin'ny karazana gidragidram-pitenenana fanaon'ny Tavaratra aza dia tena mampatahotra indrindra ny fivoaran-draharaha ankehitriny. Fa misy ny mpiserasera sasantsasany no mampitony ny namany avy amin'ny fitondrana fomba fitenenana taloha hoe ‘Tsy Manaikitra Mihitsy ny Alika Mivovò’–izay lasa iray amin'ny sariohatra be mpampiasa indrindra ao amin'ny tontolon'ny Twitter sy ny Blaogy. Saingy samihafa ny fomba fampiasan'ny mpiserasera io fomba fitenenana io.

@idk209: 누군가 그러든데, 예전엔 한미가 대규모 훈련을 하면 북한도 맞대응 훈련을 했는데, 이젠 그것도 힘에 부치니 입으로 짖어대는 거라고.. 대게 맹렬하게 짖는 개들은 겁에 질려서 짖는 것이고, 그렇게 짖는 개가 무는 경우는 별로 없다…

@idk209: Milaza ny sasany fa ny Tavaratra, izay zatra ny mamaly ny fanazarana ara-miaramila ataon'i Etazonia sy Korea Atsimo amin'ny fanaovana fanazarana ara-miaramila ho azy ihany koa aorian'izany, dia tsy ampy angovo (hery) intsony amin'izao fotoana izao ary miezaka ny hivovò mafy. Ny alika, rehefa matahotra, miezaka ny mivovò tahaka ny hamono, saingy mahalana vao manaikitra.

@tobeto01: 북한의 전쟁 운운에 대하여..”짖는개는 물지 않는단”다. 하지만 그개가 미친개라면? 물리면 광견병 걸린다.

@tobeto01: Raha ny fomba fikabariana lianady fanaon'i Korea Avaratra, milaza ny olona hoe “Tsy manaikitra mihitsy ny alika mivovò”. Saingy ahoana raha adala io alika iray io? Ho tratran'ny haromotana izay tratrany (mieritreritra ny fiantraikany) rehefa voakakitry ny alika adala (romotra).

@nezerac: 안 짖는 개가 더 무섭다. 북한이 떠들면 떠들수록 개털이라는 말 하지만 우린 최악의 상황을 가정해서 대비를 해야 한다. 일일히 대꾸할 필요없다[…]

@nezerac: Marina fa mampatahotra tokoa ny alika mpivovò. Ary ho an'i Korea Avaratra- arakaraka ny ivovozany, ny ihomehezana azy araka izay ataony. Saingy mbola mila mivonona amin'ny tranga mety ho ratsy indrindra isika. Saingy tsy ilaina ny mamaly azy isak'izay mivovò.

Misy mazava loatra ny mpiserasrea sasany efa voakotaba loatra amin'ny vaovaon'i Korea Avaratra ka tsy miraharaha intsony. Ny sioka eto ambany no mampiseho ny fomba fandraisan'ny Koreana Tatsimo ity vaovao ity, mampitaha ny fomba iainan'ny Japoney efa zatra fihovitrovitry ny tany, rehefa miresaka fihovitry ny tany.

@kor_heinrich: 일본 : 강도 5도의 지진 발생 외신: 헐!! 야단났네! 일본국민 : 별거아님 자주있는 일임 한국: 북한, 서울 불바다 만들겠다! 외신 : 헐 야단났네! 한국국민: 별거아님 자주있는일임

@kor_heinrich: [Japana] Raha misy fihovitry ny tany mahatratra ny maridredy dimy mahatratra an'i Japana, milaza ny Media iraisampirenena: Goay! loza izany!! milaza ny olo-tsotra Japoney: tsy dia mampikorapaka. Efa mpitranga matetika izany. [Korea Atsimo] Rehefa milaza i Korea Avaratra fa hanao an'i Seoul ho  ‘ranomasin'afo’, milaza ny Media iraisampirenena: Goay! loza izany!! milaza ny olo-tsotra Koreana: tsy dia mampikorapaka. Efa mpitranga matetika izany.

