Voampanga Ho Naniratsira, Bilaogera Telo Voatàna Am-ponja Any Bangladesh

Voamarina izao fa nitazona bilaogera miisa telo ny Sampam-pitsikilovan'ny Polisy ao Bangladesh – Rasel Parvez, Mashiur Rahman Biplob & Subrata Adhikari Shuvo - omaly alina noho izay ambara fa nosoratan'izy ireo tsy manisy vidiny ny finoana Silamo sy ny mpaminany Muhammad. Nampanantsoina tany amin'ny biraon'ny polisy aloha ry zareo ary taorian'izay dia nentina nankany an-tranony ka nogiazana ny solosaina findainy, ny finday sy ireo fitaovana hafa. Nentina any amin'ny toerana tsy fantatra izy ireo.

Izao no nitranga taorian'ny nandraisan'ny governemanta fepetra hanenjika ireo bilaogera sy mpampiasa Facebook izay manao fanamarihana manafintohina mikasika ny finoana silamo sy ny mpaminany Muhammad. Ny 31 Martsa, nandefa lisitra iray misy bilaogera 84 [bn] ho an'ireo sivy mpikambana ao amin'ny komity ahitàna ny Ministeran'ny Atitany ny solotenan'ireo mpitondra fivavahana Silamo avy amin'ny mahery fihetsika, miampanga azy ireo ho tsy mino an'Andriamanitra sy nanoratra manohitra ny finoana Silamo.

Azo marihana eto fa i Bangladesh dia mampihatra ny rafitra demaokrasia parlemantera tsy fehezin'ny ara-pinoana, noho izany tsy misy lalàna “sharia” na lalàna momba ny resaka fanimbazimbàna. Raha misy olona milaza tena ho tsy manana Andriamanitra inoana, manana zo mitovy amin'ny rehetra izy (na lahy na vavy) toy ny olom-pirenena hafa rehetra. Kanefa, Araka ny Andininy 295A amin'ny didy famaizana ao Bangladesh (1860), izay olona “minia” na manam-pikasàna “hanimba” “ny fijoroana ara-pinoan” ny hafa dia mety hiharan'ny sazy famonjàna.

Rasel's blog in blogging platform Somewherein.net

dikasarin'ny fàfana avy ao amin'ny bilaogin'i Rasel ampiantranoin'ny Somewherein.net, sehatra fitorahana bilaogy

I Rasel Parvez, izay manampahaizana, fizisiana, bilaogera sady mpanoratra, dia manana bilaogy roa ka ny iray ampiantranoin'ny Sehatra Somewherein.net, ary ny iray hafa ao amin'ny Amarblog.com. Kanefa izy dia nampangaina ho namoaka votoaty tany anaty bilaogy iray hafa teo ambanin'ny solonanarana Opobak.

Mashiur Rahman Biplob dia manoratra am-bilaogy eo ambanin'ny solonanarana Allama Shoytaan (Mullah Devil) any anaty toerana samihafa any, isan'ireny ny Somewherein.net

Subrata Adhikari Shuvo manoratra ao amin'ny Amarblog.com amin'ny tena anarany. Izy dia nampangaina ho namoaka votoaty teo ambanin'ny solonanarana Lalu Koshai.

Ho hita eo raha toa ny manampahefana ka ho afaka hanaporofo tokoa fa ireto bilaogera ireto dia “minia” na nanam-pikasàna “hanimba” “ny fijoroana ara-pinoan” ny hafa tokoa tany anatin'izay nosoratan-dry zareo. Ny Sampam-pitsikilovana dia hanao famelabelana ho an'ny mpanao gazety androany amin'ny mitataovovonana (ora any Bangladesh).

Hatramin'ny omaly, ilay sehatra malaza fitorahana bilaogy Amarblog.com dia lasa tsy azo nidirana intsony avy ao Bangladesh. Kanefa, azo itsofohana avy amin'ny alàlan'ny proxy ihany ilay bilaogy. Tao anaty fanambaràna iray  dia niteny ilay sehatra fampiantranoana bilaogy hoe:

আমারব্লগ আটক করা সকল ব্লগারের নিঃশর্ত মুক্তি দাবী করে এবং আশা প্রকাশ করে যে বাংলা ব্লগে স্বাধীনতাবিরোধী যে কোনো প্রচারণা ও প্রকাশনার বিরুদ্ধে সদাতৎপর আমারব্লগ এবং তার ব্লগারদের হয়রানী করা অতিস্বত্তর বন্ধ হবে!আমরা অতি সত্বর বাংলাদেশ সরকারের আরো কাছে জানতে চাই আদৌ সরকার আমারব্লগ ডট কমে বাংলাদেশে ব্লক করেছে কিনা এবং কি কারনে করা হয়েছে তাও জানতে চাই।

Mitaky famoahana tsy misy fepetra ireo bilaogera notànana ny Amarblog ary manantena fa hatsahatra avy hatrany koa ny fanaovana antsojay an'ireo bilaogera sy ny sehatra Amarblog, izay feo manohitra ny fampielezankevitra natao hanoherana ny fanafahana. Takianay ihany koa ny hampahafantaran'ny governemantan'i Bangladesh raha toa ka vaoràra ao Bangladesh ny Amarblog.com ary inona no antony?

Fanavaozam-baovao – 03/04/2013:

Asif Mohiuddin, ilay bilaogera nahazo Mari-pankasitrahana, dia notazonin'ny sampam-pitsikilovan'ny polisy koa tamin'ny Alarobia teo. Hoy ny Daily Star ohe:

Nitranga indrindra tao anatin'ny mampivaivay ny fanakianana ny anjara andraikitry ny governemanta, izay tondroin'ny maro ho “mpanara-drenirano”, taorian'ny fampitahoran'ireo fikmabanana Silamo mahery fihetsika sasany hametraka fanjakan'i Baroa raha toa “tsy ahantona (vonoina) ireo bilaogera ireo”

MK Alamgir, Minisitry ny Atitany ao Bangladesh dia nampahafantatra fa nahita bilaogera 11 ny Ministera, “izay nanohintohina ny hambom-po ara-pinoan'ireo Silamo tamin'ny alàlan'ny zavatra nosoratany”. Efatra tamin'izy ireo no efa voasambotra raha mbola misokatra kosa ny fihazàna ireo bilaogera fito ambiny.

Hefajat-e Islam, fikambanana Islamista natsangan'ireo bilaogera, lazaina fa manao fampielezan-kevitra manohitra ny Shahbag, no hanao diabe ho any Dhaka amin'ny 6 Aprily ary nandrahona ny hanao fitokonana tsy voafetra sy handefa mpanao vy very ny ainy miisa 313 raha toa ny governemanta manakantsakana io diabe io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.