Amerika Latinina Aorian'ny Nahafatesan'i Chávez: Fanovana sy Fanohizana

Hugo Chavez mural in Caracas, Venezuela

Sarin'i Hugo Chavez amin'ny rindrina ao Caracas, Venezuela. Saripikan'i mwausk ao amin'ny flickr (CC BY 2.0)

Amin'ny maha-mpitsikera mavitrika an'i Etazonia sy amin'ny maha-mpitarika nampifoha indray ny antoko ankavia azy manerana an'i Amerika Latinina, tsy isalasalana fa namela dia miavaka eo amin'ny politika iraisampirenena iainana amin'izao fotoana i Hugo Chávez Frías. Saingy hanao ahoana kosa ny lova navelany?

Raha misaona sy miditra amin'ny fampielezan-kevitra i Venezuela, maro ny manontany momba ny hoavin'ny fifandraisana ara-politika any Amerika Latinina, renim-paritra ananan'i Chávez lazam-pitarihana matanjaka.

Manoratra i Antonio J. Vázquez avy ao amin'ny Passim blog :

As for foreign relations, with Maduro as president it does not appear that regional and transoceanic relationships will change. The influence in the [Latin America] region will be maintained at the same level, as long as there is oil and money. Venezuela will continue to export barrels [of oil] to Cuba at gift prices, and will continue trading at preferential prices with countries of its natural [political] environment, beyond the geographical.

Eo amin'ny sehatry ny fifandraisana iraisam-pirenena, tsy atahorana hisy fiovana ny fifandraisana ao amin'ny renim-paritra sy mahatratra ny moron'ny ranomasimbe roa raha i Maduro no filoha. Ho voatazona hatrany ny ambaindainy manerana ny renim-paritra [Amerika Latinina] raha mbola misy ny solika sy ny vola. Hanondrana barikan-tsolika amin'i Cuba amin'ny vidiny toy ny fanomezana ihany i Venezuela, ary hifampiraharaha aminy vidiny mora kokoa amin'ireo firenena mitovy firehana aminy, izay tsy miankina amin'ny fangitra jeografika misy azy.

Izay moa no heverina ho tadiavin'ny hatrany Havana [renivohitr'i Cuba, dia ny hahalany ho filoha an'i Maduro]. Firenena Amerikana Latinina sy Karaiba roapolo amin'izao fotoana izao no mahazo tombontsoa amin'ny fandaharan'asan'i Venezuela antsoina hoe Petrocaribe [es] izay manome fanohanana sy vidin-tsolika manokana eo amin'ny sehatry ny angovo. Tafiditra anatin'ireo i Haiti, firenena potika tanteraka ara-toekarena.

Miara-dalana amin'ny kabariny “anti-Amerikana” ihany koa ny fiezahan'i Chávez hampiroborobo ny fametrahana tambajotra iraisana manerana an'i Amerika Latinina. Ny Fikambanan'ny Firenena Amerikana latinina sy Karaiba (CELAC) sy ny Fiaraha-mientana Bolivariana Ho an'ny Vahoakan'i Amerikantsika (ALBA), angamba, no ohatra roa lehibe indrindra amin'ny fiezahan'i chavez hanangana fikambanana hidifiana amin'ny hery sy ny tanjak'i Etazonia. Ny fanontaniana amin'izao fotoana izao dia hoe hanohy araka izay nataon'i Chavez ve i Maduro na mpanao politika hafa, sa somary halefaka kokoa.

Tahaka ny mitady ny fanohizana sy ny fiovana i Manu García, mpanohana ny lazaina ho lalana ‘Bolivariana’ notarihan'i Chávez nihoatra ny 14 taona:

However, the excessive personalization of ‘the process of change’ is concerning. The Bolivarian process should consolidate a collective leadership if it does not wish to perish in the struggle for the legacy of the deceased. The challenge is to be a real process and ‘Bolivarian’ rather than merely a facade and “chavism”.

Saingy mampanahy ny fampiasana tafahoatra ny fandraisana ho an'ny tena manokana ny ‘fizotram-piovana’ (na lalana mankany amin'ny fiovana). Tokony hanamafy ny fitarihana iraisana ny fombafomba bolivariana raha tsy te-hanjavona ao amin'ny tolom-pandovana ny nodimandry. Ny fanamby dia ny haha-tena fanao sy ‘Bolivariana’ azy fa tsy ho endrika ivelan'ny « chavisma » fotsiny

Misalasala ny hitrangan'izany ny hafa. Mamehy i Carlos Malamud, mpikaroka avy ao amin'ny Real Instituto Elcano:

A new continental myth may have emerged after the death of Hugo Chávez, even comparable to that of Che Guevara or Simón Bolívar. That is not the issue at this stage. What is clear is that beyond his remembrance, Chávez’s continental leadership is non-transferable and currently there is no one in Latin America with the charisma, the resources, and the favorable agenda to take his place.

Mety hisy angano vaovao indray hipongatra taorian'ny fahafatesan'i Hugo Chávez, mety hifampitaha amin'i Che Guevara na Simón Bolívar aza. Tsy izay moa no tena resaka ankehitriny. Ny mazava ankoatra ny fahatsiarovana azy, tsy mety afindra ny fahaiza-mitarika ananan'i Chávez tamin'ny kaontinanta ary amin'izao fotoana izao dia tsy misy olon-kafa eto Amerika Latinina hanana herimpanahy, fahaizana ary fandaharan'asa politika mety hahasolo toerana azy

ISN logoNovatsian'ny International Security Network (ISN) ity lahatsoratra (teny anglisy) ity sy ny dikantsorany amin'ny teny frantsay, arabo ary espaniola ho fiaraha-miasa amoahana ny feon'olo-tsotra eo amin'ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny filaminana ankapobeny. Tao amin’ny  bilaogy ISN  no navoaka voalohany ny lahatsoratra ary azonao jerena eto ireo tantara hafa mifandraika amin’izany

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.