Raha mikatona ny Faritra Indostrialy ao Gaesung , izay manome vola roa miliara dolara isan-taona ho an'i Avaratra, manombana ny tatitra ao an-toerana fa hisy fiantraikany amin'ny fiainan'ny Koreana Tavaratra 300 000 izany [ko]. Ny olona sasany koa miady hevitra amin'ny fiantraikany hafa eo amin'ny olona ambony eo amin'ny fahefana Koreana Tavaratra sy ny olo-tsotra Koreana Tavaratra.

hssi84: 북한 지도층은 너무 권력의 물을 많이 먹어서 절대 권력을 놓치려 안할거란 사실이죠. 그런 사실로 봤을때는 망할 수도 있는 전쟁따위는 버릴겁니다. 권력은 쉽게 버릴수도 게임처럼 질러보기식으로 던질 수 없는거자나요

hssi84: Tsy hamela ny fahefany ho votsotra eo ampelatanany mihitsy ny mpitarika Koreana Tavaratra, efa migoka ny hamamin'ny fahefany. Tsy ho sahisahy foana hanao ady mety haharesy azy izy. Tsy vitan'ny lalao tsinahinahy (filokàna) hialam-boly ny Fahefana na zavatra tsy mampaninona azy raha very.

@ourholykorea: […] 평화 시가 전쟁 시보다 나을 바가 없기 때문이다. 6.25때 죽은 사람보다 90년대 배급중단으로 굶어죽은 사람 숫자가 더 많았던 게 현실이다.

@ourholykorea: (Ho an'ny vahoaka Koreana Avaratra) Tsy tsara noho ny fiainana amin'ny ady ny toe-draharaha anaty fandriampahalemana. Zavamisy mampihoron-koditra raha iverenana ny tamin'ny taompolon'ny 1990 ny fahamaroan'ny vahoaka Koreana Tavaratra maty tamin'ny fampitsaharana ny fizarana sakafo mihoatra noho ny isan'ny maty nandritra ny ady koreana.

Tsy misy marika ahitana filefahany ny fifanenjanana sy ny fifandrahonana natao, ary manombana ny sasany fa mety hanindry ny fanapihana i Kim Jong-un mba tsy ho menatra [ko]. Mihamaro ireo mpisera mamoaka ny feony manahy fa tsy fihetsika hendry ny mamaly ny fihantsiana amin'ny fihantsiana, mihevitra fa mety ho resy i Korea Atsimo raha tena misy ny ady.

@toplkw: “북한 도발시 1차 세계대전 수준 사상자 발생” http://www.viewsnnews.com/article/view.jsp?seq=98067 적대관계와 냉전적사고로가면 우리안보가 튼튼해지나 이 수구들아.

@toplkw: Raha tena manao fihantsiana (ara-miaramila) tokoa i Korea Avaratra, mety hahatratra ny isan'ny maty tamin'ny ady lehibe voalohany ny lasibatra : rohy mankany amin'ny lahatsoratra ao an-toerana [ko] Henoy ry mpandala ny mahazatra: tsy hamaha olana na oviana na oviana ny mamaly fananganan'ady amin'ny fananganan'ady ary tsy hahamafy ny fiarovana ny firenentsika tampoka eo ny fananana ny toe-tsain'ny ady mangatsiaka.

@welovehani:미 스텔스 전투기가 한반도에 떠서 안전해지면 좋았겠지만. 북한의 반응은 정전협정 파기 선언. 도발은 북이 먼저 했기에 비난받아 마땅하지만. 도발에 똑같이 도발하는 대응 방식에 미국에서마저도 우려의 목소리가 나오고 있다.

@welovehani: Tokony ho zavatra tsara raha ho fiarovana ny filaminantsika ny fisidinan'ny voromby haingam-pandeha amin'ny habakabaky ny saikanosy Korean. Saingy nanapa-kevitra taorian'izany i Korea Avaratra handrava ny fampitsaharan'ady. Tsy miaro ny any Avaratra aho, raha ny tena marina dia mitezitra azy ireo aho tamin'ny nanombohan-dry ny fihantsiana voalohany. Saingy na ny olona sasany any Etazonia aza dia efa manomboka maneho ny tahony amin'ny fomba ifehezan'i Etazonia ny toe-draharaha– mamaly ny fihantsiana amin'ny fihantsiana mitovy amin'izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.